Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

Nanomboka tamin'ny Alakamisy 16 Desambra, andro niantson'i Alassane Ouattara ny mpiara-dia aminy handeha amin'ny fananganana ny televiziona nasionaly RTI, dia trangan-javatra toy ny ady sivily no niseho tany Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra tany nandritra izay telo  andro lasa izay. Na dia vitsy aza ny sarin'ny herisetra tamin'ny haino aman-jery mahazatra noho ny fanakanana ataon'ny haino aman-jery tsy tan-dalàna any Abidjan, dia misy ihany ireo horonan-tsary sasany zaraina amin'ny aterineto. Ity horonan-tsary manaraka ity izao dia maneho ireo mpanao fihetsiketsehana tafihan'ny miaramila izay nahitana olona iray maty farafahakeliny.

Raha ny fahitan'ireo nanatri-maso teo an-toerana, ity horonan-tsary manaraka ity indray dia maneho ny antokon'i Ouattara amin'ny lalany hihazo ny Hôtel du Golf ny Alakamisy lasa teo, any amin'ny distrikan'ny Riviera any Abidjan.

Naneho laharana horonan-tsary izay ahitana olona maty taorian'ny nidarohan'ny tafika azy, ny mpampiasa aterineto hafa.

Nahatratra taha avo tamin'ity herinandro ity ny hevitra manohitra ny Firenena Mikambana sy Sarkozy raha nangataka ny tafika avy any ivelany hiala ny firenena ny Governemanta Gbagbo.

Ny Asabotsy 18 Desambra tany Yopougon, dia niteny tamin'ny vahoaka tamin'ny lahateny tena henjana manohitra ny tafika avy any ivelany ny Minisitry ny tanora, sy ny Lehiben'ny Tafika sy Fiarovana Gbagbo (FDS), ny miaramila tanora, Charles Blé Goudé, izay manasa ireo mpiara-dia aminy ho vonona hahafoy ny ainy ho an'izany antony izany :

“Sarkozy et l'ONU préparent un génocide en Côte d'Ivoire”

Manomana famonoan'olona any Côte d'Ivoire i Sarkozy  sy ny Firenena Mikambana

“L'ONU a un mandat souterrain, ils veulent enlever Gbagbo du pouvoir (…) Vous allez devoir en tuer beaucoup. “

“Manana antony tsy lazainy ny Firenena Mikambana, te hanala an'i Gbagbo eo amin'ny fahefany izy(…) Mety ho maro amintsika no ho faty raha izany.”

Nalefa tamin'ny Radio Televiziona Ivoriana (RTI), ny fihaonana, ary hoy ny mpanao tsikera tamin'ny farany:

“Les patriotes sont prêts à faire le sacrifice ultime”

“Vonona ny hanao ny sorona lehibe farany ny tia tanindrazana.”

Miharatsy ny toe-draharaha any Abidjan.  I R., mpampiasa aterineto Ivoriana izay nanontany tamin'ny alalan'ny hafatra tsy nampoizina, dia manazava miafina manao hoe:

“Des vidéos des violences existent, mais sur twitter on ne peut pas en parler parce que les menaces sont de plus en plus directes”

“misy ny horonan-tsary ahitana herisetra, fa eo amin'ny Twitter, dia tsy afaka miresaka mikasika izany mihitsy izahay satria mihamivantana ny fandrahonana”

Tsy miteny intsony ireo Ivoariana mpampiasa aterineto sasany izay tena navitrika tamin'ny tenifototra #civ2010.Matahotra “@Sanders225 jespère que vous qui tweetez a partir de votre pc vous avez installé des logiciels pour cacher votre ip #civ2010“:

@Sanders225 Ho an'ireo izay miresaka amin'ireo solosainy, manantena aho fa nametraka rindram-baiko ianareo hanafenana ny adiresy IP-nareo#civ2010

Milaza ihany koa i R. mikasika ny rivo-piantsoana izay misy amin'izao fotoana izao eto amin'ny firenena manohitra ireo izay sahy mizara ireo sombim-baovaony amin'ny ambin'izao tontolo izao:

“on est revenu à l'ere de la gestapo avec exécutions publiques”

“Niverina amin'ny vanim-potoan'ny Gestapo isika miaraka amin'ny famonoana ampahibemaso”

Maro ireo mpampiasa aterineto no milaza mikasika ny fisian'ny famonoan'olona faobe izay tsy misalasala mihitsy mihetsika taorian'ny fifandonana tany amin'ny distrika ipetrahan'ireo mpiara-dia amin'i Ouattara.Araka ny hazavain'i @Sanders225:

“Isan'andro vaky izao, olona tsy manan-tsiny no maty mandritra korontana amin'ny alina tany amin'ny sisintany Ivory. Niverina ny famonoan'olona faobe. #help#civ2010

Niparitaka vetivety ny siosio ary niely nanerana an'i Abidjan sy amin'ny Twitter, hoy ny fisian'ny mersenera Liberiana nokaramaina hamerina ny FDSn'i Gbagbo: mampahafantatra i @Kanateecs fa ity alina ity no anjakan'ireo mpikarama an'ady ireo:

“Abobo, koumassi, anyama yopougon, ces communes ou les gens ne dorment plus de peur d'etre tuer dans leur sommeil par les liberiens #civ2010

“Abobo, koumassi, anyama yopougon, ireo distrika ahitana ny olona tsy matory mihitsy matahotra ny ho vonoan'ny miaramila Liberiana ho faty toy ny biby http://twitter.com/#!/search/civ2010″

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.