Malezia: Fe-potoana nomena ho an'ireo sekoly manofana ho mpitsabo

Nanome baiko ny governemanta Maleziana ka haato mandritry ny dimy taona ny fandaharam-pitsaboana manerana ny firenena rehetra, ka ny tanjona amin'izany dia ny fametrahana fanovana izany hoe ny fanomezana lanja ny hatsarana mitaha amin'ny habetsahana satria tsy mitsaha-mitombo isan-taona ireo mpianatra mahazo diplaoma eo amin'ny fitsaboana.

Mieritreritra i Pagalavan Letchumanan fa tsy ho ampy raha io fametrahana fe-potoana io fotsiny.

Efa maro ankehitriny ny sekoly ary tsy hitsahatra ny hampitombo ny isan'ny mpianatra ireo sekoly ireo mba hahazoany vola bebe kokoa. Arak'izany dia hitombo ihany koa ny isan'ireo mpianatra hahazo diplaoma… Raha ny eritreritro aloha dia tsy tokony homena lanja ambony ny fianarana miompana amin'ny fitsaboana ary tsy tokony ho raisina intsony ho fototry ny fahombiazana eo amin'ny fiainana izany ao anatin'ny  2-3 taona aty aoriana, indrindra indrindra ho an'ireo Ray aman-dReny. Manantena mafy aho fa tsy hieritreritra intsony ny Ray aman-dReny sy ny mpianatra fa  ny fianarana ho mpitsabo ihany no hampamirapiratra ny fiainana.

Miombon-kevitra amin'izany ihany koa i Pilocarpine

Raha namaky mikasika azy ireny aho dia sarotra tamiko ny tsy hanasongadina ny tsy fetezan'ny filazàn'ilay Gazety manipika ny hoe haratsian'ny fari-pahaizana avy any Rosia, Okraina, Indonezia na Inde satria nandritry ny taona vitsivitsy niarahako tamin'ireo dokotera vao misandratra ireo, dia nahita misimisy kokoa mpitsabo vitsivitsy izay nahazo diplaoma avy any amin'ireny firenena ireny tena manam-pahaizana, finiavana sy fandraisana andraikitra bebe kokoa noho ireo vondrona mpitsabo  avy eto an-toerana aho. Raha toa ka hatrany am-boalohany ireo sekoly any ivelany miompana amin'ny fitsaboana  ireo no hoe ambany kalitao, ahoana no  manan-kasina amin'ireo mpitantana ny fampianarana ambony eto amintsika?

Mieritreritra koa ny Medicine Malaysia fa tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy io fe-potoana io, ary mila fanavaozana ny sekoly fianarana ho mpitsabo mba hampitomboana ny hatsaran'ny fari-pahaizan'ireo mahazo diplaoma.

Ny fankatoavana ny fidirana amin'ny sekoly fianarana ho mpitsabo dia tokony ho hentitra tsara ary tokony misy sivana avolenta apetraka. Tokony ho samy atao laharam-pahamehana avokoa na ny fisarihana ireo mpianatra eny amin'ireny sekoly ambony ireny ho  aty amintsika na ny fitazonana hatrany ny efa eto amintsika. Izay mihitsy no zavatra nandrasanay ho heno avy amin'ilay Minisitry ny Fahasalamana hajaina. Ny fe-potoana 5 taona dia fepetra taitaitra fotsiny noraisina manoloana ny olana iray izay mbola mila fijerena lalindalina kokoa aza.

Na dia izany aza dia nahatsapa tena  ho maivamaivana i Alex Tang fa hoe mba voaresaka ihany ny olana teo amin'ny famoahana be loatra ny mpianatra ho mpitsabo, tsapany ho efa tara loatra anefa izany.

Efa miady mafy mamoaka mpianatra nahazo diplaoma ireo sekoly 24 fianarana mitsabo. Mandritra izany fotoana izany anefa dia efa maro ireo mpianatra izay manovo fianarana any am-pita no hahazo diplaoma atsy ho atsy ka hiverina eto an-toerana ihany koa. Efa kely sisa dia ho zavamisy tena iainana ny fivangongoan'ny mpitsabo eto Malezia raha mbola somary nihantona izany teo aloha. Eny, na aiza na aiza ao Malezia dia ahitako Ray aman-dReny mandrisika ny zanany hianatra ho mpitsabo.

Hita soritra mazava tsara fa tsy hahazo fanohanana avy amin'ny ankamaroan'ny vahoaka Maleziana io vahaolana io, ary maro amin'izy ireo aza no hanameloka ny governemanta ho nifteraka io olana io voalohany.  Nanazava io fomba fijery io ny mpitoraka blaogy Dr Hsu.

Ny firoboroboana  tampoky ny sekoly mampianatra ho mpitsabo dia vokatry ny fahavitsian'ireo dokotera any amin'ny sampan-draharaham-panjakana. Izany moa dia satria ny ankamaroan'ny dokotera izay miasa amin'ny fanjakana dia mijanona an-dàlana rehefa mahavita ny asa an-tery voafaritra anaty fotoana voafetra ary misafidy toeran-kafa ahitàny tombontsoa bebe kokoa any amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny fanjakana.

Any amin'ny ankamaroan'ny firenena hafa, ny zavatra laojika tokony hatao mba hanadiovana tanteraka ny sain'ny dokotera tsy ho any amin'ny sampana tsy miankina dia ny fahafantarana ny antony hialan'ny dokotera amin'ny asam-panjakana sy ny fiezahana hahatsapa ny fahorian'izy ireo, ary raha mety ny tàntana dia ny hitazona azy ireo amin'ny asany. Izay no hitako hoe laojika indrindra.

Ny vahaolana Maleziana , toy ny amin'ny zavatra maro hafa koa, dia tsy manaraka laojikan-javatra  fa miankina amin'ny fomba fanao mivatravatra.

Raha toa ka tsy te hijanona hiasa amin'ny fanjakana ny dokotera, dia hofenoin'i Malezia dokotera ny tsena, izany no fandehan'ny laojika Maleziana. Tsy dia maninona loatra na vola be aza no lany amin'ny fanorenana sekoly mampianatra ho mpitsabo sy manofana ireo dokotera.

Rehefa ampy ny isan'ny dokotera avoaka, dia ho kofona dokotera ny tsena ka dia tsy hahita aleha izy ireo, ary ny hany azon'izy ireo atao dia ny mijanona miasa amin'ny fanjakana.

Ireo voalaza rehetra ireo dia  tatitra tao amin'ny gazety The Star amin'ny teny anglisy ao Malezia mikasika ny fanapahan-kevitra navoakan'ny  governemanta teo amin'ny fampiatoana dimy taona ny sekoly manofana ho mpitsabo.

Nay sary nanaingoana dia nalaina tao amin'ny  pejy Flickr an'ny Pacific Northwest USCG nampiasàna ny CC License Attribution 2.0 Generic

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.