Arabia Saodita: Afaho ilay Saodiana mpampianatra, i Dr Mohammed Alabdulkareem

Dr Mohammed Alabdulkareem. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook-n'ireo mpanara-dia azy

Saodiana i Dr Mohammed Alabdulkareem nosamborina taorian'ny namoahany lahatsoratra iray momba ny fiantraikian'ny fifehezana ny ara-politika eo anivon'ny fianakavian'ny mpanjaka [Ar]. Manana maripahaizana Doctorat amin'ny Lalàna  Islamika ity mpampianatra ity, ary mampianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Silamon'i Al-Imam Muhammed ibn Saud. Ary tsy vao voalohany amin'ny lahatsorany io, satria efa imbetsaka nanoratra mikasika ny resaka olana ara-politika eo anivon'ny fiarahamonina Saodiana izy.

Ny fisamborana

Raha araka ny pejy Facebook-n'ireo mpanara-dia an'i Dr Alabdulkareem, nolazainy tamin'ilay namany Abdullah Almalki fa efa manindry mandry azy ny ho voasambotra, taorian'ny namoahany ilay lahatsoratra ary talohan'ny nisamborana azy

Reporters Without Borders (Reporters sans Frontières) dia manamarika fa i Dr Alabdulkareem dia nosamborina lehilahy efatra tao an-tranony tsy nisy didy fampisamborana tamin'ny 5 Desambra, 12 andro taorian'ny nandefasana ilay lahatsoratra.

Afaho i Dr Alabdulkareem

Ho karazana fanehoan-kevitra amin'io fisamborana io, feno antso fanafahana ilay mpampianatra ny fampitam-baovao sosialy rehetra. Pejy roa an'ireo mpanara-dia no noforonina ao amin'ny Facebook ho setrin'ny fisamborana. Dia ny: “Free Dr.Alabdulkarim (Afaho i Dr Alabdulkarim)” sy “We are all Mohammed Abdulkarim. (Mohammed Abdulkarin daholo izahay rehetra).” Ankoatra izay, nampiasaina tao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe #FreeDrAbdulkarim ho antso fanafahana azy. Maro ny lahatsoratra tanaty bilaogy nosoratana ihany koa ho famotsorana azy. Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra.

Ilay mpitoraka bilaogy Talaf dia mametra-panontaniana mikasika ny fireneny:

فهل علمتم عن بلد ما قرر عقاب أحد من أبنائه لمجرد أنه ينادي بوجوب حمايته والحفاظ عليه !!
Efa nandre ve ianareo hoe nisy firenena nanasazy ny iray amin'ireo zananilahy noho izy tsy nanao afa-tsy ny nikiaka fiarovana sy fiahiana ho an'ilay firenena!!!!

Avy tao amin'ny Twitter, Abdulrahman Alnasri, dia mivonona koa ny hosamborina noho ny fijoroany ho an'ny fireneny:

رسالة للذين اعتقلوا الدكتور العبدالكريم: أنا وكثيرين غيري نؤمن بكب كلمة قالها الدكتور في مقاله، فهل ستعتقلوننا أيضا؟ #FreeDrAbdulkarim
Ho an'ireo izay nisambotra ny Dr. Alabdulkareem: Izaho, sy ny maro hafa, dia mino ny teny tsirairay nataon'i Dr. Al-Abdulkarim voalaza ao anatin'ny lahatsorany. Ka handeha hisambotra anay koa va ianareo?

Avy ao amin'ny pejin'ireo mpanara-dia an'ilay mpampianatra, mitondra fanamarihana i Khaled Alhojoori:

لم لا يسجنون يده التي كتبت ؟ لم لا يسجنون القلم الذي خط؟
لم يعطونهم هامشا من الحرية ثم يعتقلون هذا الهامش؟
لقد أصبحت حياة الناس تبعا لأمزجة البعض ،، تضيع سنوات من عمرك لا بأس بذلك ،، فهي ليست ملكا لك ،، هي ملك لغيرك
كان الله في عونك أخونا محمد ,, فنحن لا نملك غير الكلام ، وأخشى أن يصادر
Fa maninona no tsy samborin-dry zareo ny tànany na ny peniny satria nanoratra?
Fa nahoana ry zareo no nanome azy ireny sehatra malalaka kely, ary avy eo nisintona izany indray?
Aina maro no miankina amin'ny nahim-pon'ny sasany. Tsara ny manararaotra ireo taona maro amin'ny fiananao, satria tsy anao ireo, ny hafa no tompony.
Allah anie homba anao ry rahalahy Mohammed. Tsy manan-javatra hatolotra izahay ankoatra ny feonay, ary manahy mafy fa na io aza mety mbola halàna aminay koa.

Farany, manontany tena i Nofah momba ny zava-miandry an'i  Dr. Alabulkareem, raha hoe handany ny sisa andro iainany any am-ponja izy, toy ireo gadra politika maro hafa:

أخشى ما أخشاه أن يصبح الدكتور كمن سبقه من أصحابه الأحرار وأن يمكث في السجن سنين عديدة دون تهمة أو جريرة، تهمته فقط قول الحق من غير مراء
Ny tahotro ratsy indrindra dia ny hifonjàn'i Dr Alabdulakreem an-taona maro tsy misy vesatra fiampangana na hadisoana, toy ireo rehetra nialoha làlana azy. Ny hany vesatra mianjady amin-dry zareo dia ny filazàna ny marina tsy amin-pihambahambàna.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.