Afrika: Loko ara-kolotsaina miaraka amina horonampeo sy horonantsary nafangaro

Manana soso-kevitra tena hafakely ny Radio Continental Drift : nanatontosa laharana horonantsary mifangaro izy ireo izay tena mifantoka kokoa amin'ny resaka manodidina ny hafanam-po, ny kolotsaina ary ny zavakanto any Afrika avy amin'ny alalan'ireo horonampeo tamin'ny atrikasan'ny fampielezam-peo sy ny fakàna horonantsary tamin'ny tanàna maromaro tany Kenya sy Oganda.

Manomboka amin'ny fandefasana horonampeo ampiasaina eo ambany fiarovan'ny Creative Commons Share-alike ho santatra am-bavarano ny fangaro aorian'ny horonantsary, izay inoana fa mba hitarika ny hafa ihany koa hampifangaro azy ireo. Araka ny hazavain'izy ireo eo amin'ny lahatsorany Sofina mitehaka amin'ny tany ( An Ear on the Ground):

Notahirizina izy ireo ho isan'ny ampahany amin'ny dia lavitr'ezaka mankamin'ny “Afrika” & atrikasa ho an'ny làlan'ny horonam-peo mamakivaky ny tanibe .

Natao hampiditra ny artista & ny fikambanana, ny sehatra ara-kolotsaina, ny fandraisan'anjara mavitrika, ny ara-tsosialy sy ara-politika izay sedrain'ny radio continental drift ihany koa ny lisitry ny horonam-peo eo amin'ny www.archive.org.

Eto amin'ity lahatsoratra ity mizara ny endriky ny fampakàrana vontoaty avy any Nairobi izy ireo:

Mandrakitra sy mamatratra ny vontoaty ho an'ny Radio Continental Drift

Ity ny iray amin'ireo horonantsary izay antsoin'izy ireo hoe ” rodobe ho an'ny horonantsarin'ny làlana” . Noraketina tao  Nairobi, Kenya, ahitana fangarona hira sy tafatafa mivantana mikasika ny fandaniana, ny fitiavam-bola, ny laza sy ny zava-mahadomelina:

Ity iray manaraka ity kosa dia toy ny reniranon'ny fahatsapàna mikasika ny reggae, ny herisetra sy ny fandrosoana :

Avy any Kampala, any Oganda ireto horonantsary roa manaraka ireto mikasika ny mozika sy ny fahendrena mety ho hita ao anatin'ny hira :

Fanampim-panazavana bebe kokoa no azo jerena ao amin'ny bilaogin'izy ireo, Radio Continental Drift, izay mampifandray ihany koa amin'ireo loharano tsy voasoratra ka afaka afangaro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.