Adihevitra mikasika ny Modely Sinoa

Nitsidika an'i Sina ny praiministra Britanika David Cameron tamin'ny volana  lasa teo. Taorian’ ny lahateniny tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking, dia nisy mpianatra iray nanontany azy momba ny azony notsoahina mikasika an'i Sina. Toy izao ny fanontaniana , “Raha  tonga taty Sina ireo mpitarika Tandrefana, dia nirona foana tamin'ny fampianarana an'i Sina mikasika ny demokrasia, ny zon'olombelona, sy ny zavatra maro hafa izy ireo. Ny tiako anontaniana dia izao: inona no azonao notsoahina tamin'ny rafitra Sinoa ?” Namaly i Cameron no sady nandray ohatra mikasika ny fahombiazan'ny fitantanana nandritra ny  lalao Olympika tany Beijing.

Niteraka resaka mafana tamin'ny aterineto sy ny haino aman-jery nentim-paharazana ny tantara. Nanakiana ny mpianatry ny Anjerimanontolo ao Peking ny olona sasany noho izy ireo “miditra loatra ara-politika” eo amin'ny fanontaniany. Ny sasany kosa miresaka mikasika ny hoe inona marina no tena dikan'ny hoe “Modely Sinoa”? Na izany aza, taty aoriana kely, nazavaina fa mpianatra vahiny ilay mpianatra nametraka ilay fanontaniana ary tsy nampiasa ny teny hoe “Sina modely ” izy, na izany aza, ilaina ny mijery ny adihevitra.

Mitovy amin'ny fandikana amin'ny fomba ofisialy ny Sina Modely [cn], naka avy amin'ny fiavian'ny teny avy amin'ny olom-panjakana teo aloha Deng Xiaoping i Han Zhengfeng, mpampianatra mikasika ny Marksisma. Na izany aza, manamafy i Han fa ny tetikasa ara-politikan'i Deng tamin'ny famelabelarana ny “Sosialisma miaraka amin'ireo toetra sinoa ihavahana” dia fanandramana iray hanavahana an'i Sina amin'ireo modely kaomionista Sovietika ary tsy mety aondrana any amin'ny firenena hafa ny Modely Sinoa:

1980年5月,他在谈到处理兄弟党关系的重要原则时就指出:“中国革命就没有按照俄国十月革命的模式去进行”“既然中国革命胜利靠的是马列主义普遍原理同本国具体实践相结合,我们就不应该要求其它发展中国家都按照中国的模式去进行革命,更不应该要求发达的资本主义国家也采取中国的模式。

Tamin'ny volana May 1980, raha niresaka mikasika ny fifandraisana amin'ny antoko hafa izy (Deng), dia nasehony fa ” tsy nanaraka ny Revolision'ny volana Oktobra tany Rosia ny revolisiona Sinoa”. “Ny fanambarana ny foto-kevitra iraisam-pirenena Marksista sy ny tena fampiharana any Sina no nahatonga ny fahombiazan'ny revolisiona Sinoa . Tsy tokony hangataka isika hoe ireo firenena an-dalam-pandrosoana hafa dia hahita revolisiona daholo raha maka tahaka an'i Modely Sinoa ary tsy tokony hangataka ihany koa isika hoe ireo firenena manam-bola mandroso dia handray ny fomban'i Sina modely.”

Ara-politika, ny mpandinika liberaly, Qin Hui, na izany aza dia manondro mazava fa raha misy ny “Modely Sinoa”, dia tsy ho voafaritry ny làlan-tsaina (“ism”) ara-ekonomika mihitsy izany fa voafaritry ny rafitra na ny seha-pifaneraserana ara-politika :

中国的特色不在于“主义”,而在于那个平台:西方的左右派都是在民主的平台上玩,而中国的左右派却是在一个相反的平台上。于是中国的左右派首先都是在为“皇上”考虑,而不是为老百姓考虑——我这并不是进行“道德谴责”,中国的左右派也许良心不比西方的左右派差,问题在于他们生存的平台不一样。于是他们无论左右,所派扮演的角色就都与西方截然相反:咱们的左派鼓动国家向老百姓拼命收钱,不收就是该死的“新自由主义”;而咱们的右派就说国家不必为老百姓花钱,否则就是可恶的“福利国家”。…

Tsy natao ho amin'ny “làlan-tsaina” (“ism”) ny toetoetra Sinoa , mikasika ny rafitra sy seha-pifaneraserana ara-politika izy ity, ho an'ny sehatra ara-politika : any Andrefana, ao anaty rafitra demokratika no manohitra ny Havia sy ny Havanana raha toa kosa aty Sina, ka tena samy manana ny rafiny na ny seha-pifaneraserany ny Havia sy ny Havanana. Noho izany, na ny Havia na ny Havanana dia samy mihevitra ho an'ny “amperora” fa tsy ho an'ny vahoaka — tsy miezaka ny hiampanga olona aho amin'izany. Mitovy amin'ny an'ny Andrefana ihany ny fahatsapan-tena ara-moralin'ny Havia sy ny Havanana aty Sina, fa ny mekanisma hiainana izany no tsy mitovy. Izay no mahatonga ny Havia sy ny Havanana ho samy manana ny anjara asa tanterahany raha oharina amin'ny an'ny tandrefana . Manosika ny governemanta hitaky hetra amin'ny vahoaka ny Haviantsika, raha tsy izany dia voatery handeha amin'ny lalan-dratsin'ny “liberalisma vaovao” (“neo-liberalism”) i Sina; raha toa kosa ka mandràra ny governemanta amin'ny famoaham-bola ho an'ny vahoaka ny Havanantsika raha tsy izany i Sina dia ho latsaka amin'ny làlana feno fandrika mahatsiravin'ny ” fanjakana mpiahy” ….

这就有了咱们的“模式”!其实中国并不比别的国家更左或者更右。只不过,中国“左”起来给政府扩大权力很容易,但追问它的责任却很困难;中国“右”起来呢?推卸政府的责任很容易,但限制它的权力却很困难。这 样搞,当然也有优越性,那就是原始积累的速度快,此外应付事态的能力也特别强,手中集中了巨量的钱,要搞刺激经济计划当然容易,要摆平什么人什么事,出手 也特别阔绰。可是这样搞的后果是什么?通常人们都会说像这样加速投资会不会加剧产能过剩,垄断部门谋取利益会不会导致两极分化的加剧,人为压低居民消费导 致内需不足,以及权力集中的种种风险等等。这些我们就姑且不论。现在我要讲的是:假如这样的模式,以及以这种模式和前面说过的西方那种模式的互动为特征 的、现在我们看到的这种全球化可以一直延续下去的话,中国和世界的未来将会怎样。

Toy izao no “modely” amintsika! Raha ny tena marina, sady tsy Havia isika izao no tsy Havanana amin'ireo firenena hafa. Na izany aza, raha miodina amin'ny Havia isika, dia ho mora foana ho an'ny governemanta ny hanampatra ny fahefany nefa ho sarotra ny hitàna azy ireo ho tomponandraikitra. Ahoana ary raha mihodina Havanana e? Mora foana ho an'ny governemanta amin'izay ny mitsipaka ny andraikiny, nefa isika tsy afaka mametra ny fahefany. Mazava ho azy fa manana ny lafintsarany izany làlana izany, hahazo fitomboana haingana isika izay tena azo raisina ho mahomby hisahanana ny loza tsy ampoizina. Miaraka amin'ireto vola be eto an-tànana ireto, tena mora ny manetsika ny toekarentsika sy mamaha ny olana rehetra. Na izany aza, inona no mety ho vokany? Milaza ny sasany fa ny famatsiam-bola diso tafahoatra dia hiteraka famokarana betsaka loatra, hiafara amin'ny fisaraham-bazana eo amin'ny mpanana sy ny mahantra ny tombony be azo avy amin'ireo sehatra manjaka tokana ary hiafara amin'ny fitotongan'ny tsena anatiny ny fanafoanana ny fanjifàna. Hiteraka loza hafa ihany koa ny fanangonam-pahefana. Tsy hiditra amin'ny antsipiriany aho mikasika ireo voka-dratsy voalaza etsy ambony ireo. Ny zavatra tena tiako tsindriana eto dia hoe raha tena misy marina izany modely izany, ary raha voafaritra amin'ny mahasamihafa azy amin'ny Tandrefana ny Modely Sinoa, inona no mety hoavin'i Sina sy izao tontolo izao eo amin'ny sehatra  fifanakalozana ara-bola mirona mankamin'ny fanatontoloana ankehitriny?

Miezaka manohana ny heviny i Zheng Yongnian, manampahaizana momba an'i Sina mipetraka any Singaporo, fa tsy manohitra ny demokrasia ny  “Modely Sinoa ” fa manana ny toetra maha-Sinoa azy ny demokrasiany:

在政治方面,中国似乎处于弱势。中国仍然面临西方的很多指责,尤其在人权和民主方面。在这方面中国的确存在很多问题,但在一定程度上也和西方的意识形态有关。
很多发展中国家并不这样看,因为西方式的民主人权并没有使得那里的人民享有真正的政治权力,而且所谓的民主政治经常给他们带来的并不是政治秩序和社会经济的发展,更多的是政治腐败和社会乱象。
更为重要的是,中国模式也并不否认民主人权。中国模式强调的是各种权利获得的阶段性。任何一个社会只有到了经济社会方面发展到一定水平,人们的政治权力才有基础。
或者说,民主政治需要一个有效的社会经济基础设施。中国改革开放以后,大多数人民所获得的包括政治方面的权利要比那些简单照搬西方式民主(无论是被迫的还是主动的)要多得多。正因为这样,中国模式对很多发展中国家具有很大的吸引力。

Ao anaty fotoana marefo i Sina raha resaka mikasika ny fandrosoana ara-politika. Mbola manameloka ny toerana misy ny zon'olombelona sy ny fampandrosoana ny demokrasia any Sina ny Tandrefana. Tena manana olana maro i Sina, nefa mifandray amin'ny fandresen-dahatry ny foto-kevitra tandrefana ihany koa ny vahaolana .

Firenena an-dalam-pandrosoana maro no maneho fomba fijery samihafa. Tsy nanome ny vahoakany ireo zo ara-politikany akory zo maha-olombelona sy ny demokrasian'ny Tandrefana. Tsy nanome azy ireo ny filaminana ara-politika sy fandrosoana ara-toekarena akory ilay antsoina hoe rafitra ara-politika fa niteraka kolikoly ara-politika sy korontana ara-tsosialy .

Fanampin'izany, tsy mandà ny zon'olombelona sy ny demokrasia i Sina modely. Manamafy ny fandalovana amin'ny fampandrosoan'ny zon'ny vahoaka izany. Tokony manana fototra ara-toe-karena foana ny fiarahamonina iray alohan'ny hananan'ny olona ny zony ara-politika. Miankina amin'ny foto-drafitr'asa ara-toe-karena sy ara-tsosialy ny rafitra ara-politikantsika. Nitondra zo ara-politika kokoa ho an'ny vahoaka Sinoa ny fiovàna ara-toe-karena noho ny an'ireo firenena izay nisafidy na noterena hanaraka ny modely demokratika tandrefana . Izay no mahatonga an'i Sina modely ho manintona kokoa ho an'ireo tany an-dalam-pandrosoana maro.

Tsy mino i Tang Zhileng hoe efa nisy “ny Modely Sinoa” satria mbola eo an-dàlam-piovàna ara-politika sy ara-ekonomika i Sina :

到目前为止,我国高速发展的经济社会还只是国内外各种理论的“实验场”,还并没有形成一套有效的理论体系来解释我国近三十来年的经济发展现实。而有些学者 认为我国经济高速发展得益于对外开放、国际合作、大力发展市场经济、强调政府的有效干预等因素,然而这些还只是我国经济发展的一些零散的经验总结,而不是 系统化的理论体系。

Hatramin'izao, mbola “toerana fanaovana andrana” ho an'ireo foto-kevitra avy any ivelany foana aloha ny fiarahamonintsika, miaraka amin'ireo fandrosoany haingana ara-toekarena. Tsy manana foto-kevitra mitombina tsara isika hanazavantsika ny tena marina mikasika ny fandrosoantsika ara-toekarena nandritra ny 30 taona. Namorona zavatra hafa ny mpandinika sasany, toy ny varavarana misokatra ho an'ny politika, fifanarahana iraisam-pirenena, tsena ara-teokarena, ary firotsahana mivantan'ny governemanta mba hanazava ny fandrosoana ara-toekarentsika. Na izany aza, fehin'ny niainantsika fotsiny ireo, fa tsy foto-kevitra efa mipetraka .

如果现在“中国模式”已经形成了,那么该模式就必然会蕴含尊重生命、责任、良心、诚信、公平正义等基本道德价值理念,然而,看看我国经济社会的现实,虽然 我国政府高层时刻在强调科学发展观、以人为本、和谐发展、有尊严的生活等理念,然而,在地方政府和企业层面,却经常看到相反的事实,如,假酒、地沟油、毒 奶粉、矿难等频发的食品安全和生产安全事故;严重的环境污染;屡禁不止的暴力强迁;高企的房价;巨大贫富差距,以及整个社会拜物主义横行,等等,…这也进一步说明了我国还正处于道德价值体系 重建的关键时期。可见,缺乏这些基本道德价值理念的内涵,又何来什么“中国模式”,如果说我国已经形成了中国模式,那这种模式对广大人们又有什么意义,因 为这模式主要是为精英阶层服务的。

Raha tena misy ny “Modely Sinoa”, dia tokony hanosika ny soatoavina ara-moraly fototra toy ny fanajana ny aina, ny fahatsampan-tena, ny fandraisan'andraikitra, ny fitokisana, ny rariny, ny marina izany modely izany. Na dia manome lanja ny soatoavina toy ny hoe fampandrosoana ara-tsiansa, fandrosoana mirindra sy mitodika amin'ny maha-olona, ary ny tontolo iainana sahaza aza ny governemanta foibe, dia tena ny mifanohitra tanteraka amin'ireo soatoavina voalaza etsy ambony ireo ny zavatra iainantsika ara-toekarena sy sosialy. Ho an'ny governemanta sy ny vondron'orinasa eo an-toerana, ireto no hitantsika: alikaola, menaka fahandro sy vovo-dronono misy poizina; loza any amin'ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy ara-indostria; loto manimba ny tontolo iainana; herisetra; olana tsenan'ny fananan-tany; hantsana goavana eo amin'ny mpanana sy ny sahirana, ny fibahanan'ny finoanoam-poana eo amin'ny fiarahamonina… Mbola mamerina manangana ny soatoavintsika foana isika amin'izao fotoana izao izay raha tsy misy azy dia tsy ho tratra ny  “Modely Sinoa”. Raha misisika isika milaza fa efa voavaotrantsika ny “Modely Sinoa” inona ary no tena fiantraikan'izany modely izany amin'ny sarambabem-bahoaka ? Modely natao fotsiny ho an'ny ambaratongan'ny manampahaizana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.