Iran: Miresaka ireo antontan-taratasin'ny Wikileaks ny mpitoraka bilaogy

Ireo antontan-taratasy momba ny Cablegate an'i Wikleaks dia nampiseho ireo fifamatorana maizina eo amin'i Iran sy Afghanistan; vaovao anatiny mikasika ny fitondrana Iraniana sy ny mpanohitra; ary ny tahotry ny tontolo Arabo manoloana ny politika noklearin'i Iran. Naneho hevitra mikasika ireny ampamoaka ireny ireo Iraniana mpitoraka bilaogy, indraindray miaraka amina hadrohadro, indraindray amin'ny fandrehetana asam-panoherana miafina any an-tsaina any, ary indraindray tena am-pahamatorana tanteraka.

Natour Shahr milaza fa ireo antontan-taratasin'i Wikileaks dia miresaka ny aretin'ny filoha faratampon'i Iran, Ali Khamenei sy ny eritreritry ny filoha teo aloha Ali Akbar Rafsanjani hisolo toerana azy. Milaza ihany koa izy ireo mikasika ny disadisa eo amin'ireo lohandohan'ny mpisorona Iraniana, izay mampiseho fa tsy marin-toerana araka izay lazainy akory ny fitondrana. Raha ny voalazan'ilay mpitoraka bilaogy [fa]:

Maneho ireo antontan-taratasin'ny Wikileaks fa maherin'ny 80 isan-jaton'ny vahoaka no nifidy an'i Karroubi sy Mousavi. Manaporofo io fa tsy misy dikany mihitsy ny ezaka fakàna ny fom-bahoaka ataon'ny governemanta… Mampiseho koa ireo antontan-taratasy ireo fa aorian'ilay endrika mitsikin'ny Arabo dia misy nify miafina, ary tena marefo ny fifandraisan'i Iran amin-dry zareo.

Iran Vatanam mitsonga fa ny masoivoho Aotrisiana ao Teheran dia nampitovy an-dramatoa Minisitry ny Fahasalaman'ny Repoblika Islamika ho  “saribakoly tsy matoky tena”.

Gameron manoratra miaraka amina hadrohadro fa ny iray amin'ireo antontan-taratasin'ny Wikileaks dia mampiseho in-telo miantoana ny nanakanan'i Etazonia ny fiverenan'ilay ”Imam miafina” [Mahdi, ilay Imam farany amin'ireo Imams Roambinifolo ao amin'ny silamo shiite].

Said Saman manoratra fa  Julian Assange sy ny  Wikileaks-ny “tsy miankina” dia mandeha mianady miaraka amina sabatra vita amin'ny hazo hifanandrina amina dragona vita amin'ny plastika. Misalasala ny amin'ny fahamatoran'i Assange ilay mpitoraka bilaogy ka manoratra hoe [fa]:

Ho ana ampamoaka faran'izay kely, ny sampana miafina (secret service) dia namono sy nanapa-doha olona tany Washington, London, Berlin sy nanerana izao tontolo izao. Fa iza ity Assange ity no manana fepetra fiarovana tahaka izany?… Nampiaka-peo ny Maison Blanche sy ny Pentagone, saingy tsy afaka akory na dia ny hisambotra ny loharanon'ireny ampamoaka ireny aza…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.