FOKO: Fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalam-panorenana sy fanonganam-panjakana tsy nahomby

Mandalo fotoana mikorontana i Madagasikara. Tao aorian'ny 20 volana niovan'ny fitondrana,  dia noheverin amin'izay ny fiverenana amin'ny rafitra araka ny Lalampanorenana. Notontosaina tamin'ny 17 novambra teo ny referendum izay nifandirana tokoa momba ny Lalampanorenana vaovao. Feno tsy fanarahan-dalàna sy saron'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby moa ilay fifidianana.

Mpitoraka bilaogy vitsivitsy mpikambana ao amin'ny Rising Voices avy amin'ny FOKO Madagasikara  no nanohy nizara vaovao araka izay nitranga sady nilaza ny heviny.

Nandritra ny Referendum. Sary: Jentilisa

I Andry dia nanoratra momba ny rotaka tao Antananarivo mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka izay tsy nandraisan'ny mpanohitra anjara:

Nitombo ny fifandonana amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanohana ny ankolafy telo (Ravalomanana – Ratsiraka – Zafy) omaly.

Andro vitsivitsy lasa izay dia nanao taratasy fangatahana tamin'ny fiadidiana ny tanàna sy tamin'ny prefektioran'ny polisy ny ankolafy telo hampiasa ny kianjan'ny MALACAM ao Antanimena. [..]

Nanapa-kevitra ny Praiminisitra Jeneraly Camille Vital, tao aorian'ny fivoriana niaraka tamin'ny Manamboninahitra ambony ao anatin'ny Etamazaoro fa taorian'ny fanapahan-kevitry ny fiadidiana ny tanàna dia raràna avokoa ny hetsika politika an-dalam-be rehetra.

Fiara Mazda nitondra ankizy Karana norobaina sy nodorana. Sary avy amin'i Dadandry

Namotika fiara ary nanafika fivarotana ana-vahiny ny mpanao fihetsiketsehana.

“Tsy ho ekeko na oviana na oviana izao fisaim-boto sy tsy manampahaizana mandroba sy manimba fananambahoaka izao,” hoy ny nampahatsiahivin'i Andry.

I Ariniaina dia nanao fanadihadiana an-tserasera ary nizara ny valiny:

Ny fanontaniana voalohany dia: Andeha hifidy ve ianao?

Ny 25.8% no niteny hoe ENY; ny 64.5% niteny hoe TSIA ary ny 9.7% nilaza fa mbola tsy fantany tamin'ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana.

Nanamarika i Harinjaka fa  manakaiky ny 80% ny olom-pirenena eto Madagasikara dia tsy te-hanatontosa ny adidiny ara-politika ary dia nametra-panontaniana hoe:

“Raha toa ka latsaka ny 50 isan-jato ny tahan'ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana, hanaiky ve ny fikambanana iraisam-pirenena fa firenena Demokratika i Madagasikara?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.