Fiji: Inona no tian'ny fanjakana atao amin'ny Rano FIJI?

Any Fidji, manotany tena ireo mpitoraka bilaogy sy mpiserasera ny amin'ny antony nandroahana nody any Etazonia an'ilay talen'ny orinasa any an-toerana izay mpanondrana ilay rano malaza FIJI.

Mpitondra teny iray ao amin'ny governemanta nanamarina fa ny talen'ny fandraharahana amin'ny any ivelany an'ny orinasa, David Roth, no lasa any Los Angeles tamin'ny harivan'ny 18 novambra (ora any Fidji), kanefa tsy nilaza izay antony nandehanany. Ny praiministra any Fidji, Frank Bainimarama, any Chine ary tsy ho tonga raha tsy amin'ny herinandro ambony. Nilaza ity mpitondra teny ity fa hilaza ny heviny ny praiministra rehefa tafaverina.

Sary avy amin'ny Flickr an'i Magpie372

Roa andro talohan'ny nandehanan'i David Roth, ny minisitry ny fiarovana sy ny fifindramonina, Ratu Epeli Ganilau, no nametra-pialana, ary nitaky ny fanazavana amin'ity raharaha David Roth ity. Mandeha be ny resaka any Fidji fa niala i Ratu Ganilau, namana akaiky an'i David Roth sy ny fianakaviany, satria tsy nanaiky nanao sonia ny fandroahana azy ireo.

Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao i Ratu Ganilau fa niala an-tsitrapo izy ary tsy miombon-kevitra amin'ny fanjakana mikasika ny momba an'i David Roth. Kanefa tsy nila ankoatra izay izy.

Nanomboka natao tao anaty tavoahangy ny rano FIJI tamin'ny taona 1996 tany amin'ny lemak'i Yaqara any avaratr'i Viti Levu, nosy lehibe indrindra sady be mponina indrindra any Fidji. Herintaona taty aoriana, naondrana tany Etazonia ny rano (marika faharoa be mpividy indrindra any Etazonia aorian'ny Evian). Ankehitriny, efa manana ny mpankafy azy ny FIJI, ary afa-po, satria efa hita any amin'ny firenena 40 hafa koa ity rano ity. Araka ny tarehimarika navoakan'ny orinasa, ny rano Fiji dia mampiditra 20% amin'ny vola azo avy amin'ny fanondranana entana any an-toerana ary mampiasa olona 350.

Gazety aostraliana iray no manombatombana fa angamba noroahan'ny miaramila i David Roth hahafahan'izy ireo mampiditra olona teratany hitondra ny orinasa, na koa angamba handray ny fitantanana ny loharano hampiasain'ny orinasa.

Hatreto aloha, mbola tsy fantatra marina ny tena nandroahana an'i David Roth. Tsy fantatra toy izany koa izay mety hataon'ny fanjakana. TheMax, mpaneho hevitra ao amin'ny bilaogy Coup 4.5nilaza tamin'ny rehetra ny tsy tokony hikorontanana.

Inona no mampanahy? Ohatry ny hoe mikatona ireny ery ny famokarana ny rano FIJI.

Manana ny antony ny fanjakana, matoa niala taty Fidji i David Roth. Mety ho olana eo amin'ny fahazoan-dalana hiasa izany, na koa olana goavana mahakasika ny fiarovam-pirenena. Aleo handrasana izay hiverenan'ny mpraiministra avy any Chine hanazava izany rehetra izany.

Angamba mety hoe naleon'i Epeli Ganilau nanome lanja kokoa ny maha mpinamana azy amin'ny fianakavian'i Roth noho ny fiarovana ny fireneny.

Mpiasa ihany i David Roth ao amin'ny Rano Fiji, orinasa an'ilay mpanefoefo amerikana Stewart sy Lynda Resnicks. Noho izany, ho anareo rehetra ireo, milamìna ianareo ary ataovy ny asanareo.

Raha tena noroahina i David Roth, hoy Alohabula1 manoratra ao amin'ny Fiji Board Exiles, dia nanao fahadisoana goavana ny fanjakana manoloana ny lafiny fifandraisana.

Fantantsika rehetra fa ny Rano FIJI no nahafantarana ny firenentsika maneran-tany raha tsy mbola nisy zavatra hafa naondrana tany ivelany. Eo amin'ny sehatry ny fivarotana, efa fahombiazana goavana izany. Fa ny lafiny hafa indray : ratsy be ny fahitana fa noroahana ny talen'ny orinasa noho ny antony mbola tsy fantatra mazava. Tsy hanome endrika tsara ilay sary rian-drano mahafinaritra sy voanio ary voninkazo izany, fa hanome endrika tsy filaminana, fivadihana, ary fangejana ny fananan'ny mpampiasa vola nohajaina fatratra. Raha tsy manao zavatra hanonerana an'izay haingana i Fidji, dia hisy vokany maromaro izany ato anatin'ny fotoana fohy.
1. Iza intsony no hividy ny Rano Fiji raha nahodina tsy ara-dalàna ny volan'ny mpampiasa vola?
2. Araka ny hevitry ny mpaneho hevitra dia hampandositra ny mpampiasa vola mandritra ny 20 taona ho avy izany.
3. Inona no endrika ho hitan'izao tontolo izao amin'i Fidji?
4. Ny Rano Fiji no nanao zavatra lehibe teo amin'ny lafiny fifandraisantsika sy ny asa teo amin'ny fiaraha-monina nahafahantsika nanana endrika tsara teo imason'izao tontolo izao dia izao ve no fisaorana azy?
5. Maka hetra amin'ny rano Fiji ny fanjakana, tsy fotoana tokony hijereny ve izao fa hihena izany vola miditra aminy izany?

Roa taona izay, nanandrana nampiakatra ny hetra tokony haloan'ny rano Fiji hatramin'ny 20 centimes isaky ny tavoahangy ny fanjakana, kanefa tsy nekena indray izany taorian'ny ady mangotraka. Tamin'izany fotoana izany, nolazaina fa raha teren'ny fanjakana handoa izany vola izany ny orinasa dia hajanona ny famokarana.

Mera Fiji Mahan, maneho hevitra ao amin'ny Fiji Democracy Now Blog fa tokony hanome betsaka ho an'ny tany mampiantrano azy ny mpampiasa vola vahiny.

Tiako ny mampahatsiahy ny olona eto Fidji fa (ilay ministra taloha)  Mr. Mahendra Pal Chaudhary no nitana ny heviny nanoloana ny fampiakarana ny hetra tokony haloan'ny rano Fiji. Hitantsika anefa ny zavatra nahazo azy fa tantara be; tsy holazaiko eto intsony. Lava tànana be ny tompon'andraikitra tao amin'ny Rano Fiji ka ny olona tahaka an'i  Ratu Epeli, tsy nivadika tamin'ny fanjakany tahaka an'i  M.P Chaudhary, no novonoin'ny mpamadika. Tokony handoa ny hetra tokony haloany ny Rano Fiji fa tsy finaritra hitsentsitra fotsiny ny fanomezana omen'i Fidji azy (izay tsy inona fa ny rano madio mangarangarana). Tokony hifoha amin'izay ny tompon'ny tany ary hanomboka hanao fifampiraharahana amin'ny orinasa vahiny, ary hamboly eny akaikin'ny orinasa mamokatra ny Rano Fiji.

Mpaneho hevitra iray tsy mitonona anarana ao amin'ny Fiji: The Way it Was, IS and Can Be miombon-kevitra amin'ny hoe ataon'ny orinasa amin'izay tiany hanaovana azy ny fanjakana.

Ny marina dia nataony tsara izay hanatanterahany ny politikany tsy hanembatsembanana ny “tsy fandoavana hetra” (na ny mifanakaiky amin'izay).

Trohany ny ranontsika, milaza ho orinasa maintso izy kanefa fenoiny tavoahangy plastika ny tanàna, vidiany ny olom-panjakana… ankehitriny, tsy voavidiny intsony ny fanjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.