Broney: Fikasana hamono tena miteraka resabe amin'ny aterineto

Niteraka resabe tamin'ny aterineto, indrindra tamin'ny Twitter sy Facebook ny tantaran'ny vehivavy 21 taona iray saika namono tena avy eny amin'ny tranom-panjakàna tany Bandar Seri Begawan, Brunei tamin'ny voalohandohan'ity volana ity. Nitatitra ny gazety iray any an-toerana, Borneo Bulletin, ny fomba nitateran'ireo mpampiasa aterineto Brunei “isa-minitra ny fandehan-draharaha sy ny famonjena azy, mivantana avy amin'ireo tambajotra sosialy.”

Scarysoul-quest dia nitatitra ny momba ilay saika famonoan-tena sy ny akon'izany tamin'ny fifamoivoizana tany amin'ny manodidina. Ny adihevitra tamin'ny aterineto dia nifantoka tamin'ny hoe tokony hahatsikaiky ve ny tantara momba ny famonoan-tena sa tokony hodinihana am-pahamatorana. Gaga i Haji Khairil Anwar fa misy any Brunei koa ny raharaha famonoan-tena

Mahagaga fa tovovavy ny “mpanatontosoa” ..Niakatra tsy an-kisalasalàna teny an-tampon'ny tranon'ny Ministeran'ny Kolotsaina sy ny Tanora ary ny Fanatanjahantena izy…. Tazana tsara avy amin'ny sisin'ny arabe izany.. Maro ireo mpandeha sy fiara nody avy niasa no tafahitsoka tamin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana..”

Manamarika i nfzbrokenrainbow fa maro ireo mpampiasa aterineto no mampiseho tsy firaharahiana, amin'ny fanaovana hanihany amin'iny saika famonoan-tena iny

Hanesoeso anao ry zareo na dia heveriko aza fa tsy tokony horaisina ho hanihany izao raharaha izao. Vao nitranga vao haingana izany, rehefa saika hamono tena ny vehivavy iray. Maninona raha mba ampiasaina kely ny sainao e? Andramo eritreretina hoe olona akaiky anao izy. Ohatra hoe rahavavinao. Hipetra-potsiny ve ianao sady hikitikitika ny findainao hamalifaly ny rehetra ao amin'ny Twitter sy Facebook amin'ireo hanihaninao kidaladala ? Ho romotra ve ianao rehefa misy olona milaza zavatra tsy rariny momba izany tranga izany?”

Nampahatsaihy ireo mpamakiny i Teeaah fa tsy mampihomehy mihitsy ny famonoan-tena. Mitantara momba ny namany iray izay efa saika namono tena izy.

“Ny tena hitako mahasosotra amin'ireto olona ao amin'ny Twitter dia ry zareo mananihany azy. Izany angamba no fihetsika tsy misy fahatrsaràm-panahy indrindra hitako rehefa miresaka momba ny famonoan-tena. Tsy tokony hananihany olona voatery nandalo izany ianao na dia mahatsikaiky tahaka ny inona aza ny antony nanaovany izany. Ampio izy. Endrika fanaovana tsinontsinona ny hanihany. Arakaraka ny hisian'ny fanaovana tsinontsinona azy no vao maika mety hamonoany tena indray andro any.”

Naneho ny heviny momba ny “étiquette”-n'ny haino aman-jery tao amin'ny lahatsorany: Ny Laza ambonin'ny Fangorahana.

“Tsy mahafinaritra mihitsy ny manangona sarina famonoan-tena dia mampiakatra izany amin'ny Facebook satria mahaliana loatra, ary mbola zava-dehibe aminao ny fahazoana fampandrenesana avy amin'ny Facebook toa izay ny fangorahana sy ny alahelo ny olombelona.” ….Raha ny rahavavinao no …nitsambikina avy teny ambony trano…, tsy ho tianao hahazo ireny sary sy vaovao ireny angamba ny olona. Tsy ho tianao hiparitaka amin'ny Facebook izany. Amin'izany no tena tsy misy dikany ireo fampandrenesan'i Facebook, ary mandrotika ny foko fa tsy maintsy niandry trangan'ny olona iray manokana eo amin'ireo Broneiana izay vao nipoitra ny fangorahana.

Miombon-kevitra amin'i Teeaah i meinthedeep

“Manamafy izany aho. Tsy kivazivazy velively ny resaka famonoan-tena na inona na inona anton'izany. Mandalo sedra izay tsy misy mahalala afa-tsy ny tenany ihany ireny olona ireny.”

Soulkonekshen, ho valin'ny lahatsoratr'i Teeaah, dia nanampy fa

“Ny olona sasany tsy mahalala hoe hatraiza ny fitiavana azy ireo satria isika fiaraha-monina tsy maneho fihetseham-po raha tsy efa tena ilaina izany. Tsy maintsy mandalo fahakiviana ny tsirairay na ahoana na ahoana. Ny sasany mahazaka ihany, ny sasany kosa mijaly. Mety hoe tokony hiteny amin'izay amin'ireo olona lalaintsika fa be fitahiana isika manana ireo olona maro mahafinaritra ireo eo anilantsika. Aza mieritreritra mihitsy hoe efa am-pelatanana ireny. Aza mieritreritra mihitsy hoe efa am-pelatanana ny fiainana.”

Ao amin'ny vohikalany posterous, miala tsiny i Soulkoneshen noho ny nanoratany ny endrika mahatsikaiky amin'ny fitadiavana famonoan-tena

Araka ny noeritreretiko dia nahatezitra olona ny nitadiavako ny endrika mampihomehy amin'ny fanaovana famonoan-tena amin'izao fotoana izao, ary tena manenina aho. Manantena aho fa hoekenareo ny fialan-tsiniko ary hotazoniko ho ahy irery izany amin'ny manaraka. Olombelona ihany isika ary ny olombelona manao fahadisoana.”

Lilyseven koa dia naneho ny heviny momba ireo hanihany nataon'ireo mpampiasa aterineto sasany momba ny famonoan-tena

“Tsy sangisangy ny famonoan-tena rey olona. Tsy fantatrao mihitsy izay sedrain'ireny hafa ka mahatonga azy hieritreritra hamono tena. Mampihorin-koditra izany, mahakivy ary mahatsapa ianao fa tsy misy fanantenana intsony ny amin'ny olombelona indrindra fa ny aminao.”

Azo antoka fa tsy fahita firy ny tranga toa izao any amin'ny firenena kely tahaka an'i Brunei nefa nahazoan'ny tsirairay nisintona lesona izany. Indrindra ho an'ireo mpampiasa aterineto, dia ny tokony hieritreretana mialohan'ny mamoaka hevitra amina resaka saro-pady toy ny famonoan-tena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.