Ejipta: Mponin'ny aterineto hiatrika Fitsara-miaramila noho ny fanangànana pejy Facebook

Fanindroany indray izao ao Ejipta no hisy mpampiasa aterineto hiatrika fitsara-miaramila. Ahmed Hassan Basiouny dia hiatrika fitsara-miaramila amin'ity volana ity, raharaha mitondra ny laharana 4405/2010, taorian'ny fanamelohan'ny mpampanoa lalàna miaramila azy ho:

Famoahana tsiambaratelom-piarovana  tamin'ny alàlan'ny aterineto, ary fanapariaham-baovao sy zavatra manokana mikasika ny Tafika Mitam-piadina ao Ejipta tamin'ny alàlan'ny fananganana tranonkala iray mitondra ny anarana hoe Ny kifonofono sy ny Fitantanana ny Faandraisana ao Ejipta ary ny famaliana ny fanontanian'ny tanora  mameno ny  taratasy firotsahana

Dikasarin'ny fàfana avy amin'ilay pey Facebook

Ny mpampanoa lalàna miaramila dia nangataka ny hamaizana an'i  Basiouny araka ny andininy 80 1/2 sy 85/3 ao amin'ny fepetra famaizanao sy ny andininy 5/B amin'ny lalàna Miaramila.

Basiouny dia nanangana pejy Facebook iray tany amin'ny faramparan'ny taona 2009 tany ho fanampiana sy ho toro-làlana momba ny firotsahana ho miaramila.

Ny Foibe Hisham Mubarak momba ny Lalàna, vondrona mpiaro ny zo ao an-toerana, dia manainga [Ar] ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona mba hametraka fiarovana araka ny lalàna hiarovana an'i Basiouny mialohan'ny fitsarana miaramila.

Tena ilaina ny manamarika fa ny fiatrehana fitsarana miaramila voalohany nahazo ny mpampiasa aterineto dia tany amin'ny voalohandon'ity taona ity rehefa nisy Ejiptiana iray mpitoraka biolaogy nalefa tany amin'ny fitsarana miaramila noho ny resaka lahatsoratra am-bilaogy iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.