Manàkana tranonkala 256,110 i Thailandy amin'izao fotoana

Ny Mpifikitra amin'ny nentim-paharazana, ny Mpitarika ny fanapariaham-baovao mpomba ny Fitondram-panjaka dia samy voalohany avokoa namoaka ny fanambaràn'ny governemanta momba ny sivana mihatra amin'ny aterneto nanomboka tamin'ny Jolay.

Sempotry ny fanasana atidoha avy amin'ny Mpitarika,  fantatsika fa ny komandy vaovao ao amin'ny afika dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) tamin'ny minisitry ny TIC (Teknolojia Vaovaon'ny Fifandraisana) sy ny minisitry ny Fitsaràna ary ny kolontsaina. Tranonkala vaovao miisa 43.000 no voafaritry ny MOU fa tsy maintsy sakànana tsy misy hatak'andro ary 3.000 mihantona noho ny faniratsirana mpanjaka.

Ireo haino amanjery ofisialy Thailandey dia nitatitra hatramin'ny nivoahan'ilay Didy noho ny Hamehana tamin'ny 7 Aprily fa efa mitontaly 210.110 ny tranonkala voabàhana.

Tsy mbola ao anaty drafitry ny governemanta Thailandey mihitsy ny hanàla ny fepetra noho ny hamehana, saingy toa maika ny hanàkana ry zareo raha ny fahitàna azy raha vao miverina ho ‘toy ny mahazatra’ ny toe-draharaha ka hangataka taratasy indray mandeha indray amin'ny fitsarana mba hanakànana araka ny Didy tamin'ny 2007 momba ny Heloka Bevava atao amin'ny alalan'ny Solosaina.

Raha ny fanambaràna an-gazety ataon'ny governemanta fotsiny no ianteherana hatreto, dia efa nanàkana tranonkala miisa 256.110 i Thailandy amin'izao fotoana.

Conservateur, royaliste Manager réseau de médias a publié l'annonce du premier gouvernement de la censure d'Internet en outre depuis Juillet

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.