Costa Rica: Ady sisintany amin'i Nikaragoa

Raha asa fanadiovana tsotra sy fanalàna tsentsina tamin'ny reniranon'i San Juan River no niantombohany, sisintany voajanahary eo anelanelan'i Costa Rica sy Nikaragoa, dia nivadika kosa ho fifanolànana ara-diplaomatika sy ara-tafika.

Ny Renirano San Juan. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, Guillermo A. Durán, nampiasaàna ny Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic Creative Commons license

Nanapa-kevitra ny hanomboka ny fanalàna tsetsina tao amin'ny renirano San Juan ny governemanta ao Nikaragoa, mba hanamoràna ny fifamoivoizan'ireo sambo vaventy kokoa. Tsy dia olana izay, satria azy ireo ny renirano. Saingy andro vitsy taorian'ny nanombohan'ny asa teo amin'ilay renirano, nahatsikaritra ny governemanta tao Costa Rica fa ireo fako nalàna avy tao amin'ny renirano dia nafatratra tany amin'ny anjara tanin'i Costa Rica. Taorian'ny fitarainan'i Costa Rica momba io olana io, dia nilaza i Nikaragoa, fa hadisoana tokoa izay rehetra nitranga ary tsy hitranga intsony ny toy izany, saingy mbola ny fiandohan'ny olana fotsiny izay.

Tamin'ny 1 Novambra, ny gazety an-tsoratra La Nación [es] avy ao Costa Rica dia nitatitra hoe: “nanamafy ny governemanta fa misy ny fidiran'ny tafika Nikaragoaiana ao amin'ny faritry ny firenena,”

El Gobierno confirmó esta tarde la incursión de tropas del Ejército de Nicaragua en territorio costarricense, específicamente en la Isla Calero, ubicada en la zona fronteriza, en la desembocadura de los ríos San Juan y Colorado.

“Esto es una lesión a la soberanía nacional, no se puede interpretar de otra manera,” [Ministro de Seguridad José María Tijerino.]

Ny governemanta io tolakandro io dia nanamafy fa misy fitsofohan'ny andian-tafika Nikaragoaiana amin'ny faritry ny tanin'i Costa Rica, indrindra fa ao amin'ny Nosy Calero, any amin'ny sisintany amin'ny vavaranon'i San Juan sy ireo reniranon'i Colorado.

“Fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena izao, tsy misy zavatra hafa azo ilazàna azy ankoatra izay,” [Minisitry ny Filaminana José María Tijerino.]

Vokany, nampiantso ny filankevitra maharitry ny Organization of American States (OAS) na ny Fiombonamben'ireo Tany Amerikana i Costa Rica, hampisehoany ny porofo miaraka amin'ny sary, video sy fijoroana vavolombelona avy amin'ireo mpifanolo-bodirindrina any amin'ny faritra. Nanambàra ny  Minisitra Tijerino  [es] fa,

“Costa Rica, que no tiene ejercito, confía en los canales diplomáticos para evitar una confrontación que solo agravaría la situación.”
“Costa Rica, izay tsy manana tafika, dia miantehitra amin'ny fifampiraharahana ara-diplaomatika mba hisorohana ny fifandonana izay tsy hitondra afa-tsy ho  amin'ny faharatsian'ny toe-draharaha.”

Mihoatra lavitra ny resaka ady sisintany ny olana, satria mety hitarika hatrany amin'ny fitomboan'ny olana sedrain'ireo mpifindra monina. Misy eo amin'ny 600,000 eo ny Nikaragoaiana any Costa Rica, tsy manana antontan-taratasy ara-dalàna ny ankamaroany,  ary tsy takona afenina ny olan'ny fankahalàna vahiny, zavatra iray vao mainka mety hohenjanin'ny ady sisintany.

Manoratra i Dean Cornito ao amin'ny  La Suiza Centroamericana [es],
Cualquier otro país latinoamericano que hubiera sufrido la violación de su territorio, ya estaría en estado de guerra con su vecino. Y eso exactamente es lo que quiere Daniel Ortega, que siempre que tiene un problema interno, busca como desviar la atención del público creando un conflicto externo artificial.
Na iza na iza firenena tao Amerika Latina nijaly noho ny fanitsakitsahan'ny hafa ny faritry ny taniny, dia efa nifanandrina tamin'ny mpifanolo-bodirindrina taminy. Ary izay indrindra no tadiavin'i Daniel Ortega [filohan'i Nikaragoa], izay misedra olana  anatiny matetika, ary mitady tetika hanariana dia ny sain'ny vahoaka amin'ny famoronana sarintsarin'olana ivelany.

Raha araka ireo fanamarihana tany anaty bilaogy samihafa  tany, nandray ny zava-mitranga ho toy ny efa mahazatra ry zareo avy any Costa Rica, izay ilazàny fa isaky ny miditra vanim-potoanan'ny fifidianana i Nikaragoa dia mitady hatrany ny fomba hamiliviliana ny saim-bahoaka hijery zavatra hafa mba tsy hibahan-toerana be loatra ny olan-dry zareo ao anatiny ka tsy ho very vato ny governemanta efa mitondra eo. Manoratra momba io i El infierno en Costa Rica [es],

Una de las tradiciones más arraigadas en la cultura política nicaragüense en las últimas décadas, es que cuando se acercan las elecciones, se debe provocar un diferendo con Costa Rica, preferiblemente por el Río San Juan; lo anterior con la finalidad de limpiar la imagen del gobernante de turno, llena de corrupción, incapacidad para solucionar los problemas, entre otros [..]

Iray amin'ny fomba mahazatra lalim-paka amin'ny fanaovana politika any Nikaragoa tato anatin'ny taompolo farany ny hoe rehefa manakaiky ny fifidianana dia manàngana ady amin'i Costa Rica ry zareo, ary raha mbola azo isafidianana dia ny mikasika ny reniranon'i San Juan, ary izany dia mba hanadiovana ny sarin'ireo eo amin'ny fitondràna, rakotry ny kolikoly, tsy mahavita mamàha olana, sns. [..]


Ny fomba fijerin'ny mpitoraka bilaogy maro dia hoe fotoana izao handinihana tsara sy handraisana fanapahan-kevitra araka ny tokony ho izy
, mba tsy hisy amin'ny firenena roa tonta hahatsiaro ho voa mafy, amin'ny maha mpifanolo-bodirindrina, tena zava-dehibe ny fiaraha-miasa. Mpifanakalo ara-barotra i Costa Rica sy Nikaragoa ary ireny olana ireny dia miantraika amin'ny fanafàrana  entana avy amin'ny andaniny sy ny ankilany; loharanon'asa maro no mety ho voatohintohina.

Mihevitra i Julio Córdoba avy ao amin'ny Ciencia Ficción con Julio Córdoba [es] fa,

Como representante de nuestro país el ministro debe promover como valor superior la paz y el Derecho como única herramienta para resolver el conflicto y dejar a otros la promoción de la guerra, valor que no forma parte del sentir costarricense.
Amin'ny maha solontenan'ny firenentsika azy, ny minisitra dia tokony hanàndratra ny fandriampahalemana ho toy ny soatoavina ambony indrindra ary ny lalàna ho hany fitaovana hamahàna ny fifandirana, ka hamela ny resaka ady ho an'ny hafa, soatoavina izay tsy mànana ny toerany nihitsy eo amin'ny toetran'ireo avy any Costa Rica.

Ny fahatsapan'ny maro ao Costa Rica, izay hany firenena tsy manana tafika ao amin'ny Tanibe hatramin'ny taona 1948 dia mazava: Tsy asiana resaka mihitsy izay hifandramatra ara-tafika amin'i Nikaragoa, satria tsy hànana ny fitaovana hiatrehana an-dry zareo amin'izany i Costa Rica. Milaza i H3dicho [es] hoe:

Los gobernantes Nicas son los más trogloditas de la región, y con tal de desviar la atención de sus problemas internos, no les importa poner en riesgo vidas de costarricenses y nicaragüenses. […]

Dichosamente nunca es tarde, y ante una nueva incursión del ejercito nicaragüense a nuestra frontera, nuestro gobierno solicita la intervención de la OEA, como país de paz que somos. […]

A las autoridades nicas las debemos enfrentar con firmeza real, sin dar un paso atrás, pero con diplomacia, nunca con las armas contra un país hermano.

Moa fa tsy ireny olona miaina anaty lavabato any amin'ny faritra ireny ny manampahefana ao Nikaragoa, ary mba hahafahana mamily ny saina tsy hijery ny olana anatin-dry zareo, tsy mampaninona azy ireo izay ain'ny teratany any Costa Rica sy Nikaragoa izany. […]

Soa ihany, tsy mbola tara velively izao, ary manoloana ny fidiran'ny andian-tafika avy any Nikaragoa indray aty amin'ny faritry ny sisintanintsika, nangataka ny firotsahan'ny OAS ny governemantantsika, amin'ny maha firenena mpandàla fitoniana antsika. […]

Mila miatrika ny manampahefana avy ao Nikaragoa amin'ny tena herintsika isika, ary tsy asiana fihemorana na indray mandingana aza, nefa amin'ny fomba diplaomatika, tsy amin'ny fampiasàna fitaovam-piadiana velively hamelezana firenena rahalahy.

Mba hisorohana ny mety hisian'ny fiantraikan'ity raharaha ity amin'ny resaka fifandraisana ara-barotra amin'ny andaniny sy ny ankilany, no sady ho fiarovana ireo Nikaragoaiana monina any Costa Rica, dia nitodika any amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena ny manampahefana mba hamahàna ity olana ity amin'ny fomba mendrika. Dean Cornito ao amin'ny La Suiza Centroamericana [es] dia mamoitra fa:

Con todo y todo, es mejor tolerar una violación de nuestra soberanía por algunas semanas hasta que el sistema interamericano de defensa mutua se mueva a favor de Costa Rica, que lanzarnos a una guerra sinsentido e innecesaria para nosotros. Nuestras autoridades tienen mucha razón al proceder con cautela.


Amin'ny ankapobeny, tsaratsara kokoa ny mandefitra ny fanaovana zinona ny fiandrianam-pirenentsika ao anatin'ny herinandro vitsy mandra-pisian'ny hetsika hatao ho an'i Costa Rica avy amin'ny rafitra iraisan'ireo firenena amerikana ho fifampiarovana, toy izay hirotsaka amina ady tsy misy dikany sy tsy ilaintsika akory. Marina ny an'ireo manampahefana eto amintsika amin'ny fandehanana am-pitandremana
.

Fanampim-baovao  11/6: Taorian'ny nanoratana ity lahatsoratra ity tamin'ny teny Espaniola, dia nitantara ny AFP sy loharano hafa koa fa nisy olon'i Nicaragua nitanisa ny “Sarintany nalaina tamin'ny Google miresaka ny sisintany, tao anatin'ny resadresaka fohy nifanaovana tamin'ny gazety La Nacion ao Costa Rica, mba hanamarinany ny fidiran'ny tafika any amin'ilay sisintany mampifanolana. Ny Global Voices dia namoaka ity lahatsoratra fohy fanavaozam-baovao ity momba io resaka io.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.