Zeorzia: Fandinihana momba ny Fampianarana sy Fianarana

Mampianatra sy Mianatra miaraka amin'i Georgie Georgia (TLG) dia tetik'asa iray novolavolain'ny Minisiteran'ny Fampianarana sy ny Siansa any Zeorzia (MES) hikendrena manokana ireo olona tompon'ny teny miisa 1000 mahay miteny anglisy ka te hampianatra any amin'ny sekoly any an-toerana mandritra ny taom-pianarana 2010-2011. Ny andiany voalohany amin'ireo mpampianatra ireo no tonga tany an-toerana tamin'ny volana jolay ary manantena ny fanjakana fa hanomboka ny asany avokoa izy rehetra mialoha ny faran'ny 2010.

Manantena ny ministeran'ny fampianarana fa tsy mampianatra ihany no afaka hanatsarana ny zava-misy amin'ny alalan'ny fahaizana teny anglisy manerana ny firenena, ankoatra ny teny rosiana, fa ny hahafantatra bebe kokoa an'i Georgie izy ireo ka hanaparitaka izany amin'ny alalan'ny fizarana tantara samy hafa amin'ny fianakaviany sy ny namany. Efa nanokatra bilaogy ho azy manokana ny sasany amin'izy ireo, ohatra, ary manoratra mikasika ny zavatra rehetra momba ny mpianatra, manomboka amin'ny fahalalana hatramin'ny lakozia.

Anankiray amin'ireny, ny bilaogin'i drew, milaza fa ankoatra ny mpianatra dia maro amin'ireo mponina mipetraka ao amin'ny tanàna lehibe indrindra any an-toerana, Kutaisi, no maniry hianatra teny anglisy.

Nampiako ny ora fampianarako ivelan'ny sekoly. Nahazo namana aho ao amin'ny toeram-pivarotana ao an-tanàna ary tena matotra tsara amin'ny fianarana ny teny anglisy ry zareo. Mety hamorona sampana aho raha tsy sahirana amin'ny tetikasa hafa hataoko. Iray amin'ireny tetikasa ireny ny boky fianarana momba ny teny an'i Tinico (namako akaiky) izay izy ihany no manoratra azy. Iriny aho hanampy azy hamita ny asany ary izaho mihitsy no ho mpamokatra ilay boky. Tena voninahitra ho ahy izany.  […]

Tsy voatery hitovy amin'i Drew daholo anefa ny mpampianatra rehetra ka mipetraka any amin'ny tanàna lehibe toa an'i Kutaisi na Tbilisi renivohitra, fa ny sasany nalefa any amin'ny toerana mbola tsy dia mivelatra loatra. Paul Knettle, ohatra, tonga tany Georgie tamin'ny volana aogositra ary mampianatra any Zeda Etseri, tanàna akaikin'i Zugdidi any atsinanana.  Manoratra ao amin'ny Floating World, ohatra ilay Amerikana dia toa tafatoetra moramora ihany.

Faly be aho aty. Mahafinaritra be ny fianakaviana aty Georgie sady mahay mandray olona be! Afaka mifanerasera amin'ny mpampianatra teny anglisy hafa aty amin'ny faritra misy ahy aho (izay tafaraka tamiko tany Kutaisi tamin'ny herinandro lasa), ary niaraka nankany amin'ny Ranomasina Mainty izahay nankafy ny fodian'ny masoandro mahafinaritra sady nilomano! Nanao baolina kitra koa izahay (izahay vahiny amerikana) nifanandrina tamin'ny Zeorziana, lalao niady tokoa na dia teo aza ny hafanana nigaingaina nandoro: mafana loatra raha mitaha amin'ny mangatsiatsiaka any Texas!

http://paulknettel.wordpress.com/

Na izany aza, miresaka zavatra hafa koa ny mpampianatra TLG sasany. Anisan'izany i Neal Zupanic avy any Slovénie izay manoratra ao amin'ny bilaoginy, Georgia On My Mind, mikasika ny resaka fananahana izay mbola mitoetra ho fady any amin'ity firenena ity. Misy mpamaky 200 eo ny bilaogy ary miteraka resabe sy fanehoan-kevitra maro.

Mba tsy hahavery anay eo amin'ny fifaneraserana, dia mampahafantatra anay ny mpiasan'ny TLG mikasika ny fifandraisana. Meteti-pitranga ny toy izao: tokony hanana traikefa ara-nofo ny lehilahy alohan'ny hanambadiany kanefa ny vehivavy kosa tokony ho virjiny mialohan'ny fanambadiana. Mazava ho azy, tsy mitombina io satria nahoana moa no tokony hanana traikefa ny lehilahy kanefa ny vehivavy aza tsy mahazo manao izany? Noho izany dia tsy maintsy misy – na azontsika lazaina – fa misy izany vehivavy tsy manaja io fitsipika io. […]

Tsy dia fahita firy ny “mampiaraka” any Zeorzia. Fa ny mikôty no misy. Mifankahita ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, miaraka eny mandritra ny roa volana, avy eo mety ho toy izao ny tohiny, “manao izay tokony hatao” amin'izay ilay lehilahy na mijanona tsy mihaodihaody any aminy intsony. Raha jerena amin'izao dia manana “tompony” na lehilahy mpiambina azy daholo ny vehivavy tsirairay; ka ny asany dia manamarina fa ny lehilahy dia “manao ny tokony hataony” amin'ny vehivavy – raha atao amin'ny teny hafa, manolo-kevitra ny hanaovana mariazy ao anatin'ny fotoana mety, na mandao ilay vehivavy ho irery.

[…]

Farany, fanamarihana mikasika ny resaka fananahana any Zeorzia. Mbola resaka fady izany raha oharina amin'ny zava-misy any Amerika. Na dia miresaka momba ny fampiarahana fotsiny aza ianao any Zeorzia, amin'ny ankapobeny dia raisin-dry zareo ho toy ny manao resaka ampahibemaso fihaonana miaraka amin'ny fitiavana be misy eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy izany. Mahagaga ihany.

Mpilatsaka an-tsitrapo TLG. From http://tlg.gov.ge

Azo jerena ao amin'ny Dream is Destiny [GE]  ny sasany amin'ireo bilaogin'ny mpampianatra TLG, ary koa ao amin'ny The Young Georgians. Ary satria  nataon'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps ireny bilaogy ireny, dia mety hanolotra anao zavatra tokana mikasika ny fiainana any Zeorzia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.