Haiti: Horohorontany, Kôlera; Tomas koa?

Navarina sokajy i Tomas, izay narahin'ny faritra maso amin'ny maha tafiodrivotra tropikaly talohan'ny nivoarany ho rivodoza mahery sokajy faha-2 azy ka nandrava izay hitsin'ny diany tamin'ny namakivakiany ny nosy madinika maro. Niverina tamin'ny heriny teo aloha izy rehefa nitodi-doha nankany Haiti. Mbola loza fanairana ihany izy ho an'ny nosy manodidina tahaka an'i Jamaika, fa nanantana kosa ireo mpitoraka bilaogy Karibeana fa tsy ho tratran'ny faharavana i Haiti; mbola miavotra noho ilay horohorontany nitranga ny 12 Janoary teo sy ilay areti-mifindra Kôlera ihany koa izy.

The Livesay Haiti Weblog dia mivavaka mba “hihena hery/hiova lalana” i Tomas; real hope for haiti dia mahalala fa “tsy tsara” ilay zotra hodiavin'ity tafio-drivotra ity. Mitatitra ity bilaogy ity avy eo:

Tsy mbola tena voafaritra mazava ny fotoana na ny toerana hisian'ny fiovan-dalana, kanefa ny sary avoakan'ny dia mametraka fa i Haiti na i Jamaika no voasoritra kokoa hizoran'i Tomas. Ny NHC dia manombana fa i Port au Prince, Haiti dia any ho any amin'ny 40% ny mety isian'ny rivomahery tropikaly, ary herijika 5% amin'ny tafio-drivotra mahery. Somary latsaka izany tombana izany ho an'i Kingston, Jamaika – 29% sy 4%.

Miteny ny Pwoje Espwa – Finoana any Haiti:

Miteny antsika ny aterineto fa mizotra mankany amin'io toerana io ny rivomahery tropikaly Tomas. Ny zava-mampatahotra ahy dia ny rotsak'orambe mety hitranga raha betsaka ny orana ary, mazava ho azy, fa efa voavinavina izany. Hamindra ireo zaza any amin'ny toerana avo izahay, fikarohana sakafo tahiry sy lasantsy mba hivoahana amin'ity loza voajanahary ity sy hanao izay tratry ny herinay hamonjena ireo trano, biby ary fiara. Miezaka ihany koa izahay hampitandrina ireo ankizy tsy hisotro rano maloto sy hanamarinanay ny fisian'ny rano madio betsaka.

Nametraka rohy an'ny Foibem-pirenena Misahana ny Tafiodrivotra Mahery any Miami ny How Can They Hear? ary mitalaho amin'Andriamanitra mba “hampivoaka ny lalàn'ity rivodoza ity hidify an'i Haiti mba tsy hisian'ny fijaliana hafa indray.”

this isn't grey's anatomy–Haiti medical relief dia miteny fa *fantany ny zavatra mety hataon'ny rivo-doza 60 MPH (mandritra ny 60 minitra) amina tanàna iray, ireo hazo, takela-by fametahana dokam-barotra, tarobia mitondra herinaratra, ary ireo tanànan'ny trano lay”. Tany Haity ny mpitoraka bilaogy (Jen) tamin'ilay Tafio-drivotra Noel, izay nivadika ho isan'ireo rivodoza nahafatesana olona indrindra nandritra ny taona 2007:

Tafiodrivotra tropikaly fotsiny no niatombohany, nandrava faritra maro tao amin'ny nosy ny ranon'orana naterany, indrindra ny faritra Atsimo. Tsy ho adinoiko mihitsy ny fiampitana renirano akaikin'i Cavaillon (any Atsimon'i Haiti) hivoahana any Les Cayes…avy eo mbola niampita ity renirano ity ihany andro maro taty aoriana. 3-4 mihoatra ny taloha angamba ny halehibeny (ary tena lalina be noho ny taloha), ary ireo zava-drehetra izay nanaraka ny fefilohany dia rakotry ny rano avokoa. Iray amin'ireo renirano maro nandrakotra ireo sisiny fotsiny ihany izy.

Mifototra amin'ity zava-nihatra taminy ity, manohy i Jen:

Matahotra aho ny amin'ny mety hiainan'i Haiti aorian'ity herinandro ity noho io tafio-drivotra mahery io. Ireo vinavina avy amin'ny andro aloha be loatra dia mety ho diso. Fa raha marina ireo vinavina aty aoriandriana, dia mety hiditra any amin'ny faritra Atsimon'i Haiti amin'ny maha sokajin-drivodoza faharoa azy i Tomas, ary mety hihaotra ny 110 MPH ny rivotra ho entiny (ary mety tsy hijanona ny rivotra raha tsy any amin'ny 60 minitra any ho any). Manantena sy mivavaka aho mba ho diso ireo vinavina ireo, ary hitohy miankandrefana any amin'ny ranomasina ity rivo-doza Tomas ity fa tsy hianavaratra mankany Haiti.

Ny sary famantarana nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “sisa velon'ny horohorontany” dia an'i caribbeanfreephoto, nampiasana ny Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic license. Tsidiho ny Flickrn'i caribbeanfreephoto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.