Indonezia: Horohorontany, Tsunami, Fipoahana Volokano ao anatin'ny 48 ora

Sary mampiseho ny vokatry ny fipoahan'ny volokano, ay amin'ny pejy FB an'i Jogjaku

Tsy vahiny intsony amin'ny loza ara-boajanahary i Indonezia nanomboka tamin'izy tsy afa-niady tamin'ny rivodoza, ny horohorontany ary ny fipoahana volokano noho ny toerana misy azy rahateo ao amin'ny Pacific Ring of Fire (zetran'afon'ny Pasifika). Nefa tamin'ity herinandro ity, tratran'ny tsy nampoizina i Indonezia rehefa nifanesy nianjady tamin'ny nosy ny horohorontany, tsunami sy ny fipoahana volokano tao anatin'ny 48 ora latsaka monja. Eritreretina ho mihoatra ny 500 ny maty ary fianakaviana an'arivony maro no mila famonjena maika.

Efa tafakatra sahady ao amin'ny Facebook ny sarin'ny fiantraikan'ireto loza telo ireto. Potsero eto raha hijery ireo sarin'ny fipoahan'ny volokano Merapi, iray amin'ireo volokano mpihetsiketsika sy mampidi-doza indrindra maneran-tany. Mandritra izany ny nosy Mentawai, tratran'ny tsunami ka ireto ny sary. Azo jerena ato ny saritanin'i Mentawai.

Tweets avy any Jakarta

mellydjie: Loza ara-boajanahary maro nianjady amin'i Indonezia, tena mampalahelo…ny firehetan'ny ala, fihotsahan'ny tany, horohorontany, tondra-drano, tsunami. Ndeha hivavaka ho an'i #Indonezia.
veranotariza09: RT @devinoliver: Horohorontany, tsunami goavana,tondra-drano ary fipoahana volokano no niseho nandritra ny 48ora lasa teo. Mba #mivavaha hoan'iIndonezia
marshawenur: @Ryota_sw yea, somary mitokantokana ihany ny toerana nisian'ny tsunami, nosikely maromaro. Ka somary sarotra ihany ny ho any ho an'ireo mpamonjy voina. Mampalahelo
NinRex: RT @radhialyani: Ny fipoahan'i merapi, tsunami tany mentawai & aceh, horohorontany tany jogja & tasik, niseho tamin'ny andro iray avokoa: 26
winnielimawan: Aza mitsahatra #mivavaka ho an'i Indonezia, mila fanarenana isika ho an'izay nitranga: horohorontany, tsunami, fipoahana volokano, tondra-drano. Andriamanitra ô, areno ny firenenay
myBny: ndeha hiray hina sy hifandray tànana mba hanampy ireo namantsika any Wasior, Mentawai ary ny tendrombohitr'i Merapi (indonezia)
Gupta1978: Amin'ny fotoana toa izao no ahatsapàko, tsy misy dikany ny loza mihatra amiko raha mitàha amin'ny anareo ry rahalahy sy ranabavy isany, vahoakan'i Mentawai sy Merapi.Andriamanitra hitahy!
tatterscoops: Miarahaba! andro mandrahona indray aty Jakarta. Miara-ory amin'ireo trà-doza any Mentawai, Merapi aho, ary aoka tsy hadino koa ny vahoaka Wasior any Papua
FadhilaAgustina: Tsy ampy ny mivavaka fotsiny ho an'ireo trà-doza any Mentawai sy ny afovoan'i java,mila sakafo sy akanjo ary fanafody izy ireo mba hivelomana…

Nampatsiahy ny tsirairay ny lozan'i Aceh taona vitsy lasa izay ny tsunami farany teo, sy ny tondra-drano tany Papua Andrefana tamin'ny voalohandohan'ny volana Oktobra teo.

Sary avy amin'ny pejy FB an'i Jogjaku

Ny hafatra fampaherezana avy amin'ilay mpihira Justin Bieber dia nentin'ny mpampiasa aterineto sasany hanasongadina ny “fahataràn'ny hetsika” avy amin'ny governemanta

justinbieber: vao avy nahare momba ny horohorontany tany Indonezia. aoka isika tsirairay samy hivavaka ho an'ny olona any. #prayforindonesia
martinmanurung: RT @hansdavidian: Ho an'Atoa Filoha, resin'i @justinbieber ianao tamin'ny fanehoana ny fiaraha-miory amin'ireo mpiray tanindrazana aminao izay lavo. Ianao Atoa dia henatra ho an'ny firenentsika.

Lasa resaka nalaza ny tenifototra #prayforindonesia tao amin'ny Twitter nandritra ny andro maro. Ireto misy santionany amin'ny hafatra twitter avy any Malaizia, Singapore, ary Manila.

resaka maneran-tany momba ny #prayforindonesia ao amin'ny trendsmap

Vondrona maro no mikarakara ny ezaka famonjena, ao koa ny vondrom-piarahamonin'ny mpitoraka blaogy.

• Vokovoko Mena Indoneziana: Kaonty BCA Laharana 0353112233; Anaran'ny kaonty: Palang Merah Indonesia
• Lazis Muhammadiyah: BCA No. 8780171171;Mandiri No. 1230099008999; BNI Syariah No. 0091539444
• Vondron'ny mpitoraka blaogy: Manome vatsy ho an'i Jl Langsat 1 Laharana 16, Mayestik, Jakarta Atsimo  Ismira Lutfia & Nurfika Osman

Maneho hevitra momba ny valinteny avy amin'ireo fikambanana sy olon-tsotra isan-karazany i Cafe Salemba

Mirary fiononana feno ho an'ireo tratran'ny tsunami tany Mentawai, Sumatra ary ny fipoahan'ny volokano tany an-tendrombohitr'i Merapi any Afovoan'i Java, tamin'ity herinandro ity aho.
Indrisy fa ny eo ihany no miverina: fahataràn'ny hetsika sy tsy fahampian'ny fandaminana avy amin'ny governemanta, minisitra vendrana manameloka ireo trà-doza ho tsy nanaraka ny lalàn'Andriamanitra, figafian'ny fampitàm-baovao, mpampiasa aterineto tsy manàm-panahy ka mamoaka sarin'ireo trà-doza tsaboina, sy ny sisa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.