Myanmar/Birmania: Fanentanana “Ataovy ankivy ny Fifidianana”

Na dia nokianin'ny firenena maro ho henatra lehibe manerana izao tontolo izao aza ny fifidianana amin'ny 7 Novambra, mikiry biby handroso amin'izany ihany ny governemanta. Efa miha manakaiky ilay andro, mifamahofaho be ihany ny fanehoan-kevitr'ireo Birmana na Burmese [Avy amin'ny mpandika: Burmese no fiantso no mponina ao amin'io firenena io] na izany avy ao anatiny, na avy any ivelany.

Ny antoko mpanohitra, Ligim-Pirenena ho an'ny Demaokrasia [National League of Democracy], dia nampanao ankivy ilay fifidianana amin'ny filazàna azy io ho “tsy madio sy tsy ara-demaokratika”,   sady manainga ny vahoaka tsy handatsa-bato amin'ny fifidianana. Ilay Burmese mpitarika ny mpandàla ny demaokrasia ary voatàna any am-ponja, Aung San Su Kyi, koa dia nanapa-kevitra fa tsy hifidy amin'ireo fifidianana ireo na dia voasoratra ao anaty lisi-pifidianana aza izy.

Any Japana, ny 2010 Election Boycott Committee (komitin'ny fanaovana ankivy ny fifidianana 2010) dia nanao  diabe fanoherana tao amin'ny Ebitsu Park, Tokyo.

Tao amin'ny Fanjakan'i Rakhine, afisy lehibe mandà ny fampielezan-kevitra [“NO Campaign – TSY ilaina ny fampielezan-kevitra”] no napetaka erak'ireo tanàn-dehibe maro, izay mivaky toy izao,
“Ataovy ankivy ny Lalampanorenana 2008 sy ny Fifidianana 2010: TSIA 2010 [Boycott 2008 Constitution and 2010 Election: NO 2010″]. Iray tamin'ireo olona nandray anjara tamin'io fanentanana io no nilaza tamin'ny Arakhan Review fa:

Ho an'ny Fanentanana hanaovana ankivy ny Fifidianana, manodidina ny 1000 ireo afisy lehibe natontanay ho ana tanàn-dehibe 12 any  Taung Kote sy Ma Ei  iray volana nialoha ny fifidianan'ny 7 Nov. Nandeha nidina nankany amin'ireny tanàna ireny izahay mba hahafahan'ny tsirairay tamin'ireny vohitra ireny mandray anjara amin'ity fanentanana hanohitra ny fifidianana ataon'ny governemanta ity. Nilainay ny nanao fanentanana miaraka ho an'ny tanànan'i  Taung Kote sy Ma Ei noho ireo tanàna roa ireo mitambatra ho fari-piadidiana tokana. Zavatra iray hafa ny hoe ny Union Solidarity Development Party (USDP) sy ny National Unity Party (NUP) ihany no hany antoko politika mifaninana amin'io fari-piadidiana io, noho izany tsy dia ilaintsika loatra ny harary saina amin'ireo antoko hafa mikasika ity fanaovana ankivy ity. Manohitra tanteraka ny Lalampanorenana 2008 izahay, noho izany dia tsy afaka hanaiky ity Fifidianana 2010 ity izay hanome lanja ilay lalampanorenana eo anatrehan'ny lalàna.

Ao anatin'ny Fifidianan'ny Novambra, manodidina ny 498 ny seza ao amin'ny Antenimieram-pirenena (Pyi Thu Hlut Taw) hifaninànana, seza 224 no ao amin'ny Antenimieran-doholona (Amyo Thar Hlut Taw) izay ahitàna seza natao ho an'ny Fanjakàna sy ny Rantsana mpanao lalàna. Manodidina ny 25 isanjato amin'ireo seza ireo no hatokana ho an'ny olona mpiadidy ny fiarovana.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.