Gresy: Mitokona tsy hihinan-kanina ireo mpitsoa-ponenana Iraniana

Mpitsoa-ponenana Iraniana dimy ambiroampolo ao Athens, Gresy no nitokona tsy hihinan-kanina nanomboka ny 14 Oktobra mangataka amin'ny manampahefana Grika mba handinika ny antontan-taratasy fangatahan'izy ireo fialokalofana ara-politika. Nanjaitra ny vavany ny sasany amin'izy ireo.

Fanambaràna iray avy amina vondrona Iraniana mpanentana no nilaza fa tamim-pilaminana no nanaovan-dry zareo  ilay hetsi-panoherana tao amin'ny  Propylaia ao  Athens nandritry ny  44 andro mahery tsy nahazoana valiny talohan'ny nanapahan-dry zareo hevitra fa hanomboka hitokona tsy hihinan-kanina. Milaza ry zareo fa norahonan'ireo manampahefana ao an-toerana mba hampiatoan-dry zareo ny hetsika ampahibemaso ataony.

Araka ny lahatsoratra iray tao amin'ny  Antiracismfacism.org, i Petros Konstantinou, mpirotsaka hofidiana amin'ny fididiana ny tanàna ary manohitra ny kapitalista dia nitatitra koa fa nahita mpiasan'ny ambasady Iraniana nanàndrana nandrànitra ireo mpanao fihetsiketsehana sady naka sary [Gr].

Nampiasa ny Youtube handefàsana ny hàfany ireo mpitsoa-ponenana sy ny mpanohana azy ireo. Azo lazaina ho tsy nisy mihitsy teo amin'ireo fampitam-baovao Grika mahazatra ny fandrakofam-baovao mikasika ilay fitokonana tsy hihinan-kanina, nefa kosa nitondra ny fanohanany ireo vondrona mafàna fo ao an-toerana sy ny fampitam-baovao anaty aterineto  (ny afisy lehibe etsy ambony dia ho ana kaonseritra fanehoam-piraisankina).

Nandrava ireo mpitokona tsy hihinan-kanina ny polisim-bohitra Grika

Ity lahatsary tamin'ny 17 Oktobra ity dia maneho fitondrantena maherisetra nataon'ireo polisim-bohitra Grika tamin'ireo Iraniana.

Mpitsoa-ponenana iray no naiditra hopitaly

Iray tamin'ireo mpitsoa-ponenana, Masoud Faramarzi, no naterina tany amin'ny hopitaly taorian'ny fiharatsian'ny toe-pahasalamany andro vitsivitsy taty aorian'ny fitokonana tsy hihinan-kanina. Eo amin'ny tranolay dia azontsika vakiana ireo teny manohitra ny fitondrana Iraniana toy ny hoe  “Adabohy  i Khamenei” (Mpitarika ambony any Iran). Tany amin'ny 16 Oktobra tany ilay lahatsary.

Ity lahatsary avy amin'ilay fitokonana tsy hihinan-kanina ity dia nampakarina tamin'ny 18 Oktobra.

Tamin'ny Jolay, vondrona Iraniana enina mpialoha làlana amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina no nanao hetsika teo anoloan'ny biraon'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) ao Athens, isan'izany ilay iray nanjaitra ny molony.

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Asteris Masouras.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.