Filipina: Horonantsarin-dihy malaza

Nanasongadina horonantsary maro mampiseho dihy avy any Filipina ny Global Voices. Mbola ny an'ireo gadra nandihy tany Cebu no malaza indrindra, mampiseho ireo gadra mandihy amin'ny hiran'i Michael Jackson – Thriller.

Azo atao ho hetsika fanoherana ihany koa ny horonantsarina dihy, ary voaporofo izany tamin'ny an'ireo mpiasa an-trano Filipiana nandihy tany Hong Kong. Nanohitra ny tetik'ireo mpanao politika notarihin'ny filoha Filipiana izy ireo, dia ny fanovàna ny Lalàm-panorenena 1987.

Tamin'ity volana ity, ny orinasan-tseranam-piaramanidina Cebu Pacific dia nanaitra ireo mpandeha tamin'ny fampandihizana ireo vehivavy mpiandraikitra ny sidina eo am-panomezana ireo torolàlana ho an'ny filaminana anaty fiaramanidina.

Nalaza naneran-tany izany horonantsarin'ny dihin'ireo mpiandraikitra fiaramanidina izany, nefa koa niteraka fanoheran-kevitra avy amin'ireo vondrom-behivavy izay nanondro izany ho “sexist“. Tsy nanakana ny orinasa hamoaka horonantsarina dihy hafa anefa izany; nefa tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia ireo lehilahy mpiandraikitra ihany no nandihy

Cebu no tanàn-dehibe any amin'ny faritra atsimon'i Filipina. Mampalaza azy ny fasika fotsin'ny morondranomasiny, ny manga maina ary izao dia ny horonantsarin-dihy. Nefa talohan'ny nampalaza maneran-tany ireo horonantsarin-dihy tamin'ny Youtube, fahazaran'ireo tompon'andraikitra ambony any Cebu ny miarahaba ireo manamboninahitra tonga, amin'ny alalan'ny fandihizana any amin'ny seranam-piaramanidina.

Misy horonantsarin-dihy vaovao avy any Cebu izay mampiseho ireo mpitaky hetra any an-tanàna. Ny tanjona dia ny hanentana ny olona handoa hetra ara-potoana, ary ny hisaotra ireo mpandoa hetra tso-po. Indro ny horonantsarin'ireo mpitaky hetra mandihy

Gogol Da Blog dia manome rohy mankany amin'ireo horonantarin-dihy samihafa avy any Filipina. Ankoatr'ireo horonantsary voalaza tetsy ambony, misy koa ireo horonantsarin-dihy ahitàna ireo mpitandro ny fifamoivoizana, mpitsabo mpanampy, mpianatra ho injeniera, mpiasa, miaramila, SWAT (vondro-tafika na polisy manokana), mpitsabo, mpitandro filaminana, ary mpiasa any amin'ny seranan-tsambo.

Ireto misy santionany amin'ny fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter:

levimak: mahafinaritra, lasa renivohitry ny dihy erantany i Filipina, gadra mandihy, tompon'andraikitry ny fiaramanidina mandihy, mpitaky hetra mandihy, ireo mpisoloky hetra indray avy eo?
sassymaco: Kay. Mandihy daholo ny rehetra any Filipina: ny gadra, ny bandin'ny solika, ny mpitandro fifamoivoizana, ny mpitaky hetra, sns.
mysiRYAN: Ho any amin'ny terminal 3 ho any gensan amin'ny cebu pacific. Soa ihany fa hahita izany tompon'andraikitra mpandihy izany aho.
jen_thebitch: @gurushivaker tsy tiako ilay tompon'andrikitra fiaramanidina mandihy. tsssss 🙂

Tamin'ny Facebook:

Caselle Legaspi Ilano Tomponandraikitra fiaramanidina mandihy, gadra mandihy, izao indray ny mpitaky hetra mandihy….Tiako fotsiny i Cebu e! Maniry ny mpitandro fifamoivoizana mandihy koa aho amin'ny manaraka?
Joma Punzalan puro nalang mandihy…gadra, mpitaky hetra, mpitandro filaminana….eh kung bumbero kaya…sasayaw muna bago bumomba…..me matuwa kaya? (hihomehy ve ny olona raha mandihy koa ny mpamonjy voina?)

Tsy tia ny fanerena ireo mpiasa handihy i Recipes for Distraction

Halako rehefa teren'ireo mpampiasa hanao zavatra tsy tokony hataony ireo mpiasa ao aminy. Indrindra ny hoe mandihy.

Tena firenena mpandihy marina ve isika? Izao ve no hafatra tiantsika alefa amin'izao tontolo izao? Fitiavana hahazo fahafinaretana amin'ny fandefasana horonantsary amin'ny youtube fotsiny, sy ny fahazoana jery an-tapitrisany afaka herinandro ve izao?

Raha izaho, ny vondron'olona tiako ho hita handihy amin'ny asany dia ny mpiandraikitra ny “ascenseur” ihany. Laingako izany.

Laiza Penaranda dia mitanisa teknolojia maoderina ho en'ny lazan'ireo horonantsary

Efa fotoana lavalava izao no nisarihan'i Filipina ny sain'izao tontolo izao. Ary efa ho efa-taona izao dia  nahomby foana ireo Filipiana mpandihy amin'ny fisarihana ny sain'ny tera-tany hafa maneran-tany.

Tena nanampy betsaka tamin'ny fampitomboana ny lazan'ireo “vondrona mpandihy” ny teknolojia maoderina. Ny firenentsika izay fantatra ho manana fomban-drazana isan-karazany, manomboka any amin'ny sakafo mafilotra hatramin'ny akanjo tsara didy, ny toerana mahafinaritra sy ny fety makotroka, ary izao isika azo antsoina hoe i Filipina Mpandihy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.