Setroka be mandrakotra an'i Singapore

Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Ny governemanta ao Singapore dia mamaritra azy ity ho  “setroka naterak'ireo afo any an'ala sy ny faritra avy any Sumatra no niampitra sisintany.”

An-jatony ireo sekoly Maleziana no nakatona noho ny setroka. Ny tomponandraikitry ny Fahasalamana dia nitatitra fisondrotan'ny aretin'ny taovam-pisefoana. Ity ambany ity ny fanavaozam-baovao tamin'ny 21 Oktobra sy ny toro-làlana avy any Singapore

Niharatsy ny zava-misy ateraky ny setroka hatramin'ny omaly.

Ny fandalovana farany nataon'ny zanabolana androany dia nahitàna faritra mahamay 6 ao atsimon'i Sumatra. Ahiana mbola hitoetra maharitra ny zavona be raha hitohy foana ny rivotra mitondra ireo setroka avy any Sumatra ho any Singapore.

Amin'izao zava-misy noho ny setroka be izao, ireo olona mahatsapa ho marisarisa dia nentanina hanatona ny mpitsabo azy ireo. Ireo manana fo marefo sy manana olana amin'ny taovam-pisefoana koa dia notoroana hevitra mba hampihena ny fanaovany fampiasam-batana sy ny zava-panaony any ivelan'ny tranony.

Koa satria olana iraisana ho an'ny faritra Atsimo-Atsinanan'i Azia izy ity, ny ASEAN Haze Online dia nametraka fanarahamaso ny fivoaran'ny zava-misy. Pejy Facebook iray, Haze-Free Singapore, no noforonina mba handrisihana ny mponin'ny aterineto handefa sary sy tatitra.

Zavona ao Singapore. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'ny Haze-Free Singapore(Singapore-tsy-misy-zavona)

Singapore-Lighthouse dia manontany tena mikasika izay famatsiam-bola mba omen'ny governemanta ao Singapore ho fanampiana an'i Indonezia ho fisorohana ny fitàran'ny doro-ala.

Teo am-panoratana ity bilaogy ity aho, nikohaka tsy nisy toy izany aho ary tsy azoko mihitsy ny aiko.

Ka mba ohatrinona moa ny vola omena an'i Indonezia hiarovana ny alan-dry zareo na ohatrinona marina no niafara any am-paosin'ireo tomponandraikitra ambony Indoneziana? Tena azontsika atao tokoa ve ny mividy rivotra madio amin'ny vola?

Tamin'ny alàlan'ny The Online Citizen, Georgia Tong dia mametraka fisalasalàna ny amin'ny ho fahombiazan'ireo dinika iraisan'ny ministera ho fampiatoana ny zavona.

Isan-taona ary efa an-taona amro izao, tratry ny setroka foana isika. Ireo minisitry ny Asean rehetra ireo dia nihaona sy niresaka nandritry ny taona maro…ny eo ihany anefa no eo.

Na dia eo aza ny fiantraikany amin'ny ara-pahasalamana sy ny ara-toekarena entin'ilay setroka, kely monja na tena tsy nisy mihitsy aza ny fihatsaran'ny zava-misy.

Ireo firenena Asean dia ‘mahalàla fomba’ tafahoatra fotsiny fa tsy ampy ny tena finiàvana hamaha ny olana.

Limsimi.com dia mitatitra ny fiatraikan'ny setroka be any Malezia

Tena toy ny azonao FOFONINA mihitsy ilay izy.

Eo ankilan'ny fihenàn'ny fahitàna izay mitsena anao vantany vao iny ianao mivoaka ny faritry ny birao nisy rivotra voarindra iny, tonga dia voaavakao foana ny fofona fahamaizana ao anatin'ny rivotra fohanao. Ireo afo any Sumatra, ateraky ny fanadiovana tsy mahatsiaro ho tomponandraikitra avy amin'ireo faritra tantanan'olon-tsotra, dia tsy nihena ary dia mitohy misonga ny Tondrozotran'ny Fandotoana – Pollution Standards Index (PSI). Manahy ianao ny amin'ny hahavoan'ny sohiaka ny zanakao sy ny fiharatsian'ny kohaka mahazo ireo raimandrenibenao.

Noel Boyd manoritsoritra ny fipetraky ny setroka ao Singapore.

Inona marina no tena fandehan'ity setroka be ity e? Tany amin'ny Orchard Road aho omaly tontolo ary dia tena tsy laitra tokoa ny setroka! Tena matroka tokoa i Singapore ary sahala amin'ireny hoe i Singapore ireny mihitsy no nirehitra raha ny fifofonana azy. Ary nony alina, sarotra be ho anay ny nitsinjo ny volana!

Raha tsy avy eto Singapore ianao, dia matokia ahy fa tsy mirehitra akory ity firenena ity. Ny setroka dia avy amin'ny doro-ala any amin'ny faritanin'i Riau ao  Sumatra, Indonezia. Any amin'ny 894 kilometatra miala an'i Singapore!

Fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter avy any Singapore

XavierInsanity: Amin'ny maha-singaporeana ahy, te-hilaza aho hoe zendana tamin'ilay setroka be!! Tena nanetroka anie izany!!
casterteoh: Tsy hoe mivembena aho satria nisotrosotro, fa tena vàlaka be. Ary ity setroka be ity vao mampanjavozavo mila tsy ahalalako intsony ny làlana mitondra ahy mody. Izaho izay.
iStraven: Nankarary ny an-dohako, ny tendako sy nandreraka ahy ilay setroka be.
josh_oh: Mankahala tsotra izao ny setroka be!!! Tena tsy metimety fotsiny izao mihitsy ny masoko!!!
haifaaj: Inona no hitafiako amin'ny andro voalohany hamonjeko sekoly?…. sarontava angamba noho ilay setroka
icecreamfortea: Tiako ny mahita fanovàn'ilay setroka ny tontolo ivelany hanana endrika hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.