Rosia: Lahatsary vaovao avy amin'ny mpiady anaty akata Primorsky Krai

Nanohina ny fiaraha-monina rosiana nandritra ity vanim-potoanan'ny hafanana ity ny tantaran'ireo zatovolahy enina – Andrey Sukhorada, Aleksandr Sladkikh, Vladimir Ilyutin, Maksim Kirilov, Aleksandr Kovtun, ary Roman Savchenko – izay mamono amin'ny nahim-pony ny polisy rosiana any Primorsky Krai [RUS]. ( Nitantara azy ity ny Global Voices tamin'ny volana Jona.)

Nivoaka tao amin'ny YouTube ny lahatsary mitondra ny lohateny hoe “Ny tafa farany nifanaovana tamin'ny mpiady anaty akatan'i Primorsky Krai” tamin'ny 9 oktobra. Efa noesorina tamin'ny aterineto matetika izy ity, saingy misy hatrany ny olona mampiditra azy. Taoriandriana moa dia notsinjarain'ny mpampiatrano lahatsary hafa izy io ary azo sintonina ihany koa. Lasa karazana dokambarotra amin'ny aterineto mihitsy moa ity lahatsary maharitra 13 minitra ity ary miady hevitra ny momba azy ny tontolon-tserasera Rosiana LiveJournal momba ny hevitra avoakany. Mitantara amin'ny antsipiriany ny zavatra ataony sy ny antony hanaovany izany ireo zatovolahy efatra mitam-basy. Nambaran'izy ireo tamin'izany ary fa tena nahim-pony mihitsy ny fanafihana ny polisy fa tsy mikasa ny hangalatra na ny handroba ry zareo:

Мы честные люди, а вы отребье, поэтому мы будем воевать с вами до последнего, пока вы нас не убьете, или пока мы не победим […] скорее всего вы нас убьете. Но мы вас не боимся […] Народ будет на нашей стороне, по любому. Потому что справедливость на нашей стороне. Мы уже победили. Мы победили в себе страх и трусость, которые вы никогда не могли победить […] У нас и оружия нет, чтобы с вами воевать, но все равно мы вас не боимся и будем воевать с вами. И это не какое-то спонтанное происшествие […] нет, мы это целенаправленно и спланированно делали, чтобы конкретно убить вас, бандитов. Вы самые настоящие бандиты, по-другому вас не назовешь… Вы сами крышуете наркобизнес, проституцию, лес воруете […] все это знают прекрасно люди, и все вас боятся, потому что у вас есть все полномочия, чтобы этим заниматься… народ боится вас, но знайте, что остались еще люди, которые вас не боятся […] Все что вы можете, это терроризировать свой народ, беззащитный и безропотный, который привык к унижениям, и ваша могучая так называемая империя, Российская федерация, стоит целиком на алкоголизме, рабстве и трусости. Однажды она рухнет, и вы вместе с ней свалитесь в бездну.

Olo-tsotra mpitandro ny marina izahay, ianareo kosa faikany, izany no iadianay anareo hatramin'ny farany, hatramin'ny famonoanareo anay, na hatramin'ny fandresenay […] fa ny mety ho tontosa kokoa dia ianareo no hahafaty anay. Fa tsy matahotra anareo izahay […] Hanohana anay ny vahoaka, na izany aza, satria izahay no mitandro ny rariny. Efa nandresy izahay. Efa matinay ny tahotra sy ny fandosirana andraikitra tao anatinay, izay tsy vitanareo mandrakizay […] Tsy manana fitaovam-piadiana izahay iadiana aminareo saingy tsy matahotra anareo ka hiady aminareo. Ary tsy fihetsika tsy nahy izy ity […] Tsia, Efa nanomana azy ity izahay mba hamonoana anareo jiolahy. Ianareo no tena mpamono olona, tsy misy anarana hafa azo iantsoana anareo […] Ianareo no miaro ny mpanondrana rongony, ny fivarotantena, mpangalatra hazo ianareo […] mahalala izany tsara avokoa ny rehetra saingy matahotra anareo avokoa satria ianareo no manana hery afaka hanatanterahana izany […] Matahotra anareo ny olona, saingy mitandrema kosa fa misy ny olona tsy matahotra anareo […] Ny zavatra hany azonareo atao dia ny mampihorohoro ny olona tsy manam-piaro sy manaiky tsy satry, izay efa zatra fahafaham-baraka. [A]ry ilay lazainareo ho fanjakana lehibe, ny Federasiona Rosiana, dia miankina tanteraka amin'ny zava-pisotro misy alikaola, fanandevozana ary ny fandosirana andraikitra. Ho rava izany indray andro any, ary hianjera any amin'ny lavaka mangitsokitsoka miaraka aminy ianareo.

Notantarainy ihany koa ny fomba nialany ny fahiranon'ny polisy:

Утром мы вышли из окружения в котором находились трое суток. Нас хотели поймать милиционеры кировского РУВД им это не удалось. Они вызвали подкрепление: 300 ОМОНовцев, два вертолета. Мы их обвели вокруг пальца, как маленьких детей. 10 раз проходили мимо них, их собаки ничего не могли унюхать потому что мы шли по речке, проползали в 10-ти метрах от них. И в итоге мы сейчас здесь: поели, поспали, помылись, все нормально, в хорошем состоянии, бодрячком держимся.

Ravanay androany maraina ny fahirano naharitra telo andro nataon'ny polisy anay. Nitady hisambotra anay ny polisin'ny distrikan'i Kirov RUVD [Sampam-paritry ny Minisiteran'ny Atitany] fa tsy nahomby. Nangataka mpitandro filaminana fanampiny izy ireo: 300 miampy angidimby roa. Nampivezivezenay ry zareo ireo, manao azy ho tahaka ireny zazakely ireny. Nandalo teo akaikiny efo ho impolokely izahay, tsy ren'ny alikany ny fandalovanay satria teny amin'ny rano no nandehananay; nilomano (nikisaka) efa ho 10 metatra akaikin-dry zareo izahay. Amin'izao fotoana izao aloha dia eto izahay; misakafo, matory ary mandro. Milamina tsara ny zava-drehetra ary salama tsara izahay.

Vao tsy ela akory izay ny fampitam-baovao no niampanga ny mpiady anaty akata ho nanao an-keriny vehivavy mpitondra fiarakaretsaka; raha tononina dia ny gazety Kommersant no nanoratra [RUS] azy io tamin'ny 21 jona 2010. Ao amin'ny lahatsary ny mpiady anaty akata no manameloka io fiampangana io, ary nilazany fa tsy fombany izany manafika sivily izany fa ny manampahefana ihany:

Вы это делаете для того, чтобы отвернуть от нас народа, смуту посеять. Это подло, это ваши методы. Так никто не воюет. Вы 300 человек отправили, чтобы словить 6 пацанов. И вы хотите нас сейчас морально защемить, говоря, что мы кого-то изнасиловали. Но все нас хорошо знают и никто в этот бред не поверит.

Manao izany ianareo hanodinana ny lohan'ny olona hihataka aminay, hanakorontanana. Maloto izany fomba izany ary fanaonareo. Tsy misy olona miady tahaka izao: olona 300 no alefanareo hisambotra zaza enina. Te-hamotika ny herimponay ianareo milaza fa nanao an-keriny izahay.Mahafantatra anay ny rehetra ka tsy hisy ny hino izany.

Raha jerena dia nialoha ny nahasamborana ireo mpiady anaty akata ireo no nandraketana io lahatsary io, satria nanontany tena ry zareo hoe naninona no mbola tsy voasambotra. Fa miaraka amin'izay ihany koa dia manaiky ry zareo fa rehefa mivoaka io lahatsary io dia mety ho efa maty ry zareo.  Ny androtr'io ihany koa ny sipan'i Andrei Sukhorada (iray amin'ireo mpiady anaty akata) no namoaka [RUS] rohin-dahatsary eo amin'ny LJ milaza fa tsy fantany izay nihavian'ny lahatsary fa mankasitraka indrindra ilay olona nanao azy ho fanomezana tsingerintaona izy. Mihoatra ny 150 ny isan'ny hevitra nivoaka niaraka tamin'ny firarian-tsoa mbamin'ny fanehoana fanohanana ireo mpanohana migadra. Ny gazety Kommersant no nampafantatra [RUS] ny eritreritry ny rain'i Roman Savchenko (mpanohana hafa) fa iray amin'ny polisy no namoaka io lahatsary io. Maro ny lahatsary nalain'ny mpiady anaty akata tamin'ny fakantsary nomerika, izay nosintonona nandritra ny fisamborana azy ireo. Nilaza moa izy fa mbola hisy lahatsary hafa hivoaka tsy ho ela. Vladimir Golyshev [RUS], mpanadihady politika sady mpanao gazety, no nampitaha [RUS] ny mpiady anaty akata amin'ny mpampihorohoro Said Buryatsky [RUS]:

[…] шестеро парней реально воевали с ментовской армией и готовились к смерти […]. Можно составить ясное представление об их “идеологии” и психотипе. Больше всего они похожи на Саида Бурятского, его неподражаемый стиль, никакого национализма, державничества и прочей шелухи, есть ясно выраженная религиозная компонента; 100-процентные разрушители, морально готовые принять мученическую смерть.

[…] Zatovolahy enina no miady amin'ny tafika ary miomana ho faty […]. Azonao atao an-tsary tsara ny “ideolojiany” sy ny karazam-pomba fisainany. Mitovitovy amin'ny an'i Said Buryatsky sy ny style-ny sarotra alaina tahaka ny saina momba an-dry zalahy rehetra: tsy mila nasionalisma na imperialisma na ny tahaka izany; fa ny hita kosa dia ny fahamaroan'ny fangarom-pivavahana. Mpamotika tsy misy fangaro ireo (100 %) vonona ara-tsaina sy manaiky ny ho faty maritiora.

Na dia tsy niresaka hevitra nasionalista aza ny lahatsarin-dry zareo dia mivoaka eo amin'ny vohikala [RUS] ofisialin'ny  Antoko Bolshevika Nasionaly, vondrona politika radikaly. Toy izao ny nolazain'i Andrei Sukhorada tany amin'ny faran'ny lahatsary:

Мы не признаем ни федеральные законы, ни местные. Мы передаем привет всем тем, кто состоит в сопротивлении на Северном Кавказе, другим благородным честным людям.

Tsy manaiky ny lalàna federaly na lalam-paritra izahay. Mandefa ny fiarahabana ho an'izay rehetra ao anatin'ny fitolomana any avaratr'i Kaokazy izahay, ho an'ny manan-kasina sy ny olona mpandala ny rariny hafa.

Nalaina tamin'ny aterineto io hafatra io sady nahitana fanehoan-kevitra mifamalivaly. Ny mpampiasa LJ danilia ohatra dia nihevitra [RUS] tahaka izao tao amin'ny lahatsoratra tao amin'ny vohikalan'ny Caucasian Knot:

Все вам мерещится, что кто-то другой виноват в том, что происходит, то это Европа, то это Америка. Слушайте, раскройте глаза, виноват тот ужас, который происходит в нашей стране, беспощадный режим, страшая коррупция, нищета населения, беспредел и вседозволенность силовиков, вон обсуждается закон о полиции, а параллельно продолжаются пытки в милиции, подростку отбили половые органы в Нижнем Новгороде, ужас, раскройте пошире глаза граждане, неужели вы не видите бревна в своем глазу, а не нам говорить о Европе, мы даже не можем защитить свои права.

Mieritreritra ianareo fa olon-kafa no tokony homelohina amin'ny toe-java-mitranga ankehitriny: Eoropa, Amerika. Henoy, sokafy ny masonareo, ny zava-doza mitranga eo amin'ny firenentsika no tokony bedesintsika, ilay fitondrana tsy mifaditrovana, ny kolikoly tafahoatra, ny fahantrana, ny fihoaram-pahefana sy ny fanaovana tsimatimanota ny sampan-draharaham-pitandroana filaminana. Iadian-kevitra ny lalàna momba ny polisy, raha mbola mitohy ny fampijaliana ataon'ny polisy. Misy tanora novelivelesina ny fitaovam-pananahany any Nizhny Novgorod, ôrera, sokafy ny masonareo. Tsy hitanareo ve ny andry eo amin'ny masonareo, ry olom-pirenena, tsy tokony hiresaka momba an'i Eoropa isika raha mbola tsy mahay miaro akory ny zontsika.

Natsangan'ireo nibitabitaka sasany hitantara ny asan'ny mpiady anaty akata ny partyzani.info [RUS]. Ao no ahitanao ny mombamomba azy enina, ny nataony sy ny fomba atao hanampiana azy ireo, indrindra amin'ny fampahafantarana ny momba azy ireo. Mandritra izany fotoana izany moa dia voalaza ao fa tsy ampirisihana ny fanaovana herisetra, fa voalaza ao kosa fa tokony hiomana ny olona hiaro ny tenany ary hanangona fitaovam-piadiana sy tahirin-tsakafo. Ny mahavariana moa dia tsy nilaza na inona na inona momba ny lahatsary nivoaka farany ny partyzani.info; tsy nisy na inona na inona nivoaka intsony tao hatramin'ny 26 Jolay. “Jiolahimboto” [отморозок] sy “andian-jiolahy” – no iantsoan'ny mpamoaka vaovao ao Vladivostok PTR (TV sy Radion'i Primorye) ny mpiady anaty akata enina. Nahazo fanehoan-kevitra feno fahatezerana moa ny lahatsoratra satria mamafy lainga sy maneho fanehoan-kevitra diso. Mandritra izany fotoana izany dia feno graffiti fanohanana ny mpiady anaty akata ny tanànan'i Vladivostok ny volana jona. iray amin'izany ny hoe “Mpiady anaty akata, tsy ho adinoina ny herimponareo” [RUS]; Mety ho hitanao ao amin'ny Youtube ihany koa ny sasany amin'ireo graffiti sady ahenoana hiram-pitiavan-tanindrazana miaraka aminy. Ireo ohatra ireo no mampisongadina ny fironan'ny fiaraha-monina, rehefa maneho ny fanohanana ny karazana “fanasaziana” tahaka ireny ny olona. Ary tsy mahafaly ny mponina any amin'ny faritra mihitsy ny setriny nataon'ny fitondrana Rosiana amin'ity tantara lavabe ity, ka ny aterineto no tokotany nanehoan'izy ireo ny heviny. Mbola eo ihany ny olana amin'ny polisy, ary tsy mety tafala ny tsy fitokisan'ny olona azy ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.