Nomad Green: Dinika an-databatra boribory rehefa Sabotsy

Isaky ny Sabotsy ao amin'ireo birao vaovaon'ny tetikasa  Nomad Green ao afovoan-tanànan'i Ulaanbaatar, Mongolia, dia mihaona ireo olon-tsotra mpampita vaovao mba handranto ireo fahaiza-manao vaovao ho ampihariny amin'ny asa fitorahana bolongana ataon-dry zareo. Ireo mpandray anjara vaovao dia nihaona ihany koa mba hahafantatra bebe kokoa mikasika ilay tetikasa sy ny fomba hemetrahany ny feon'izy ireo ho re ao anivon'ny tranonkalan'ny Nomad Green. Singa iray niampy tamin'ireo atrikasan'ny andro Sabotsy ireo ny fanatrehan'ny lehiben'ny vondrom-piarahamonina iray teo an-toerana izay nanaiky ny fanasàn'ny tetikasa azy mba hiresadresaka sy handray anjara amina latabatra boribory miaraka amin'ireo olon-tsotra mpampita vaovao. Ny vahiny voalohany tao anatin'ity fanasàna nanao tohivakana ity dia ny Minisitry ny Vola teo aloha tao Mongolie, Y. Ochirsukh, ary  io fitsidihany io dia nasian'ny Byambatuvshin [mn] resaka.

Resaka an-databatra boribory niaraka tamin'i Y. Ochirsukh. Sary avy amin'i Otgoo

Ny Sabotsy 6 Oktobra, N. Algaa, Tale mpanatanteraky ny Fikambanam-pirenen'ireo Mongoliana Mpitrandraka Harena ankibon'ny tany no vahiny manokana tao ary nandray anjara tamina resaka fohy an-databatra boribory  mikasika ny fifandanjàn'ny fampiroboroboana ny Indostrian'ny Fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Niaiky izy fa ny andraikiny dia mifamatotra amin'ny asa samihafa fitrandrahana harena ankibon'ny tany eo amin'ny firenena, nefa nanasa ny Nomad Green hiara-hiasa amin-dry zareo mba hanentana ny vahoaka mikasika ny olan'ny tontolo iainana, satria niaiky izy manokana fa miatrika olana goavana mikasika ny tontolo iainana i Mongolia toy ny fitàran'ny tany hay. Nanampy i Algaa fa ny indostrian'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany dia mampiasa Mongoliana marobe, ary tena avokavoky ny famokarana tombontsoa ara-toekarena ao anatina firenena iray izay ny ankabeazan'ny mponina ao aminy dia miaina ambanin'ny fetran'n fahantrana avokoa.

Resaka an-databatra boribory niaraka tamin'i N. Algaa

Na izany aza, maro tamin'ireo olon-tsotra mpamoaka gazety no kely finoana sy nihevitra fa ny  Fikambanam-pirenen'ireo Mpitrandraka Harena ankibon'ny tany dia tokony ho afaka manao zavatra misimisy kokoa noho ny toerana misy azy ao anatin'ny fiarahamonin'ireo mpitrandraka harena ankibon'ny tany. Nampian'izy ireo fa hoe tsy ampy ny fanarenana fotsiny, fa tokony hisy tetikady fandraisana andraikitra mivantana ho fiarovana ny tontolo iainana  amin'ny fijerena ihany koa fa hoe mitàna toerana lehibe eo amin'ny ara-toekarena ao Mongolia ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany.

Ireo olon-tsotra mpamoaka gazety avy amin'ny Nomad Green miaraka amin'i N. Algaa nanaraka ilay dinika an-databatra boribory.

Tam-pirahalahiana sy nanaraka ny làlan-tsaina manangan-javatra ilay dinika, ary maro ireo olon-tsotra mpamoaka gazety avy amin'ny Nomad Green nanohy niresaka tanaty tsaty (resaka mivantana anaty aterineto) niaraka tamin'i  Algaa taorian'ny famaranana ilay latabatra boribory tamin'ny fomba ofisialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.