Lahatsary: Mifandimby mamaky Don Quixote an-tserasera


Don Quixote & Sancho Panza avy amin'i spotter_nl arovan'ny CC Attribution License


Nitsanga-ko velona, amin'ny alalan'ny Youtube indray, ny iray amin'ny tantara foronina be mpitia indrindra, Don Quixote. Anjatony ny nanolo-tena hamaky ny sombintsombin'ny asa-soratr'i Miguel de Cervantes’ ity ary mampakatra ireny ao amin'ny ElQuijote Channel.

Nifanaraka ny Akademiam-mpitondram-panjaka Espaniola (RAE amin'ny teny espaniola) sy ny YouTube hametraka ny edisionan'ny Don Quixote goavana indrindra: amin'ity indray mitoraka ity dia amin'ny alalan'ny lahatsary izay hahitana fandraisana anjara avy amin'ny vazan-tany efatra manerana izao tontolo izao hamaky tsirairay ny sombiny mahatratra 2149 .   Víctor García de la Concha, talen'ny RAE, no nandefa ny fanasana ho an'ny rehetra :

Efa an-jatony moa ny lahatsary Quixote efa nampidirina tao amin'ny vohikala saingy mbola maro ny mbola ilaina hovakiana sy ampidirina an-tserasera ihany koa. Amin'ny fanindriana ny bokotra “participar”, no omena anao ny sombiny izay hovakianao dia omena ora enina ianao hatreo hampiditra ny lahatsary mifandraika amin'ny sombin-dahatsoratra nomena anao io. Raha toa tsy mahatafiditra ny lahatsary ianao mandra-pahatapitr'io fotoana io dia omena ny hafa indray ilay anjara nomena anao teo. Reheefa tafiditra ilay lahatsary, voamarina ary raha ekena dia ho tafiditra anisan'ny El Quijote 2.0. Ireto manaraka ireto moa ny sasantsasany amin'ny lahatsary efa tafiditra:

Javi Goñi, Avy any Espaina, mamaky ny anjarany amin'ny alalan'ny printy Braille. Ao, nihaona tamin'i Aldonza Lorenzo i Don Quixote ary nanapa-kevitra izy fa ravehivavy no ho ilay vehivavin'ny eritreriny, nanome azy ny anarana hoe Dulcinea del Toboso:

Juan Manuel, avy any Mota del Cuervo any Espaina, mamaky ny anjarany mijoro eo anoloan'ny trano fitotoam-barimbazaha ahodin'ny rivotra. Ary tsy atao mahagaga loatra raha nisafidy io toerana io izy, rehefa voaresaka ao amin'ny vohikala ilay toerana:

Porque, también hay que decirlo, Mota del Cuervo es un pueblo tremendamente quijotesco, enclavado en lo más circunstancial de la geografía en la que discurrieron las aventuras y desventuras del inmortal personaje cervantino.

Satria, tsy maintsy milaza izahay fa tanàna ao anatin'ny tantaran'i Quixote mihitsy i Mota del Cuervo, toerana tafalentika lalina ao anatin'ny tantara rehetra na tsara na ratsy mampiavaka ny tantaran'i Cervantes.

Eny an-dalana any Villarica, Chile, no amakian'i Héctor Bustos ny tantaran'ilay Mahasakodiavatra; momba an'i Anselmo, ilay mpandehandeha mpiahiahy izay misalasala amin'ny fahendren'ny vadiny sy ny namany Lothario izay noresen'i Anselmo lahatra hikôtikôty ny vadiny.

Tsy ny rehetra no mamaky teny. Nohirain'i Tremolo22 avy any Arzantina ny anjarany:

Menchulica avy any amin'ny nosy Canary moa dia tsy niseho vatana akory. Raha jerena ny lahatsariny rehefa dia sarimiaina no nampidiriny miaraka amin'ny feo namboarina:

Raha tianao moa ny tantaran'ilay mpanan-kevitra sady mpahalala fomba Don Quixote avy any La Mancha ary mpiteny espaniola ianao dia afaka mandray anjara amin'izany ho anisan'ireo miaina ity fanandramana atao manerana ny tany ity.

One of the most loved works of literary fiction in Spanish, Don Quixote, has come to life through YouTube. Hundreds of volunteers are reading fragments of Miguel de Cervantes’ work and uploading them to the ElQuijote Channel.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.