Mipoitra Indray Ny Teny Indizeny Ao El Salvador Taorian'ny Zava-tsarotra Taloha

Sarin'ireo tanora mpandray anjara tamin'ny tetikasa. Sary avy amin'ny CCNIS, nahazoana alalana. 

Ity no vaovao faha-efatra momba ny tetikasanay, nahazo vatsy ho an'ny fikatrohana nomerika ho an'ny teny indizeny. Manoratra lahatsoratra manasongadina ny fivoarana ireo nahazo vatsy izay tompon-kevitra tamin'ity tetikasa ity.

Rehefa miresaka momba ny teny vazimba teratany ao El Salvador, tsy maintsy tafiditra ao ireo olona indizeny telo ao amin'ity firenena ity: Náhua Pipil, Lenca ary Kakawira. Manana ny toetra mampiavaka azy tsirairay izy ireo, saingy miara-miasa eo amin'ny sehatry ny firenena. Ny teny tena nahasarika ny saina dia ny Nahuat, izay marobe no mampiasa ny teny sy ny fahafahana manaparitaka azy. Tsy izany anefa ny amin'ny teny Potón sy Pisbi ho an'ny olona indizeny Lenca sy Kakawira tsirairay avy, izay tsy maintsy hamafisina ao amin'ny fiarahamonin'izy ireo ny fampiasana ny tenin'izy ireo, noho ireo mpampiasa ny teny efa zokinjokiny sy ny fiantraikan'ny zava-nitranga ara-tantara nihatra tamin'ny teny.

Zava-misy ara-tantara

Nandritra ny fananganana ny fitondrana miaramila tamin'ny taona 1932, nisy ny fandripahana nitranga ka olona indizeny telo alina teo ho teo no maty, ary nenjehina ireo izay nampiasa ny teny tompotany sy ireo nanao ny fitafiana indizeny ary ireo niaina ny fomba fiainan'ny indizeny.

Sary avy amin'ny CCNIS, nahazoana alalana.

Nitarika fiovana lehibe teo amin'ny rafi-pampianarana mahakasika ny fankatoavana ny fiavianay manokana izany, nahatonga ny teninay sy ny tantara tafatambatra tamin'ny  tranombakoka tsy hita maso, sy tsy niraharaha ny fahalalana sy ny fahendrena rehetra nananan'ny razana. Nifarana tamin'ny faramparan'ny taona 1970 ny vanim-potoana fitondrana miaramila, ary nanomboka tamin'ny taona 1980 ny ady an-trano, nandritra izany fotoana izany, novonoina ho faty ireo vondrom-piarahamonina indizeny, anisan'izany ireo ray aman-drenibe maro izay nanam-pahalalana momba ny teny. Tamin'ny taona 1992, nosoniavina ny fifanekena ara-pihavanana, niteraka fahafahana handrafitra indray ny rafi-pandaminana indizeny teo amin'ny sehatra nasionaly, ka nifantoka tamin'ny fanamafisana ny mari-pamantarana ara-kolontsaina sy ny zon'ny vahoaka indizeny ny Filankevim-pirenena Salvadoriana Mpandrindra ny Indizeny (CCNIS).

Sary avy amin'ny CCNIS, nahazoana alalana.

Ny zava-misy ankehitriny

Nisy fiantraikany hatramin'izao ny fampiroboroboan'ny fanjakana ny fiarahamonina tokan-kolontsaina, saingy ireo tetikasa roa farany avy amin'ny governemanta dia natao hananganana paikadim-pirenena ho an'ny olona indizeny, mifototra amin'ny fahavononana noraisin'ny El Salvador ao amin'ny Firenena Mikambana ao anatin'ny Fihaonambe Manerantany ny Olona Indizeny tamin'ny Septambra 2014. Iray amin'ireo tanjon'ny olona indizeny voalaza ao amin'ity antonta-kevitra ity ny fametrahana dingana hanamafisana ny teny indizeny ao anatin'ny Minisiteran'ny Fampianarana mba hampiroborobo azy ireo ao amin'ny faritra misy azy ireo tsirairay avy.

Nahazo fanohanana avy amin'ny tetikasan'ny Rising Voices ihany koa izany rafi-pikambanana izany izay mitarika sy manatanteraka ireo tetikasa ireo mba hanome endrika indray ny bokikely fampianarana ho an'ny teny Potón an'ny vahoaka Lenca sy ny teny Pisbi an'ny vahoaka Kakawira. Noforonin'ireo mpianatra taona faha-dimy ao amin'ny sampana Famolavolana Sary (Graphic Design) ao amin'ny Oniversite Don Bosco ireo bokikely ireo. Afaka nahafantatra ny vondrom-piarahamonina sy ny mpitarika azy ireo ny mpianatra mba hahazo ny fankatoavan'izy ireo sy hiditra amin'ny fanomezana endrika vaovao. Nanana fahafahana hametraka fiarahamiasa eo amin'ny oniversite sy ny CCNIS ihany koa izy ireo.

Ity manaraka ity ny fonon'ny bokikely noforonina niaraka tamin'ny vondrom-piarahamonina.

SDC11366 SDC11367

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.