Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Tsy Maintsy Ampandehanina ny Tsy Fihetsehana

Mijery todika amin'ireo tantara sasany izay nivoaka tato amin'ny efitra fanoratam-baovaon'ny Global Voices vao haingana ny herinandro tato amin'ny Global Voices. Tamin'ity herinandro ity izahay niresaka tamin'ny mpandray anjara Endalk momba ny  fihetsiketseham-panoherana, mari-panondroana ara-politika ary ny herisetram-panjakana ao Ethiopia.

Hilaza aminao ny tantaran'ny voina, fanavakavahana, ary ny fahavitrihana ara-teny avy ao Pakistan, Trinidad sy Tobago ary Aostralia ihany koa izahay. Ary mitantara ny fangirifiriana tsapany tamin'ny tsingerintaona fahatelon'ny fandripahana tao Rabaa i Salma Essam.

Isaorana be dia be i Sana Saleem, Eduardo Avila, Janine Mendes-Franco ary ireo mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary tonia rehetra ato aminay nanao izay hahatontosa ity tantara ity.

Amin'ity fizaran-tantara ity izahay manasongadina ireo hira mizaka ny lisansa Creative Commons avy amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaim-poana, ka ao anatin'izany ny Please Listen Carefully avy amin'i Jahzzar; Clover avy amin'i Little_Glass_Men; Stay avy amin'i Igor_Khabarov; Modulation of the Spirit avy amin'i Little Glass Men;  The Sink avy amin'i Cory GraySe recourber avy amin'i Monplaisir; ary Bongo Avenger avy amin'i Eric & Ryan Kilkenny.

Ny sary nasongadina tamin'ity tantara ity dia fihetsiketseham-panoherana iray ao Ethiopia avy amin'ny pejy Facebook an'i  Abdi Lemessa. Nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.