Afaka Fotoana Fohy, Azo Jerena Maimaim-poana Amin'ny Aterineto Ilay Fanadihadiana ‘Humano’  Fankalazana Ny Fetiben'ny Masoandro Fanaon'ny Incas

The film will be available until June 24th to celebrate the Inti Raimy, or the Sun Festival. Screenshot from the film, available on Vimeo.

Azo jerena maimaim-poana hatramin'ny 24 Jona ny sarimihetsika ho fankalazana ny Inti Raimy, na ny Fetiben'ny Masoandro. Pikantsary avy amin'ny sarimihetsika, hita ao amin'ny Vimeo.

Natao ho azo jerena amin'ny aterineto maimaim-poana ny fanadihadiana “Humano” ho fanamarihana ny Fetiben'ny Masoandro, na ny Inti Raimy, fankalazana ny  taombaovao Inca.

Afaka mijery ny fikasan'ny tovolahy iray mba hitady ny valim-panontaniana momba ny toetoetry ny olona ao amin'ny Andes Peroviana ireo mpijery izay nisoratra anarana tao amin'ny tranonkalan'ny sarimihetsika hatramin'ny 24 Jona, andro farany amin'ny fetibe.  Hita amin'ny dikantsoratra anglisy sy portiogey ny lahatsary fanadihadiana amin'ny teny espaniola .

Araka ny famaritan'ny fanadihadiana :

HUMANO es una película documental que narra el viaje de un joven a las montañas andinas, acompañado solamente por una cámara, doscientas preguntas y las [ansias] de descubrir el origen de [los seres humanos]. En Q’eros [en el Cuzco peruano] se encuentra con un chamán que le explicará que antes de responder sus dudas, él deberá aprender a ser Humano.

Horonantsary fanadihadiana  mitantara ny dian'ny tovolahy iray ho any an-tendrombohitr'i Andes ny HUMANO, niaraka tamin'ny fakan-tsary iray, sy fanontaniana roanjato ary ny hetahetany hahita ny fiavian'[ny olombelona]. Misy mpanasitrana iray any Q'eros [any Cusco], izay hanazava izany alohan'ny hamaliany ireo fanontaniana, ary tsy maintsy mianatra ny fomba maha-olombelona aloha izy.

Mifantoka amin'ny fikarohana manokana sy ny fikarohana ny fihaviana amin'ny alàlan'ny fomba fijery nentimpaharazana Inca ny sarimihetsika . Miresaka ihany koa ny fampianaran'ny razana avy ao amin'ny faritra izay mampiroborobo ny fahatakarana tsara kokoa ny toetry ny karazan-javatra ilay izy.

Araka ireo mpamokatra sarimihetsika, tsy voaomana ilay fanadihadiana . Nilaza izy ireo fa  nampiasa ny teknolojia sy ny media sosialy mba hanitarana ny fahatakarana tsy hoe ilay sarimihetsika irery ihany, fa ny votoatin'ny hafatra ihany koa:

Filmada en el altiplano andino durante tres meses ininterrumpidos, no hubo guión ni planificación de rodaje, la única guía fueron las preguntas, el corazón del director y el paqo andino (chamán). Ellos fueron los únicos protagonistas y testigos de este íntimo viaje a las profundidades del inconsciente colectivo. El documental ha demostrado que otra forma de hacer cine es posible, tanto en su producción como en su exhibición, donde se aprovecha al máximo el uso de la tecnología y las redes sociales. Gracias a la ayuda de más de doscientos humanos que colaboraron como mecenas, técnicos y colaboradores se ha podido generar esta película que habla de lo que somos.

Tsy nisy soratra arahina na drafitra [ny fanadihadiana] izay natao tao amin'ny lembalemba avon'i Andes nandritra ny telo volana tsy tapaka. Ireo fanontaniana, ny fon'ny mpanantontosa ary ilay mpanasitrana no hany mpitari-dalana. Izy ireo ihany no hany mpandray anjara sy vavolombelona tamin'ity dia manokana ho any amin'ny halalin ‘ny fietanam-po miaraka ity. Mampiseho fa misy fomba hafa azo hanaovana sarimihetsika ilay fanadihadiana, tsy ny fomba namokarana ilay izy ihany, fa ny fomba nampirantiana azy ihany koa. Nampiasa ny fomba rehetra azo natao tamin'ny teknolojia sy ny media sosialy [izahay]. Tontosa ny fanaovana ny sarimihetsika izay mitantara ny hoe iza moa isika noho ny fanampian'ny olona mihoatra ny 200  izay niara-niasa ho mpanohana, teknisianina sy mpiara-miasa, .

Ny Fetiben'ny Masoandro

Ny Fetiben'ny Masoandro, na ny Inti Raymi, dia avy amin'ny Incas, ary ankalazaina ao amin'ny fiaraha-monin'io taranaka io. Manazava ny fomban-drazana ny bilaogy Cometa Mágico (Fanehoan-kevitra Mahagaga) :

Inti Raymi era la más grande e importante celebración que se llevaba a cabo en tiempo de los Incas y que se continúa hoy cada solsticio de invierno (24 de junio, en el hemisferio sur), en los Andes mientras en el hemisferio norte se celebra la “Noche de San Juan”. [Para los incas] Inti Raymi marca el comienzo de un nuevo año. Era celebrado al final de la recolección de papas y maíz para agradecer a Inti por la abundante cosecha o, de otra manera, pedir por una más exitosa en la próxima estación.

Inti Raymi no fankalazana lehibe sy manan-danja indrindra amin'ny andron'ny Incas, ary mbola atao amin'izao fotoana izao isaky ny fiverenan'ny masoandro rehefa ririnina (24 Jona ao amin'ny Ila-Bolantany atsimo) any Andes. Mandritra izany fotoana izany, Takarivan'ny Masindahy Joany izany any [amin'ny ilabolantany] avaratra. Manamarika ny taombaovao ny Inti Raymi [Ho an'ireo Incas]. Hankalazaina amin'ny faran'ny fiotazana ovy sy ny katsaka izany mba ho fisaorana ny Inti (ny Masoandro) noho ny habetsahan'ny vokatra, na ho fangatahana ny famokarana  tsara kokoa  amin'ny vanim-potoana manaraka .

Miditra an-tsipiriany bebe kokoa amin'ny fombafomban'ny fetibe sy ny tantara ny lahatsoratra, toy ny hoe voarara ny fankalazana ny fetibe nandritra ny vanimpotoana fanjanahantany Espaniola. Farany, manondro ny maha zava-dehibe ny fomban-drazana ho toy ny fomba iray hamelomana ny fahatsiarovana fahiny ny mpanoratra:

Actualmente el Inti Raymi es una representación teatral, pero también una de las manifestaciones tradicionales más evocadoras de nuestra identidad nacional porque simboliza los valores y recuerdos de nuestro pasado.

Ankehitriny, fanehoana an-tsehatra ny Inti Raymi, ary iray amin'ireo hetsika fahatsiarovana nentim-paharazana ny amin'ny fanondroana ny firenena koa, satria maneho ny soatoavina sy ny fahatsiarovana ny lasa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.