Mbola Mangorintsin'ny Fitsidihan'i Kim Kardashian An'i Bahrain

Mbola mitohy mameno ny vaovao – sy ny media sosialy – ihany ny fitsidihana nataon'ilay Amerikana vavy malaza mpilalao sarimihetsika mamoafady Kim Kardashian tany Bahrain.

Tanaty andianà bitsika maro, napetrak'i Nicholas Kristof mpanoratra ao amin'ny New York Times mazava tsara ny tsy hafaliany tamin'ny fandàvana hanome azy fahazoan-dàlana hitsidika an'i Bahrain, toerana izay nanasàna an'i Kardashian hanokatra trano fivarotana “milkshake” tamin'ny 1 Desambra lasa teo.

Mibitsika izy :

@NickKristof: Miteny i Kim Kardashian fa tokony hitsidika an'i  #Bahrain ny olona rehetra http://www.washingtonpost.com/blogs/worldviews/wp/2012/12/03/why-people-are-so-upset-about-kim-kardashians-odd-visit-to-bahrain/ … Nefa ny fitondràna mpanao famoretana ao Bahrain mandà tsy hanome fahazoan-dàlana ho ahy.

Ary mivazivazy izy :

@NickKristof: Angamba mety hanandrana ny hisisika ho any #Bahrain aho, hanova endrika ho ilay anadahin'i Kardashian ela tsy hita. Na ho toy ny Amerikana iray mpivarotra fitaovam-piadiana.

Ary dia nahazo aina ho azy teny ilay vazivazy, rehefa nirotsaka nanatevin-daharana azy ny hafa :

@NickKristof: Na tahaka ny kapoaka goavanà entona fandatsahan-dranomaso? RT @acarvin: @NickKristof Mitafia ianao toy ny ‘milkshake’ avobe, matsiro ary dia hilamina ianao.

Marobe ireo fantsonà media no nanao fanamarihana mikasika ilay fitsidihana, niteraka haravoana ho an'ireo Bahraini mpisera anaty aterineto. Maro ireo zendana amin'ny fomba nibahananà olo-malaza iray amin'ny fahitalavitra, tonga mitsidika firenena iray mikorontana, toerana betsaka amin'ireo lohateny vaventy, mitàha amin'ireo olona voavono manerana ny faritra.

Marwan Bishara mibitsika hoe :

@marwanbishara: atsaharo ny manelingelina an'i kim #kardashian re #Israel, #Palestine #Bahrain (toerana mahafinaritra indrindra eto an-tany) Miandry ny bitsika avy aminy momba an'i #Syria, #Milkshake ho an'ny rehetra

Ali Albazzaz, Bahraini mpanao sariitatra, dia nibitsika ity sary ity :

“Kim Kardashian ao Bahrain” sariitatra avy amin'i Ali Albazzaz

Ary 3yosh nibitsika sary iray manakiana ny fifamoivoizana ao amin'ny Arabe King Fahad Causeway, izay mampifandray an'i Bahrain amin'i Arabia Saodita, momba ny fitsidihan'i Kardashian an'i Bahrain :

Ny fifamoivoizana tao amin'ny arabe King Fahad. Sary nozarain'i @3yosh

جسر البحرين زحمممة

@3yosh: Nitohana ny arabe tao Bahrain

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.