Tsaroan'ny Indoneziana mpikatroka i Munir Said Thalib, ilay mpiaro ny zon'olombelona nisy namono

Munir Said Thalib via Wikipedia.

Munir Said Thalib hita ao amin'ny Wikipedia.

Ity volana ity no manamarika ny faha-11 taona namonoan'ny ahiahiana ho avy ao amin'ny miaramila ilay Indoneziana mpikatroka Munir Said Thalib.

Hita faty tao amin'ny zotra an'habakabaka Garuda Airlines niainga avy ao Jakarta hizotra ho o any Amsterdam i Munir. Ny fandidiam-paty handinihana ny fomba nahafatesany no nahitana fa avy amin'ny fanapoizinana tamin'ny arsenika no nahafaty azy. Olona telo no nomelohina taty aoriana saingy maro no nino tsy mba nentina teny amin'ny fitsarana ny tompon'andraiki-panjakana ambony nibaiko ny famonoana azy.

Mpikatroka mpandala ny zon'olombelona manana ny lazany nampiranty ny fihoaram-pefin'ny governemanta nandritra ny taona faramparany nitondran'ny Filoha Suharto nandritra ny taompolo 1990s i Munir. Nanao fanaitairana hanoherana ny habibiana nataon'ny tafika tany Timor Leste ihany koa izy. Maty izy nandritra ny diany ho any Amsterdam nahatafiditra azy hianatra lalàna iraisampirenena.

Nametraka fahatsiarovana ny tsingerintaonan'ny fahafatesany tao New York ny naman'i Munir. Mandritra izany fotoana izany dia nampiasaina ny diezy Twitter #11tahunMunir ho fampahatsiahivana amin'ny olona sy ny governemanta fa tsy mbola tapitra tsy akory ny fitadiavana ny rariny. Ao Amsterdam dia misy lalana iray nomena anarana avy amin'i Munir.

Indreto ambany ireto ny sasantsasany amin'ny hafatra ao amin'ny media sosialy izay manasongadina ny fitohizan'ny fitakian-drariny ho an'i Munir:

"I have to show no fear, to make others fearless" – Munir DIBUNUH KARENA BENAR! #11TahunMunir #MenolakLupa #MunirTetapAdaBerlipatGanda

A photo posted by LPM Perspektif FISIP UB (@lpmperspektif) on

“Tsy maintsy mampiseho tsy fahatahorana aho hahatonga ny hafa tsy hatahotra” – Munir DIBUNUH KARENA BENAR!

Na very aza ny feoko, ny safidy mbola eo anatrehako. [Noezahina hiady rima tahaka ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy] [11 taona Munir]

Ny fahatsiarovana dia lalana iray mizotra mankany amin'ny rariny rehefa tsy mahomby ny lalànan'ny fitsarana ary midika ho fisorohana ny fiverenan'ny otan'ny tantara. [11 taona Munir]

Munirpad any La Haye ho fampahatsiahivana famonoana; Ampahatsiarovana [11 taona Munir]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.