Nanjohy ny fitakiana hamantarana ny itoeran'ny rakitahiry ny Apple ka nanofa habaka foibem-pitehirizana rakitahiry ao Rosia

Russian media report Apple has decided to comply with the data localization law. Images mixed by Tetyana Lokot.

Notaterin'ny fampitam-baovao rosiana fa nanapa-kevitra ny hanaja ny lalànan'ny famantarana ny itoeran'ny raki-tahiry i Apple. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nanapa-kevitra ny Apple hanaja ny lalàna rosiana famantarana ny itoeran'ny raki-tahiry ary nanofa habaka fitehirizana raki-tahiry ao amin'ny IXcellerate ao amin'ny tany rosiana, araka ny tatitra nataon'ny gazetim-pandraharahana rosiana mivoaka isan'andro Kommersant.

Ny loharanom-baovaon'ny Kommersant no manombana fa nanao fitadiavan-tolotra fitehirizana rakitahiry ny Apple tamin'ny Jolay, ary nifidy ny IXcellerate hitehirizana ny rakitahirin'ny Rosiana mpiserasera. Nasongadin'ny iray amin'ny loharanom-baovaon'ny Kommersant fa “tsy nihanona fotsiny tamin'ny fanarahana ny lalànan'ny rakitahirin'olona manokana” ny fifanarahana nifanaovana sonia tamin'ny IXcellerate fa “fifanarahana matotra.” Samy tsy nanaiky ny haneho hevitra na ny IXcellerate na ny Apple rehefa nila resaka taminy ny Kommersant.

Ny foiben-drakitahirin'ny servisy IXcellerate dia ampiasain'ny tranonkalam-pandehanana lavitra sy hotely fiantranoana Booking.com, izay manam-pikasana ny hitahiry rakitahirim-pasipaoro sy kara-bola ho an'ny mpiserasera rosiana mampiasa ny tranonkala hamandrihana hotely na zotra an'habakabaka.

Samy malaza any amin'ny RuNet na ny Booking.com na ny Apple : araka ny rakitahiry ComScore, tamin'ny Jolay 2015 ny Booking.com nanana mpitsidika mihoatra ny 4 tapitrisa avy ao Rosia, raha nanakaiky dia akaiky ny 3 tapitrisa ny mpitsidika tsirairay tao amin'ny servisy an-tseraseran'ny Apple avy amin'ny mpiserasera Rosiana.

Nanomboka nanankery tamin'ny voalohany volana septambra 2015 ny lalànan'ny famantarana ny itoeran'ny rakitahiry, izay mitaky amin'ny orinasan'ny aterineto hitahiry ny rakitahirin'ny mpiserasera rosiana amin'ny lohamilina maro miorina ao Rosia. Izay servisin'aterineto tsy manaraka ny lalàna dia ampidirina manampy isa ny rejisitry ny mpanitsakitsaka lalàna ary mety ho voasakana araka ny baikon'ny sampandraharaha rosiana manaramaso ny aterineto antsoina hoe Roscomnadzor.

Tamin'ny Aogositra 2014 ihany koa ny Apple no nanomboka nitahiry ny rakitahirin'ny Shinoa mpiserasera, olona manokana, sasantsasany ao amin'ireo lohamilina ao Shina Tanibe, ao anatin'ny fialana bala hoe mba “halaky sy azo antoka” kokoa ny servisy iCloud ho an'ny mpiserasera ao Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.