Okraina/Rosia : mitokozihitra ny krizy ara-angovo

la-russie-coupe-son-gaz-a-l-ukraineTsy voaisa intsony ny krizy ao Okraina. Eo ankilan'ny krizy politika ifanandrinan'ny mpanohana rosiana sy ny mpanohana fitondrana, dia tsy maintsy miatrika kizy ara-toekarena roa sosona amin'ny tsy fisiam-bola sy ny fahavitana mahaloa trosa i Okraina. Manamarika dingana vaovao ao amin'i Moskoa sy i Kiev ny tsy fahombiazan'ny fifanarahana eo amin'ny sehatry ny etona nifanaovan'ny roa tonta. Sakana mihelingelina ny saina amin'ny fanakaikezan'ny ririnina [ao Eoropa].

Tapaka tanteraka ny fifanarahana eo amin'ny etona fandrehitra

Tamin'ny fanombohan'ny volana jolay, ny ampitson'ny nampandamoka ny fifanarahana teo amin'ny Naftogaz, orinasam-bahoaka okrainiana, sy ny mitovy aminy avy any Rosia Gazprom, dia nohamafisin'i Rosia ny fampitsaharana fandefasana etona fandrehitra ao Okraina. Toko vaovao eo amin'ny fifanenjanana eo amin'ireo goavan'ny orinasan'etona fandrehitra. Teo aloha i Okraina nisitraka fifanarahana omena tombondahiny tamin'ny fandefasana etona fandrehitra, mahazo fihenam-bidy 100 dolara isaky ny arivo metatra toratelo raha oharina amin'ny vidin'ny eny an-tsena. Saingy nampiakatra ny feo tany Moskoa ny fitotongan'ny vidin'ny solika, sy ny etona fandrehitra, ary manampy izany fihenjanan'ny tady eo amin'ny roa tonta hatramin'ny nisian'ny krizin'i Donbass tamin'ny herintaona. Ary dia tsy nahazo tombondahiny intsony i Okraina.

Raha efa nampidinin'ny Gazprom hatrany amin'ny 247,12 dolara ny vidiny ambany indrindra, dia nangataka i Kiev mba ho ampidinina hatrany amin'ny 200 dolara ny 1000 metatra toratelo. Manazava toy izao ankehitriny i Dmytro Firtash, mpanao fifampiraharahana niasa ho an'i Okraina taloha, zay nahavita nahazo vidin'etona fandrehitra ambany dia ambany: « Ny fiainana no mampianatra antsika fa zava-dehibe ny manampahaizana manokana amin-javatra atao, sy ny mahatakatra ny fandehan-javatra. Indrisy fa kely dia kely sy ankosotra ihany ny fahatakaran'ny governemantanay ny fomba fandehan'ny [fitsinjarana etona fandrehitra] sady tsy afaka ny miatrika manontolo ny vokatry ny zavatra nataony ».

Tafalatsaka ambany indrindra ny toekarena Okrainiana

Sakana vao maika miteraka olana raha efa mihintsana ny toekarena okrainiana. Efa miendaka eo amin'ny firenena ankehitriny ny faritr'i Donbass, izay mamaritra ny 20 isanjaton'ny harinkarena anatiny. Voavonjin'ny FMI tamin'ny fotoana farany noho ny tsy fahaloavan-trosa i Okraina tamin'ny fanolorana drafi-panampiana, fa mbola ambany dia ambany [mena] daholo ny marika rehetra ary kely dia kely koa ny fanantenana ahatafavoahan'ny firenena amin'izao honahona izao.

Miiba – 6,8 isanjato ny fitomboan-karena tamin'ny 2014 ary ny tombatombana amin'ity 2015 ity dia anelanelan'ny  – 5,5 % sy -7,5 %. Mihamidina hatrany ny sandam-bola rehefa nobaikon'ny FMI hampitsahatra ny fiarovana ny volany manoloana ny tsena ny Banky Foibe Okrainiana. Midina hatrany amin'ny atsasabidy ny hryvnia manoloana ny dolara tamin'ny 2014 ary dia mbola nidina mihoatra ny 30 % hatramin'ny nanombohan'ny taona. Mirazotra amin'izany dia miteronterona any amin'ny 25 % isan-taona ny fiakaran'ny vidim-piainana (45,8 % tamin'ny faran'ny volana marsa 2015).

Mbola miandry aloha izany ny fanavaozan-drafitra takian'ny FMI ho takalon'ny fandraharam-panampiana hatolotra. Nangatahin'ity andrim-pitantanam-bola ity tokoa manko ny idiran'i Kiev amin'ny drafi-pandravonana ny fandaniambolam-panjakana sy ny fanamafisana ny tetibolam-panjakana, saingy mbola tsy manam-pahafahana hanatontosana izany fitakiana izany aloha amin'izao fotoana izao ny governemanta. Midina ambanin'ny –4 % ny fatiantoka ara-tetibola ary mahatratra 72,7 % amin'ny harinkarena anatiny ny trosam-panjakana. Efa tombanan'ny FMI hahatratra 94 % izany amin'ity taona 2015 ity. Raha tsy misy fitoniana any atsinanan'ny firenena ary raha tsy misy ny fifanarahana eo amin'ny etona fandrehitra ifanaovana amin'i Rosia, dia mbola anatin'ny nofinofy ririnina fotsiny izany fanantenana isian'ny fihatsarana eo amin'ny toekaren'ny firenena izany.

Mikaroka etona alohan'ny ririnina

Raha mbola tsara ny andro dia mbola voafehy ihany ny ahiahy. Fa inona no mitranga rehefa midina ambanin'ny zero ny maripana ? Tsy maintsy mamaha ny toe-draharaha miaraka amin'ny Gazprom i Okraina na mitady mpiara-miombon'antoka vaovao alohan'ny ririnina [ao Eoropa]. Ny tena itodihany moa dia ireo firenena ao Eoropa afovoany.

Manoloana ny tsi-fidiana, dia mety halaim-panahy ihany koa i Kiev hisintona amin'ny fantsona mitondra etona avy any Rosia mankany Eoropa andrefana. Lalana tsy maintsy andalovan'ny etona rosiana omena an'i Eoropa i Okraina tao anatin'ny roapolo taona ka manana fantson'etona maro dia maro. Sarotra anefa ny isian'izay toe-javatra izay. Efa niatrika tsy fisian'etona i Okraina fa tsy nihazakazaka ho amin'izany vahaolana izany, fandrao manko manohintohina ny Eoropeana mpiara-miombon'antoka hahita ny komandin'etona nataony nisy nahafahana.

Vao nambara ny fampiatoana ny fifanarahana ara-etona dia nampahery ny Vaomiera Eoropeana. Nanome antoka ny Kaomisera eoropeana misahana ny angovo, Maros Sefkovic,  fa “tsy voantohintohina” ny fanondranan'entambarotra rosiana mankany Eoropa. Sarotra ny maka sary an-tsaina fa ho tafavoaka irery amin'ny krizin'angovo i Okraina. Ny tahirin'arintany sy ny harena ankibon'ny tany dia ao Donbass. Nefa ny fifanenjanana mihamahazo vahana indray na dia teo aza ny fanambaran'i Petro Porochenko hanolotra satam-pizakantena amin'ny ampahany ho an'io faritra [fehezin'ny mpisintaka] io dia ahafahana maminavina fa tsy hilamina haingana ny toe-draharaha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.