Matson'i Shina Momba ny Ady Lehibe II : Manenjika Ireo Mpanakanto Tsy “Tia Tanindrazana” Ireo Mpandranitra

A number of Hong Kong artists upload salute photos during China's military parade on September 3. Images from Apple Daily. Non-commercial use.

Mpanakanto maro ao Hongo Kong no nampiakatra sary maneho fiarahabana miaramila nandritra ny matson'ny miaramilan'i Shina ny 3 Septambra. Sary avy ao amin'ny Apple Daily. Tsy azo ampiasaina anaty votoatim-barotra.

Nahazo hafatra fampijaliana maherin'ny 40.000 i Christine Fan, mpihira Taiwanezy teratany Amerikana, tao anatin'ny vohikala malaza an'ny media sosialy, Weibo, taorian'ny nampiakarany sarin'ireo zanany kambana ny 3 Septambra nandritra ny matson'ny miaramila Sinoa ho fahatsiarovana ny niafaran'ny Ady Lehibe II.

Niampanga azy ho tsy ampy fitiavan-tanindrazana ireo fandranitana ireo, na dia teratany Amerikana azy i Fan ary tsy tanindrazany i Shina.

Ankoatra an'i Fan dia mpanakanto maro hafa ihany koa, izay tsy nizara sary momba ilay matson'ny miaramila, no nisy nanafika tao anaty aterineto, taminà fomba sahala amin'io.

Ity ambany ity no ohatra iray amin'ireo tsikera mahazatra avy amin'ireo “tia tanindrazana mpandranitra”:

你不发阅兵的照片,居然发你儿子的照片!你不爱国!
你不感动吗?你还是中国人吗?
你不爱国,你滚出中国!

YTsy mamoaka sarin'ny matso ianao, nefa mahavita mamoaka ny sarin'ny zanakao, tsy tia ny firenenao ianao!
Amin'ny fomba ahoana no tsy mba mahatohina anao? Sinoa ve ianao?
Tsy tia ny firenena ianao, mialà an'i Shina.

Very mpankafy maherin'ny 200.000 isa i Fan tanatin'ny 5 andro, 47.93 tapitrisa izany talohan'ny matso ary nihena ho 47.73 tapitrisa kosa ny 8 Septambra, ao amin'ny kaonty ofisialiny ao amin'ny Weibo. Taorian'io firotsahan'ny fankahalana io, namafa ilay sary i Fan ary naneho ny fanenenany:

真是对不起,因为分享了一张儿子的照片,让大家不高兴了!

Miala tsiny aho raha noho ny fizarako ny sarin'ny zanako dia tezitra ny olona.

Araka ny fitsapan-kevitra natao tanaty aterineto tao amin'ny Sina Weibo, tamin'ny 10 ora alina ny 5 Septambra, maherin'ny 80% tamin'ireo valiteny no nilaza fa tsy maninona ny fizaran'i Fan ny sarin'ireo zanany nandritra ny matson'ny miaramila, raha 5.8% fotsiny kosa no nilaza fa tsy tokony nanao izany izy. Na teo aza ny feo feno taraina, dia toa mizara ny fihetseham-pon'ilay mpampiasa Weibo, “Hi, Liming”, ny ankamaroan'ireo Sinoa mpampiasa aterineto:

#范玮琪晒娃遭批#一個母親愛自己的孩子需要道歉麽?閱兵的目的是什麼?不就是為了保護中國的母親和孩子免於恐懼?呼喚和平的目的不就是為了讓世界上的每一個母親和孩子都有安全的、愛的自由?@范范范瑋琪 何錯之有?

Notafihana i Christine Fan noho ny famoahany ny sarin'ireo zanany kely. Ahoana no mahatonga ny renim-pianakaviana iray tokony hifona noho ny fitiavany ny zanany? Inona no tanjon'ilay matson'ny miaramila? Hiaro ny reny sy ny zanaka amin'ny tahotra? Angaha ny antsoantso ho an'ny fandriampahalemana dia tsy ny mba hahazoana antoka fa lavitry ny loza ireo reny sy ankizy rehetra eran-tany ary malalaka ny hitia? Inona no tsy nilamina tamin'i Christine Fan?

Nanambara i Hou Hongbing, mpitsikera ny raharaha miseho amin'izao fotoana, fa na dia ankavitsian'ireo mpampiasa aterineto aza ireo mpandranitra, dia mety “hamerina hanoritra” ny dikan'ny fitiavan-tanindrazana ny fampijaliana ataony amin'ireo olo-malaza anaty aterineto:

简单地说,网络上有这么一群人,重新定义了“爱国”,他们的衡量标准并不在于你为国家做了多少贡献,是否有益于社会和文明的发展和进步;而是,进攻每一个跟自己不一样的人,辱骂、胁迫,并把这种行为冠上“爱国”的名号。
他觉得应该不高兴的时候,便强迫别人不许笑;他觉得应该高兴的时候,又强迫别人一定要笑。

Raha lazaina amin'ny fomba tsotra dia namerina nanoritra ny atao hoe “fitiavan-tanindrazana” ny fianakaviambe anaty aterineto. Tsy mifototra amin'ny fandraisanao anjara anatin'ny firenena na ny fiarahamonina sy ny vahoaka mandroso ny fitsaran'izy ireo. Manafika ireo tsy mitovy aminy izy, manozona ary mandrahona azy ireo. Ary amin'ny anaran'ny “ditiavan-tanindrazana” no hanaovan'izy ireo izany.

Rehefa tsy faly ry zareo, dia mandrara ny hafa tsy hihomehy; ary rehefa mahatsapa kosa ry zareo fa tokony hifaly, dia tereny hihomehy ny hafa.

Fanafihana efa voarindra?

Ny matson'ny 3 Septambra no fotoana voalohany nikarakarain'ny Antoko Kaominista Sinoa hetsika tahaka izao ho fahatsiarovana ny niafaran'ny Ady Lehibe II. Koa satria ny antoko pôlitika Kuomintang an'ny Repoblikan'i Shina (Taiwan) vao nitsangana tamin'izany no nitarika ireo ezaka fiadiana enti-manohitra an'i Japana, dia tsy vitsy ireo taitra tamin'ny fanambaran'ny antoko kaominista fa an'ny Foibe ny manohitra ny fananiham-bohitra Japoney.

Ny mpitoraka bilaogy iray hafa, Shen Shi, kosa dia nino fa tosika fanivanana efa vita lamina sy karakara iny fampijaliana iny, ary nataon'ilay antsoina hoe “50 Cent Party” an'i Shina na koa ilay miaramilan'ny vahoaka mandroso ao anaty aterineto manohitra ireo mpanakanto. Nilaza io mpanoratra io fa mpanakanto maro avy ao Hong Kong, izay naneho ny fanohanany ny hetsika “Occupy Central” [Bodoy ny Foibe], ilay hetsi-panoherana mpomba ny demôkrasia tamin'ny 2014, no noraran'ireo manam-pahefana mpampiely hevitra avy any amin'ny tanibe tsy hipoitra anatin'ireo horonantsary, fandaharana mpandeha amin'ny TV ary ireo seho an-tsehatra. Raha jerena ny tsenaben'ny fialamboly bahanan'i Shina, dia mety hanimba ny asan'ny mpanakanto izany, hany ka afaka mamorona tahotra eo anivon'ireo mpanakanto ity fampijalian'ny “tia tanindrazana” ity:

演艺人士固然有较高的知名度和影响力,但他们在参与政治活动时的表现受到的是与其他政治参与者相同的检验,这也是那些与极权同流合污的演艺人被唾弃的原因。他们有影响力、号召力,不是被处罚(封杀)的理由,而只是极权对他们的行为与影响力、号召力相结合的恐惧。那些没被封杀的艺人们被视作通过了政审的过滤,政审是持续存在的,每个敏感时段都是“检验”的时刻,用逼迫表态的方式施压,以令其感受到与极权勾兑就要时刻负起“政治队形的责任”。

Na dia olona manana hery be eo amin'ny vahoaka aza ireo mpanakanto, dia averin'ireo mpanohana azy jerena amin'ny fomba hafa ny fanoloran-tenan'izy ireo ara-pôlitika. Izany no mahatonga ireny mpanakanto miara-miasa amin'ny mpanao didy jadona ireny ataon'ny mpanohana azy tsinontsinona. Nanakana azy ireo ny mpanao didy jadona noho ny herin'izy ireo. Ho an'ireo izay tsy voasakana, nandalo ny fandinihana ara-pôlitika izy ireo, saingy mbola an-dàlam-pandrosoana izany fandinihana izany. Mandritra ny vanim-potoana mafana, tsy maintsy averina dinihana izy ireo; hoporetina izy ireo haneho ny tsy fivadiham-pitokisany. [Ny fampijaliana] dia fampahafantarana azy ireo fa raha tsy mihetsika araka izay andrasana aminy izy ireo, dia hiatrika ny vokatry ny nataony.

Toa mandeha ilay paikady fampitahorana, satria farafahakeliny dia mpanakanto am-polony avy ao Hong Kong no niarahaba an'i Shina tamin'ny alalan'ny teny na sary navoaka ao anaty aterineto mikasika ilay matson'ny miaramila. Ny mpanao hatsikana iray ao Hong Kong, Ng Man Tat, aza dia nilaza ny tenany ho mpikambana ao anatin'ny antoko kaominista nandritra ilay matso:

我驕傲,我是中國人!我自豪,我是中共黨員!

Mirehareha aho ny amin'ny maha mpikambana ahy ao anatin'ny Antoko Kaominista Sinoa.

Nahazo “like” an'analinaliny io fanambarany io, saingy taty aoriana kely dia nesoriny izany ary nilaza izy fa hadinony ny nampiasa ireo farango sosona tanatin'ny bitsiny. Tamin'izay fotoana izay, nahazo “like” 170.000 tao amin'ny Weibo ny sarin'ilay mpihira malaza avy ao Hong Kong, Hacken Lee, miarahaba an'i Shina s'ireo miaramila mpanohitra an'i Japana (jereo ilay sary ery amin'ny farany ambony: ambany havanana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.