Kiobàna LGBT Mpikatroka Mafana Fo Mandray Ho Andraikitra Ny ‘Fehezan-dalàn'ny Fianakaviana’ Izay Mitahiry ny Fomba Hatrizay

Image edited by Kevin Rothrock.

Sary nalefan'i Kevin Rothrock.

Alberto Roque, Kiobana mpikatroka mafana fo malaza miady ho an'ny fahamaroana ara-pananahana, nandefa taratasy misokatra tao amin'ny bilaoginy Homo Sapiens, ho an'ireo mpikambana dimy ao amin'ny parlemanta Kiobana, izay nampitandremany ny fomba fitondra araka ny fomban-drazana, mitahiry ny fanao hatrizay ary fanaovana ho manara-penitra ny fifankatiavan'ny tsy mitovy fananahana, izay niresahan'ny mpanao gazety Kiobana ny lohahevitra momba ny fianakaviana, ny marimarina kokoa ny 14 Febroary, ilay “Andron'ny Fitiavana,” ary ihany koa tamin'ny Andron'ny Mpifankatia tany amin'ireo firenena sasany.

Roque, mpikambana ao amin'ny Fiarahamonina Kiobàna ho an'ny Fikarohana Amin'ny lafiny maro ny resaka Fananahana (SOCUMES), nandray ho teboka fiantombohana ny lahatsoratr'ilay mpanao gazety, Lisandra Fariñas, “Fehezan-dalàn'ny Fitiavana ho an'ny Fianakaviana,” navoakan'ny Granma, gazety miely betsaka indrindra ao amin'ny firenena, izay tohanan'ny fanjakàna. Milaza izao ilay mpanao gazety ao amin'ilay lahatsoratra:

Asimismo, el texto persigue el fortalecimiento del matrimonio legalmente formalizado o judicialmente reconocido, fundado en la absoluta igualdad de derechos de hombre y mujer; el más eficaz cumplimiento por los padres de sus obligaciones con respecto a la protección, formación moral y educación de los hijos para que se desarrollen plenamente en todos los aspectos y como dignos ciudadanos de la sociedad socialista y la plena realización del principio de la igualdad de todos los hijos.

Mikendry ihany koa ny hanamafy ny mariazy vita ara-dalàna na nankatoavin'ny fitsaràna ilay lahatsoratra [momba ny Fehezan-dalàna], izay mifototra amin'ny fitoviana tanteraky ny zon'ireo lehilahy sy vehivavy; ny fanatontosàna mahomby indrindra avy amin'ireo ray aman-dreny ireo adidiny, miaraka amin'ny fanajàna ny fiarovana, fitaizàna ara-pitondrantena ary ny fanabeazana ireo zanany, mba hivoatra tsara amin'ny lafin'ny fiainana rehetra, ho tonga olom-pirenena mendrika ny fiarahamonina sosialista, ary ny fahatantontosàna tanteraka ny fotokevitry ny fitoviana ho an'ny ankizy rehetra.

Izany indrindra no tsikerain'i Roque: mankalaza Fehezan-dalàna iray efa lany andro ary tsy mahavita manakatra ny fahasarotan'ny fianakaviana Kiobana ilay lahatsoratra. Tao amin'io taratasiny ho an'ireo mpikambana ao amin'ny Parliemanta Kiobana io (Miguel Barnet, Miriam Ofelia Ortega, Mariela Castro Espín, Raúl Suárez ary Oden Marichal), maneho sosokevitra toy izao i Roque, izay dokotera ihany koa:

El Código de Familia vigente es conservador y obsoleto a la luz de nuestro proyecto socialista de inspiración martiana y desde las evidencias científicas disponibles. Por lo tanto requiere una actualización urgente que promueva la garantía de los derechos de un grupo numeroso de ciudadanas y ciudadanas cubanos que no nos sentimos representados en la letra y espíritu de la versión actual.

Mitàna ny fomba hatrizay sy efa lany andro ilay Fehezan-dalàn'ny Fianakaviana mihatra amin'izao fotoana izao, raha mifototra amin'ilay tetikasa ara-tsosialintsika izay naka aingam-panahy tamin'i Jose Marti sy tamin'ny porofo ara-tsiantifika azo tsapain-tànana. Noho izany, takiana haingana ny fanavaozana izay mampiaroborobo  ny zon'ny vondrona midadasika be an'ireo olom-pirenena Kiobana, izay mitovy aminay, tsy mahatsapa ho voasolo tena ao amin'io taratasy amin'ny endriny ankehitriny io.

Ao amin'ny faran'ilay lahatsortara ao amin'ny Granma, milaza izao i Lisandra Fariñas:

Vanguardista, revolucionario, símbolo de progreso: relaciones más justas, democráticas y equitativas al interior de la familia; que puede traducirse en más que concordia y amor, eso ha sido el Código de Familia.

Tena raitra, mitondra fiovàna, endriky ny fivoarana: fiarahana malalaka sy mitovy lenta kokoa ao anivon'ny fianakaviana; izay afaka adika hoe firindràna sy fitiavana bebe kokoa, izany no Fehezan-dalàn'ny Fianakaviana.

Naneho izao tao amin'ny bilaoginy Paquito el de Cuba ilay mpitoraka bilaogy sady mpikatroka mafana fo, Francisco Rodriguez, ho valin-kafatra sy fanohanana ny taratasin'i Roque:

De todos modos, es lamentable que no haya en toda este extemporáneo panegírico de una ley ampliamente superada por el tiempo, ni siquiera una mención a cuáles son esas nuevas “demandas” y “escenarios” sociales que obligarían a cambiarla, ni qué “modificaciones” comprende ¡ese tan largo estudio! que buscaría darles respuesta.

Kanefa, indrisy fa tsy mba voateny ao anatin'io fanindrahindràna lehibe an'io lalàna tena efa nilaozan'ny toetrandro tanteraka io na dia filazàna iray monja ireo “fangatahana” vaovao sy “ireo fisehon'ny” ara-tsosialy izay tena tokony hanosika hanova azy io, na hoe inona ireo “fiovàna” tafiditra ao amin'io fikarohana lava be io(!) izay tokony hamaly azy ireo.

Efa ho maherin'ny 15 taona izay no nandrasana ho aseho sy hifampidinihana tao amin'ny Parliemanta Kiobana ny Fehezan-dalàna vaovao ho an'ny Fianakaviana Kiobana. Io volavolan-dalàna io dia nasandratry ny Kaomisiona ho an'ny Fiahiana ny Tanora, Ankizy ary ny Fitovian-jo ho an'ireo vehivavy ao amin'ny Parliemanta sy ny Federasiônan'ny vehivavy Kiobana, ary tafiditra amin'izany ny fiovàna fototra, sahala amin'ny fanambadiana ara-panjakana (sivily) ho an'ny mitovy fananahana, sy ireo politikan'ny fanovàna fananahana, ary hanaovna ho tsy eken'ny lalàna ny ray na ny reny mandroaka ny zanany miala ny tranony na manohintohina ny zony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.