Mividiana Penina Iray, Manavota Aina Iray. Nanainga Hetsika Fanangonam-bola Ny Raim-pianakaviana Siriana Iray

9cfcc2c90ddc66c8a6e1bae0acf9245e

Abdul Halim Attar sy ny zanany vavikely Reem any an-dalambe any Beirut. Sary avy amin'ny Indiegogo.

Matetika ny media sosialy dia heverina ho toy ny “fomba mahery hanovàna fiainana”, ary iray amin'izany ity tenifototra malaza hita ao amin'ny Twitter sy Facebook ity, tamin'ny herinandro lasa. Ity hetsi-panentanana ity dia ezaka fiaraha-miasa entina hanampiana raim-pianakaviana Siriana iray mpitsoa-ponenana, nalaina sary vao haingana teo am-pivarotana penina vitsivitsy tany Beirut, Libanona.

I Abdul Halim Attar, Palestiniana Siriana iray avy tany amin'ny toby Yarmouk ao Damaskôsy, dia iray amin'ireo Siriana mpitsoa-ponenana maherin'ny iray tapitrisa izay nandositra tany Libanona. Raim-pianakaviana mananotena izy, ary manan-janaka roa: i Reem s'i Abdelillah.

Raim-pianakaviana Siriana mivarotra penina eny an-dalamben'i Beirut miaraka amin'ny zanany vavikely matory

Nanomboka taminà bitsika iray ny tantara ny 25 Aogositra, rehefa nandefa sarin'i Abdul Halim mivarotra penina, miezaka manangom-bola ho an-janany roa, i Gissur Simonarson (@GissiSim), Islandey iray mahery fo. Niteraka fitserana sy fangorahana marobe dia marobe ilay sary, miaraka amin'ny famerenana mandefa ireo bitsika s'ireo fankasitrahana an'alinaliny. Nanokatra kaonty Twitter iray natokana ho an'i Abdul Halim antsoina hoe @Mividiana_Penina i Simonarson, sady niala haingana mba hihaona mivantana aminy, hanolorany azy ireo fanomezana voaangona tanaty aterineto.

1.  Ireo zavatra roa momba ny tetikasa #MividianaPenina mialohan'ny hatoriako . Mikaroka fifandraisana azo antoka aho any Beirut mba hihaona aminy, vantany vao

2. misy izay, hikaroka ny fomba tsara indrindra hanangonana vola ho azy aho, miaraka aminà kaonty azony sokafana manokana, raha tsy afaka mifandray amin'ilay olona alefanay

3. any an-toerana izy hanampy azy haka ny vola sy hanatitra izany any aminy. Manantena isika fa hahomby izany, ary misaotra anareo amin'ny fanohanana!

Tsy ela dia nahare momba ilay tantara ireo mpitati-baovao s'ireo mpitoraka bilaogy ary nitombo hatrany ny olona nahazo vaovao mikasika ny hetsika #MividianaPenina. Niainga mba hihaona amin'i Abdul Halim any an-toerana i Carol Malouf (@carolmalouf), mpisolotena ny Fikambanana tsy miankina @leb4refugees, mba hanome ny fanampiana.

Nipoaka ho hetsi-panentanana #MividianaPenina ity sarinà raim-pianakaviana iray mpitsoa-ponenana & zanany vavikely mivarotra penina ity, izay naangona an'arivony maro

Tamin'ny voalohany dia nitady ny hanangonana vola 5.000 dolara tao anatin'ny 15 andro ilay fanentanana. Nefa, tafiakatra hatramin'ny 168.884 dolara ny vola voaangona tamin'izany, izay azo tamin'ny olona 6.375 tao anatin'ny dimy andro monja, miaraka amin'ireo fanomezana avy amin'i Etazonia, Fanjakana Mitambatra, Arabia Saodita, sy ny Emirà Arabo Mitambatra, ary ireo firenena hafa ao Afovoany Atsinanana sy Eoropa.

Araka ny tatitra dia nilaza i Abdul Halim fa mikasa ny hampiasa ny vola mba hitaizany sy hampianarany fotsiny an'ireo zanany ny tenany.

Mbola manana valo andro ireo izay vonona handray anjara amin'ny tetikasa #MividianaPenina mba hanaovana fanomezana.

Screenshot of "Help Abdul and Reem start a new life" funding campaign on indiegogo.

Ilay hetsi-panentanana fanangonam-bola, “Ampio i Abdul Halim s'i Reem hanomboka fiainam-baovao”. Sary: Indiegogo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.