Tsy Handefitra Zavatra Hafa Ankoatry Ny Fiderana Ny Fampisehoany Ny Matson'ny Ady Lehibe Faha-II.

Xi's solo military parade. Spoof image from Facebook WikiLleaks Chinese page.

Matso miaramila ataon'i Xi irery. Sary Vilana avy amin'ny Pejy Facebook WikLeaks amin'ny teny Shinoa

Mba hankalazàna ny faha-70 taonan'ny faran'ny Ady Lehibe faha-II, nasai'i Shina ireo mpitondra manerana izao tontolo izao, avy ao Afrika, Azia Afovoany ary Eoropa Atsinanana mba handray anjara amin'ny matso lehibe natao ny 3 Septambra. Navoaka tamin'ny 24 Aogositra ny lisitr'ireo vahiny nasaina.

Mafana ny fikorontanan'ny fiainana andavanandron'ny olona sy ny tsy fahatongavan'ireo mpitondra avy ao Eoropa Atsinanana, ankoatr'ireo endrika hafa tamin'ny matso, saingy lohahevitra voasivana ireo tao amin'ny media sosialin'i Shina.

Io no fotoana voalohany izay nikarakaran'ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP) matso iray hankalazàna ny fiafaran'ny Ady Lehibe Faha-II. Roa taona nialoha ny Ady Lehibe Faharoa no nanomboka ny fandraisan'i Shina anjara tamin'ny fipoahan'ny ady tany Eoropa, raha nanafika an'i Shina i Japana, nandrehitra ny afo teo amin'ny ady lehibe Faharoa an'i Shina-Japana. Taorian'izay Japana, ny taona 1941, izay niara-da tamin'i Alemaina sy Italia, nandaroka baomba ny tobin'ny tafika an-dranomasina tao Pearl Harbor – Etazonia, nanjary ady goavana  tao anatin'ilay fifandonana midadasika be ny adin'i Shina-Japana.

Satria ireo ezaka tamin'ny ady nataon'ny mpanohitra an'i Japana notarihan'ny antoko politika Kuomintang tao amin'ilay Repoblika vaovaon'i Shina (Taiwan), maro tamin'ny media sosialin'ny Shina no nanontany raha toa ny CCP hila dera tamin'ny fandresena nandritra ny ady nifanaovan'i Shina-Japana.

Saingy naniry mafy ny Filoha Sinoa Xi Jinping hampiranty ny “andraikitra goavana” notànan'ny fandraisan'ny CCP anjara nandritra ny Adin'i Shina-Japana satria manana ny dikany ho an'ny fahaterahana vaovao ho an'i Shina ilay fandresena, tetikasa fitiavan-tanindrazana naelin'i Xi hatramin'ny nanomboka naka ny fitarihana. Mandray vilana ny matso tahaho toy ny seho tokana nolalaovin'i Xi ny olona sasany, araka ny asehon'ny sary ery an-tampon'ity lahatsoratra ity ary koa ny lahatsarin'i Patrick Boehler ao amin'ny Twitter:

Ity no fomba fanehoana ny sasany ny esoeson'ny olona ao Shina tamin'ny matson'ny miaramilan'i Xi tamin'ny 3 septambra

Cheng Ming, mpaneho hevitra ara-politika monina any Etazonia aza, niantso ny ezak'i Xi ho “mahamenatra” :

有人說這是習近平試圖通過大閱兵,嚇唬日本,逼迫安倍承認中國大陸的亞洲霸權;有人說這是習近平試圖通過大閱兵,宣示自己完全掌控了中共的槍桿子。在我看來,習近平通過這次大閱兵,試圖再一次欺騙中國人和欺騙全世界,要人們、尤其是中國大陸的年青一代,相信七十年前的抗戰勝利是在中國共產黨領導下取得的。[…] 隨著九月三日一天天臨近,中國大陸正出現大閱兵熱。在習近平要求全黨深入研究中共的「中流砥柱」指令下,中共的媒體和御用文人也正在開展一場撒謊大賽。

Lazain'ny sasany fa ezaka hampitahorana an'i Japana sy  hanerena an'i Abe [Praiminisitra Japoney] mba hanaiky ny fahambonian'i Shina ao Azia ny matso nataon'ny miaramilan'i Xi; ny sasany milaza fa te hampiseho amin'izao tontolo izao i Xi fa ambany fifehezany ny hery ara-tafika. Ho ahy, ampiasain'i Xi ny matso mba handaingana amin'ny vahoakan'i Shina sy izao tontolo izao, indrindra indrindra ny tanora ao Shina, fa ny fandresena tamin'ny adin'i Shina-Japana dia notarihan'ny CCP. […] Koa satria manakaiky ny 3 septambra, manodidina ny matson'ny miaramila avokoa ny dokambarotra amin'ny media. Mandray anjara amin'ny fifaninanana mandainga ireo  manampahaizana ao amin'ny antokony mba hanaporofoana fa  nitàna “andraikitra goavana” tamin'ny Ady fanoherana an'i Japana teo ambany toro-marik'i Xi ny CCP.

Mazava loatra, ny matson'ny miaramila dia lavitra ny ara-bakiteny hoe sehon'olon-tokana satria filoham-pirenena 30, indrindra avy ao Afrika, Azia Afovoany ary Eoropa Atsinanana no hanatrika. Mba hahazoana antoka fa hanaraka izay voasoratra ny zavatra rehetra, nanamafy ny vahohony ivelany sy anatin'ny aterineto ireo tomponandraikitra. Mandritra ny famerenana matso ny faran'ny herinandro, nikatona avokoa ireo arabe lehibe, ny fitateram-bahoaka ary ireo fivarotana sasany. Nitatitra tamin'ny Twitter ireo mpampiasa Twitter sasany teny an-kianja:

Faha-2 amin'ny fihodinan'ny fiara tsy nahitàna fiara tao #beijing androany noho ireo famerenana ny matson'ny miaramila hatao ny 3 Septambra ho avy izao

Nivoaka mba hividy legioma vitsivitsy teo ambany aloky ny lanitra manga nomanina ho an'ny matso marainan'ny miaramila. Mba falifaly aho teo, saingy avy eo, efa nangorona entana ny toerana fivarotanana anana. Ny 5 Septambra vao hiverina hivarotra indray. Mpivarotra sakafo maraina, toerana fihinanana akoho sy ny trano fisotroana kafe ankafiziko, nihidy avokoa.

Naneho hasosorana tamin'ny fandaminana ny maro, saingy tena vitsy no sahy miresaka manohitra ny zavabitan'ny fanjakana. Navoaka ny toromarika fanivànana faran'izay henjana ho an'ireo mpampita vaovao mba hahazoana antoka fa:

ireo vaovao rehetra sy ireo fanehoan-kevitra mifandraika amin'ny matson'ny miaramila dia tsy maintsy jerena am-pitandremana fatratra vao alefa mba ho antoka fa mandoka sy tsy hanohitra ny [Tafi-Panafahan'ny Vahoaka] na ny matson'ny miaramila; fa tsy hanohitra ny Antoko izy ireo, ny [Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina], na ny rafitra politika; ary tsy hanohitra ireo mpitondra ny firenena.

Hay tsy ireo fanehoan-kevitra mitsikera irery ihany fa koa ireo vaovao manaratsy no voasivana. Nosakanan’ireo tompon'andraikitra ireo media mitatitra mikasika ny fianjeran'ny angidimby an'ny tafika, izay nomanina ho amin'ny matso tamin'ny 16 Aogositra. Fepetra maro no hampidirina mba hamerana ny fiparitahan'ny vaovao ao anatin'ny andro vitsivitsy ho avy, araka ny voalazan'i Astrill, mpamokatra VPN iray, ho sembatsembanin'io ny asany mandra-pifaran'ny matso:

Noho ny fisian'ny matson'ny miaramilan'i Beijing amin'ny herinandro ho avy iny, niharan'ny famoretan'i Shina ny IPSec VPNs mampiasa ny teknika mamaky GFW. Mety ho voafetra ny fahazoana miditra  VPN avy amin'ny fitaovana iOS amin'io fotoana io.

Hatramin'ny fiafaran'ny matso, tsy ho azo ampiasaina amin'ireo fampiharana iOS ny sasany amin'ireo lohamilina.

Na dia eo aza ireo fepetran'ny fanivanana henjana, mipoitra indraindray eny ihany ireo fanehoankevitra manesoeso sy ireo sary, saingy tsy ela dia manjavona . Ohatra, mikasika ny fasisma:

据说有个法西斯国家要搞个反法西斯阅兵

Hoy izy ireo, toa handeha amin'ny fampiantranoana matson'ny miaramila mpanohitra fasista  ny firenena fasista iray

 

Taorian'ny namoahana ny lisitry ny vahiny, nipoitra ireo fanamarihana manesoeso, ary vetivety ihany dia manjavona, tao anatin'ny faritra natao ho an'ny tohivakan'ny fanehoankevitra. Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo fanehoankevitra mikasika ny lisitry ny vahinin'ny matson'i Shina nosintonina avy amin'ny Free Weibo, tetikasa iray natokana hanavotana ireo votoaty voasivana avy ao amin'ny Weibo, sehatra fitorahana bilaogy kiritika ao Shina:

3月份刚给了三千万美金物资援助,原来是出场费,回头我也去非洲成立个国家,没事挣点钱花。

Ny volana Martsa, nandoa vola fanampiana 30 tapitrisa dolara [ i Shina]. Io no fandaniana ho an'ilay fisehosehoana. Tsy maintsy manorina firenena iray ao Afrika aho mba hahazoana vola.

参加中国阅兵的南太平洋国家瓦努阿图,1982年独立,人口20多万,被称为世界上最幸福国度。根本不知道什么是反法西斯战争。到北京打酱油的!

Hanatrika ny matso ataon'ny miaramilan'i Shina ny Repoblikan'i Vanuatu ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Firenena nitsangana tamin'ny taona 1982, misy mponina 200.000. Noderain'izao tontolo izao ho sahala amin'ny firenena sambatra indrindra izy. Firenena tsy nisy nifandraisany tamin'ny ady nanoherana ny fasista. Tonga tany Beijing mba hitsangantsangana hijery ny manodidina fotsiny izy ireo.

失道寡助。九三阅兵,各国元首首脑出席者实在是可怜,独联体、前南、前华约、共产国体(蒙朝越古)、几个非洲黑兄弟、亚洲小兄弟(柬巴),估计有些还是花了银子搬来捧场的。

Tena vitsy namana ny olona iray tsy misy foto-kevitra ijoroana. Ireo mpitondra fanjakana niseho nanatrika tamin'ny volana Septambra ny matson'ny miaramila, dia ireo vitsivitsy velom-pitserana – Firaisana Sovietika teo aloha, ireo kaominista mpiara-dia fahiny tao Azia atsimo, ireo hany sisa fanjakana kaominista, rahalahy Afrikana ary ireo  vitsivitsy ao Azia. Ny sasany mety ho novidiana mba hiseho.

Miomana fatratra amin'ny ho fanaovana tatitra isankarazany avy amin'ilay matson'ny tafika ireo media eo ambany fanarahamason'ny fanjakàna. Araka ny anatonan'ilay fampisehoana, toa safidy roa no ananan'ny vahoaka Shinoa: midera imasom-bahoaka an'ilay matso na mitàna fahanginana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.