Na Inona Na Inona Toetrandro, Mifidy i Trinidad & Tobago

Ora-mikija. Sehatra ho an'ny daholobe avy amin'i Pixabay.

Andro fifidianana ny 7 Septambra ao Trinidad sy Tobago. Teo amin'ny mitatao vovonana, nirotsaka ny ora-mikija, niteraka tondradrano sy fitomboan'ny ahiahy hoe mety hisy vokatra ratsy eo amin'ny valim-pifidianana ny toetrandro. Ny sasany tamin'ireo mpisera anaty aterineto aza nanontany tena mihitsy raha toa ny toetrandro mety ho aroso ho antony mitombina hanalavàna ny ora fifidianana.

Avy toy ilay ohabolana ‘petit pois’ ny orana ho an'ny  #fifidianana aty #trinidad

Ora-mikija mandritry ny andro fifidianana aty T&T. Sary nalain'i Achsah Gulston teny amin'ny manodidina ny Lalambe Churchill Roosevelt

Toa nisy fiantraikany tamin'ny firohotan'ny olona hifidy tamin'ny fiandohan'ny tolakandro ny orana tamin'ny mitatao vovonana tao amin'ny fari-pifidianana Couva Atsimo

Nisy nidiran'ilay toetrandro ratsy ny fitohanan'ny fifamoivoizana tany amin'ny faritra sasany tao amin'ny firenena, tonga hatramin'ny fanambaràna hoe nosokafana koa androany ho an'ireo fiara tsotra ny Priority Bus Route, lalambe iray izay raha ny mahazatra dia natokana fotsiny ho an'ireo fiara fitateram-bahoaka sy ny fiara mpanao vonjy taitra.

Marobe ireo fiara mitodi-doha ho any Atsinanana sy Afovoany

Misokatra ho an'ny olon-tsotra hatramin'ny misasakalina ny Priority Bus Route

Raha toa ny sasany voatazon'ilay tondradrano, ny hafa indray nisisika tamin'ny hoe tsy orana kely toy ireny no hanakana an-dry zareo  tsy hampiasa ny zony hifidy:

Manampy ireo olona voatazon'ny orana/rano tondraka ireo mpamono afo. Kihon-dàlana Quay Atsimo & Charlotte St.

Na Orana na Masoandro, hisy dikany ny vatoko

@tv6tnt nifidy tanaty andro manorana tao amin'ny efitrano fitokanana #129

@tv6tnt faly be fa nifidy aho androany, tsy nahasakana ahy ny orana

Naka izany amin'ny fomba fijery rehetra ny mpampiasa Twitter iray, ho an'olona iray izay mety hihevitra ny hijanona any an-trano noho ny toetrandro:

Arovy ny zonao hifidy. Tsy hahasakana antsika tsy hifety ny orana, tsy ho afaka hanakana antsika tsy hifidy io

i Rhoda Bharath, mpampiasa Facebook, nametraka mazava tsara :

90 minitra alohan'ny hikatonan'ny fifidianana.
Aza ny orana no avela handresy an'ity fifidianana ity.
Mivoaha ary mifidiana !
‪#‎BeatOut2015‬

Tao amin'ny Facebook, tsy vitan'i Vernon O'Reilly Ramesar, mpanao gazety, ny tsy handray anjara amin'ny fandrakofana ny vaovao momba ilay toe-draharaha, tamin'ny fandefasana saripika iray ahitàna lanitra milondolondo oram-baratra, nasiany maribolana hoe :

Ary manerana ny firenena, nitsiky tamin'izay zava-bitany azy manokana nokirakirainy ireo mpanangona vaovao…’ na dia ny ora-mivatravatra aza tsy naharesy lahatra ireo mpifidy tsindrian-daona.’

Nampiasaina tafahoatra araka izay mety, fa toa sahala amin'ny avo ihany ny tahan'ny fandraisana anjaran'ny mpifidy, na ratsy na tsia ny toetrandro:

Teeeeeeena nifidy tokoa ny olona ry bandy akama- OEEEEEEEEEE

Feno sarinà loha-tànana misy ranomainty nalain'ny tompony ihany ny fàhana Instagram-ko, midika izany fa Andro Fifidianana izao eto T&T !

Efa nohamafisina fa hitohy hivoha ankoatry ny ora voatondro ny birao fifidianana—hatramin'ny 7 ora hariva.  Ora ao Trinidad sy Tobago —noho ny fanelingelenana sy fahataràna nateraky ny rano tondraka sy ny fitohanan'ny fifamoivoizana.

Noho ny toetrandro, nitarin'ny EBC ho hatramin'ny 7 ora hariva ny fifidianana ao Trinidad irery ihany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.