GV Face: Ahoana ny hanokafan'ny mpanampy antsitrapo ao Eoropa ny fony sy ny tranony ho an'ny mpitsoaponenana

Nanome rano ireo mpitsoa-ponenana anjatony manao diabe mahatratra 125 maily mankany Aotrishy ny olompirenena Hongroà. Nisy mpivady alemana iray nanangana ny Refugees Welcome, karazana AirBnB izay manampy amin'ny fampifandraisana ny mpitsoaponenana mifampizara efitrano amin'ireo fikambanan'ny mpanao asa an-tsitrapo manampy ny mpitsoaponenana rehefa tonga avy amin'ny dia mampatahotra an-dranomasina ao amin'ny nosy Lesvos sy Kos ao Gresy.

Raha mbola mitolona mafy amin'ny famahana ny krizin'ny mpitsoaponenana mihamitombo ao Eoropa ireo governemanta, dia mifamory handamina ireo fitaovana azo iasana, eny tonga hatramin'ny fampiatranoana mpitsoaponenana aza ny olom-pirenena manerana an'i Gresy, Alemaina, Hongria ary Italia.

Amin'ity GV Face iray ity izahay dia hiresaka momba ireo fikambanana sy ireo olona miasa eny an-kianja ao Gresy miaraka amin'i Asteris Masouras, izay vao nandany ny herinandro tao Lesvos miaraka amin'ny mpitsoaponenana tonga avy any an-dranomasina, Marietta Le hiresaka amintsika amin'ny asa vita tao Budapest, Hongria, izay nahitana mpitsoaponenana an'arivony tsy afa-nihetsika tao amin'ny garan'i Keleti, ary i Anne Hemeda sy i Katrin Zinoun izay hiresaka amintsika ireo asa eo ampanatanterahana hanampiana ny mpitsoaponenana an'hetsiny hanori-ponenana ao Alemaina amin'ity taona ity.

Ireo Fikambanana miasa eny an-kianja:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.