Sivana Nihatra Taminà Sary Mahatsikaiky, Fikarohana Teny Sy Sary Momba Ny Matson'i Shina Ho An'ny Ady Lehibe Faharoa

hkfp3

Sarin'ny Filoha Xi tao amin'ny matson'ny tafika, nampiana teny natao anaty faritra boribory, mivaky hoe, ““Tena mafàna t** izy izany.”

Nosoratan'i Vivienne Zeng ity lahatsoratra ity ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press ny 3 Septambra. Naverina navoaka eto amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fiaraha-miasa.

Tena faran'izay be asa mihitsy ireo mpanao sivana tao Shina ny Alakamisy teo, satria nataon'i Beijing daholo ny ezaka rehetra hisian'ny matso miaramila goavana be iray hanamarihana ny faha-70 taonan'ny nilavoan'i Japàna lefona tamin'ny Ady Lehibe Faharoa tsy nisy olana.

Tafiditra ho voalohany amin'ireo teny fanalahidy tao amin'ny tranonkala fitorahana bilaogy kiritika Weibo ny hoe “matso miaramila”, nahitàna fikarohana 460.000 voarakitra. Raha faran'izay tena miabo/manindrahindra ireo fanehoankevitra hitamaso, ireo lahatsoratra izay nesorina sy nasitrika kosa tao amin'ny FreeWeibo.com dia nampiseho sary hafa. Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo sary mahatsikaiky malaza indrindra sy ireo fanehoankevitra nobahanana tao amin'ilay sehatra Shinoa miendrika Twitter.

1. Nitaraina ireo olona mipetraka any amin'ireo faritra arahana fepetra ao Beijing ary nivazivazy momba ny tsy fahafahan'izy ireo manokatra varavarankely na mandeha mankeny amin'ny lavarangan-dry zareo. Ity taratasy ity dia nangataka ireo mponina tao tsy hitsiritsirika eny am-baravarankeliny mandritra ilay matso.

hkfp1

“Ry mponina malala, ny marainan'ny 3 Septambra mandritry ny matso, aoka hikatona ny varavarankelinareo. Aza mihevitra ny hitsiritsirika. Miangavy fahatakarana sy fanohanana avy aminareo. Zhao Jia Lou Kaomitin'ny Vondrom-piarahamonina.”

Mahatsiaro ho niverina teo ambanin'ny Lalàna Godwin ny sasany, tamin'ny fampitahàna ny fitondràna kaominista amin'ny Nazi tao Alemaina. Nomarihan'ny sasany fa na i Hitler aza namela ny vahoakany hijery ny matso avy eny ambaravarankely.

hkfp2

2. Marobe ireo sary nanesoeso ny Filoha Xi Jinping nijoro teo anaty hainandro nigaina niaraka tamin'ny bikany toy ny vao avy nivoaka ny fandriana. Hoy ny iray tamin'ireo sary “Tena mafàna t** izy izany” (jereo ery ampiandohan'ny lahatsoratra ny sary).

Sary iray hafa voabahana ilay ahitàna vaviantitra nanolo-tena hitazona elo ho an'i Xi teo anoloan'ny fahitalavitra sady nikopakopaka azy.

hkfp4

Noho ny toe-batany, matetika i Xi no ampitahaina amin'i Winnie ilay zanaka bera. Noho izany dia voasivana ihany koa ity sarin'i Winnie mitsangana ao anatin'ny fiarany ity.

hkf5

3. Nisarika kokoa ny fisainana ho any aminy ny Filoha teo aloha, Jiang Zemin, niaraka tamin'ilay solomasony mainty sy ny fijeriny masiaka. Toa mahafinaritra tanteraka ity sarin'i Jiang ity raha toa ka tsy dia mahazatra ny mandre an'i Xi manao kabary mahaliana momba ny ady ary nahazo vàhana tao amin'ny sehatra media sosialy WeChat ny resaka fandriampahalemana.

hkfp6

Kabary nahaliana nataon'i Xi nandritry ny matso.

Nomena anaram-petaka hoe “ilay androngo” i Jiang, 89 taona. Ao anatin'ity sary ity, rantsan-tànana telo isanisany no nitazonan'ilay filoha teo aloha ny fametrahana tànana teo amin'ny Tiananmen Gate, maka tàhaka ilay biby mangatsiaka rà mpisitrika anaty rano.

Jiang Zemin, mazàna esoina ety anaty aterineto amin'ny hoe “Ilay Androngo”  aza tsy nanome sitraka azy

Toa sahàla amin'ny tsy aseho ao amin'ny Weibo ny valin'ny fikarohana ny teny hoe “Jiang Zemin”  “noho ireo lalàna sy fameperana mifandraika tsara amin'ny zava-nisy.”

hkfp8

Fanamarihan'ilay milina fikarohana: Araka ny lalàna misy, ireo fepetra sy didim-pitondràna manankery, dia tsy afaka aseho ny vokatry ny fikarohanao.

4. Nanamboatra fanasàna ho azy ireo manokana ireo mponina tsy afaka niditra hijery matso  tany amin'ireo faritra arahana fepetra ao afovoan-tanànan'i Beijing ireo. Nampanantena “seza ery anoloan” ny TV ireo fanasàna ireo.

Left: fake invitation to military parade shared by netizens. Right: the real invitation.

Ankavia: fanasàna sandoka hanatrika ny matso miaramila nifampizaran'ireo mpisera anaty aterineto. Ankavanana: ny tena fanasàna.

5. Vehivavy miaramila nisarika kokoa ny maso noho ireto zipo fohiny sy ny feony maranitra. Kanefa, Yuan Yulai mpisolovava momba ny zo sivily dia nanefotefoka ny fahitalavi-panjakana CCTV tamin'ny fifantohana fotsiny tamin-javatra ivelany tahaka izany raha ireo mpisera ety anaty aterineto kosa diboky ny hafaliana tafahoatra nahita “toa ranomasina feno nono”. Na ny fanehoankevitr'i Both Yuan, na ny fanehoankevitr'ireo mpisera ety anaty aterineto momba ireo nono dia samy nobahanan'ny Weibo avokoa.

hkfp10

Tena avy amin'ny matso marina ve ity sary ity? Ndeha hametraka fanamarihana hilazàna na izy ity na tsia.

6. Andian-tafika nitafy fanamiana nahazendana sy nanafintohina.

hkfp12

Sary iray nivezivezy be taorian'ny famerenana ny matso tamin'ny faran'ny herinandro lasa.

Izany no nahatonga ny sasany hizara ity sariitatra ity tety anaty aterineto:

hkfp11

7. Raha notenenina ny media Shinoa mba tsy hiresaka loatra ny tsy fahatongavan'ireo filoham-panjakana vahiny, ireo mpisera anaty aterineto kosa namela ny sainy hanidintsidina. Nalaza be ity sarin'ny Filoha Korena Tavaratra ity, Kim Jong-un, lazaina ho mitsikilo avy eny lavitra eny ny Filoha Xi sy ny Filoha Koreana Tatsimo, Park Geun-hye.

hkfp13

Toy izany koa ity iray ity, ahitàna ny Filoha Amerikana, Barack Obama sy ny ankohonany “mijery” ny matso miaramila Shinoa eo anoloan'ny fahitalavitra.

hkfp15

Ao anatin'ity sary ity, treronin'i Obama i Shinzo Abe, praiminisitra Japoney: “Toa tsara mahafinaritra ny matso miaramila Shinoa. Raha tsy noho ianao dia efa lasa aho.” Novalian'i Abe hoe : “Hadisoako izany.”

hkfp14

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.