Topimason'ny Fiainana Andavanandron'ny Ghaneana Asehony Amin'ny Alalan'ny Diezy Twitter

Ghana's minibuses, Tro Tros, are a popular theme in #233 hashtage. Photo by Wikipedia user eggi and released under Creative Commons.

Lohahevitra malaza tamin'ny diezy #233moments ny mini-bus, Tro Tros ao Ghana. Sary avy amin'ny mpisera Wikipedia eggi, voaaro amin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons 233.

Maro ny olona nampiasa Twitter mba hilaza amin'izao tontolo izao ny zavatra tsy manam-paharoa momba ny firenen'izy ireo izay tsy vaovao mahazatra ara-toekarena na ara-politika. Ny kaonty Kenyana ao amin'ny Twitter (@KOT), ohatra namorona tontolo iainana ho an'ny Keniana mba hizara vaovao momba ny tanindrazan'izy ireo.

Tsy misy hafa amin'izany i Ghana. Mampiasa ny diezy twitter #233moments, noforonin'ilay bilaogera Ato Ulzen Appiah ny Ghaneana mba hisioka ny zavatra tena nataon'izy ireo tamin'ny 2:33 hariva (ora GMT)). Namelabelatra momba ity diezy ity tao anaty lahatsoratra hoan'ny Daily Graphic ao Ghana ny mpiara-manorina ny Global Voices Ethan Zuckerman.

From church posters to the backs of tro-tros, from business conferences to roadside sellers, from beach resorts to lazy lunches (especially on “WaakyeWednesday”, when it's customary to post from your favourite chop bar), #233moments celebrates what's colorful, wonderful and unique about this remarkable nation, and shares it with anyone willing to hear.

Any amin'ny afisim-piangonana hatrao an-damosin'ny tro-tros, any amin'ny fihaonamben'ny fandraharahana hatramin'ny mpivarotra eny amoron-dalana, any amin'ny toera-pitsangatsanganana misy tora-pasika ka hatrany aminb'ny vary mitsangana (indrindra rehefa “WaakyeWednesday”, raha efa fomba mahazatra ny mandefa ny sarin'ny vodihena ankafizinao), mankalaza izay maroloko, mahafinaritra sy tsy manan-tsahala amin'ity firenena miavaka ity ny # 233moments, ary mizara izany amin'ny olona vonon-kihaino.

Topazo-maso ireo sioka #233moments eto ambany.

Nizara sary asa-kanto tsy manam-paharoa vita amin'ny harona plastikan-drano madio i Efo Dela:

Vao avy nahita ity zavakanto mahatalanjona vita amin'ny harona plastika fasian-drano madio tao amin'ny Impact Hub, Accra ity aho

Nanisy teny sompirana momba ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Mpilatsaka An-tsitrapo ankalazaina ao Ghana amin'ny 21 Septambra i Ato Ulzen Appiah:

2:33hariva ao #Accra, #Ghana. Miandry fatratra ny 19-21 Septambra. Inona no ataonao amin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mpilatsaka an-tsitrapo

Nisioka ny fampahafantarana ny Impact Hub ao Ghana i John Roberts.

Fampahafantarana ofisialy ny Impact Hub Accra

Nandefa ny sarin'ny Elmina Castle [Tranomimanda Elmina] ao Ghana, izay namboarin'ny Portiogey tamin'ny 1482 ny Ghana Life:

Tazana avy eny an'habakabaka ny Tranomimandan'i Elmina, sary nalain'i @Chikisphotography

Nanoratra ny fandaharam-potoanany feno i Enock Seth Nyamado:

2:50 ao Ghana. Andro feno fandaharam-potoana saingy mbola lasa izao. Vao avy naka fanapahan-kevitra feno fahasahiana. Andeha hanao izany isika.

Nitaraina i Kwalu Manso :

Rehefa tafahaona amin'ny olona manozona an'i Ghana noho ireo mpanao politikanay tsy tompon'andraikitra, mandratra fo izany.

Nizara sary ny fotoana niarahany tamin'i Ethan Zuckerman sy ireo mpankafy nomerika Ghaneana tao Accra vao haingana i Macjordan:

#233Moments miaraka amin'i @EthanZ@amegaxi@MarComModel@blaqhaq@kofiemeritus & 8 hafa

Naneho ny fanantenany an'i Ghana i Kojo Akoto Boateng:

Amin'ny 2:33 maraina izao. Mbola hiasa i Ghana.

Nandefa sary misy fiteny mahatsikaiky hita amin'ny tro tros, mini-bus an'olo-tsotra i Efo Dela sy i Publicis West Africa :

“MAHAMAMO IHANY KOA NY FANTA” Dingana avo lenta: Lavaka Mariana

#233moments! Tpt

Nianatra momba ny tahiry misokatra (open data) kosa no nandanian'iNathaniel Alpha ny fotoanany #233moment:

2:33 maraina ao Madina, Accra. Mianatra sy mampihatra ny fahaizako hanampiana ny #opendata ao Ghana miaraka amin'ny @Enock4seth.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.