Toy Izao No Nitranga Raha Nosazian'ny Fitsarana Rosiana Sazy An-tranomaizina 20 Taona Ilay Okrainiana Mpamokatra Sarimihetsika

Protesters outside the Russian embassy in Kiev demand the release of Oleg Sentsov and Aleksander Kolchenko on August 25, 2015. Photo by Inna Sokolovska from Demotix.

Mpanao fihetsiketsehana ivelan'ny Ambasady Rosiana ao Kiev mitaky ny famotsorana an'i Oleg Sentsov sy Aleksander Kolchenko tamin'ny 25 Aogositra 2015. Saripikan'i Inna Sokolovska avy ao amin'ny Demotix.

Nosazian'ny fitsarana miaramila ao Rostov-ambonin'i-Don ao Rosia 20 taona asa an-terivozona ao amin'ny fonja tsara ambina ilay mpamokatra sarimihetsika Oleg Sentsov noho ny fiampangana azy ho nikotroka “fanafihana mpampihorohoro” tao Krimea. Nahazo sazy 10 taona an-tranomaizina kosa ny mpiara-voampanga aminy, Alexander Kolchenko. Nitety ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny aterineto mikasika ny  fotoam-pitsarana, ny didim-pitsarana sy ny fijerin'ireo mpiserasera ny toetry ny fitsarana ao Rosia ny RuNet.

Tale mpamokatra sarimihetsika tsy miankina sady mpikatroka mpanohana ny Okraniana i Sentsov, teratany avy ao Krimea. Nolaviny avokoa ireo fiampangana azy rehetra ary nilaza izy fa noho ny “antony ara-politika sy hosoka” izao raharaha izao. Nilaza ihany koa i Sentsov fa rehefa avy notazonin'ny polisy Rosiana izy dia nampijaliana, nodarohana ary norahonana haolana tany am-ponja. Nolavin'ny mpampanoa lalàna Rosiana ihany koa ny maha-olom-pirenena Okraniana an'i Sentsov, izay nolazaina fa olom-pirenena Rosiana izy satria “efa ao anatin'i Rosia” i Krimea.

Araka ny fanadihadiana tamin'ny lohataonan'ny 2014 (fotoana fohy taorian'ny fanakambanana an'i Krimea amin'i Rosia), “nanome baiko ho an'ireo mpiray tetidratsy” azy i Oleg Sentsov mba hanapoaka ny sarivongan'i Lenine ao an-tanànan'i Simferopol ao Krimea. Nilaza koa ireo mpanao fanadihadiana fa nikasa hanao fanafihana hafa tao amin'ny tsangambato lelafo mandrakizay ao Simferopol ihany koa i Sentsov. Voampanga ho nandoro ny biraon'ny Rosia Voatambatra ao Simferopol i Kolchenko, fiampangana izay niaikeny saingy nolaviny kosa ny fiampangana “fampihorohoroana.”

Tany am-piandohan'ny volana Aogositra, nanasonia taratasy misokatra hoan'ny filoha RosianaVladimir Putin mba hitaky ny famotsorana azy roalahy ireo mpikambana maherin'ny arivo ao amin'ny Akademian'ny Horonantsarimihetsika Eoropeana, anisan'izany ireo talen'ny sarimihetsika fanta-daza toa an'i Wim Wenders, Ken Loach, ary Mike Leigh.

Rehefa novakiana tamin'ny 25 Aogositra ny didim-pitsarana, ny hany fihetseham-pon'ireo voampanga, araka ny mpitazana,  dia mitsiky sy nanomboka nihira ny hiram-pirenena Okrainiana tao amin'ny efi-pitsarana, araka ny hita ao amin'ny lahatsary niparitaka tao amin'ny media sosialy..

Raha nandre ny didim-pitsarana manameloka azy ireo i #Sentsov #Kolchenko izay nalaina an-keriny dia nanomboka nihira ny hiram-pirenena Okrainiana. Tahaka izao no atao hoe fihantsiana

Nahazo dera tamin'ny fihetsiny tao amin'ny fitsarana nandritra ny fotoam-pitsarana i Sentsov, ary indrindra tamin'ny fanambarana “teniny farany” manohina ny fo alohan'ny namakiana ny didim-pitsarana. Namorona teny vaovao “Sentsovian” mba hanehoana ny fihetsik'ity mpamokatra sarimihetsika ity i Daniel Baer, Masoivoho Amerikana ao amin'ny OSCE.

Fotoam-pitsarana mahamenatra, didim-pitsarana mahamenatra; “fitsarana” mahamenatra.Teny vaovao: Sentsovian: (mpamari-toetra) manana herim-po, fitondran-tena, fahamendrehana manoloana ny teritery

Niparitaka avy hatrany tamin'ny aterineto ny fanambarana farany nataon'i Sentsov ny niafara tamin'ny fomba fiteny malaza nozarain'ireo mpiserasera. Nahavita nametraka izany tamin'ny T-shirt mihitsy aza ny sasany.

Vakio ity & fantatrao fa manana herim-po kokoa noho ireo vahoaka sasany maherin'ny 100 tapitrisa ao RU i #FreeSentsov

“Ny fahotana lehibe indrindra eto an-tany dia ny fahosana.” Nihira ny hiram-pirenena Okraniana i Oleg Sentsov raha voasazy 20 taona an-tranomaizina

Nampidirina tao anaty fomba fiteny ny teny farany an'i Oleg Sentsov [T-shirt: “Nahoana no hametraka taranaka andevo [slavy] vaovao].

Fotoana fohy taorian'ny fandrenesan'ny daholobe ny didim-pitsarana, nikarakara fitokonana ho fanohanana an'i Sentsov sy Kolchenko ny Okraniana sy ny Rosiana tao Kiev, Kharkiv, ary koa Moskoa. Nisongadina tao amin'ny media sosialy ireo sary marobe misy fihetsiketsehana..

Ao amin'ny masoivoho Rosiana ao Kiev, fihetsiketsehana taorian'ny didim-pitsarana manameloka ireo nalaina an-keriny #Sentsov & #Kolchenko

Ireo olona vitsy sisa tonga tamin'ny fihetsiketsehana tao Moskoa [afisy: “Ho lavalava kokoa ny sazinao any (am-ponja)”].

Ao #Kharkiv ao akaikin'ny masoivoho Rosiana amin'izao fotoana izao, fihetsiketsehana ho fanohanana an'i O. Sentsov sy A. Kolchenko.

Saika hatezerana sy hatairana avokoa ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra antserasera avy amin'ny Okrainiana sy Rosiana, fa tsy fahagagana. Avy hatrany dia nanameloka ny didim-pitsarana ireo manampahefana Okrainiana, toy ny Filoha Petro Poroshenko sy ny Masoivoho any amin ‘ny Firenena Mikambana Yuriy Sergeyev..

Mahareta, Oleg. Ho avy ny fotoana, mbola hipetraka ao anatin'ireo voampanga ireo izay nikarakara ity fitsarana mahamenatra ity!

Rosia? Fahamarinana?? Tsy mifanaraka mihitsy!

Nampitahain'ny mpiserasera ny didim-pitsarana henjana azon'i Sentsov amin'ny heloka bevava hafa ary koa ny mahazo ireo olona navotsotra kanefa tokony ho voasazy.

Ilay serzà Rosiana Zaitsev, namono an'ilay komandà Okrainiana Karachevsky tao Krimea, roa taona ihany no sazy an-tranomaizina azony..

Nahazo sazy an-tranomaizina 20 taona noho ny fandoroana ny varavara-tranon'ny Rosia Tafatambatra i Sentsov. Nahazo toerana mahafiloham-pirenena, sata mahery fo, tsimatimanota, vola kosa i Kadyrov noho ny fandraisany anjara tamin'ny ady amin'ny Rosiana.

Ny sasany kosa nilaza ny fifanojon'ny fivoahan'ny didim-pitsaran'i Sentsov tamin'ny andro nanomezana famotsorana am-ponja noho ny fampanantenana ny manampahefana iray teo aloha tao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana, Evgeniya Vasilyeva, rehefa nigadra efa-bolana monja tamin'ny saziny dimy taona an-tranomaizina noho ny hosoka fivarotan-tany.

Fampanantenana sy 300 tapitrisa averina amin'i Vasilyeva

20 taona ao amin'ny fonja tsara ambina ny an'i Sentsov

Zazasary

Tsy voatanako ny mihevitra fa nanao fanahy iniana nametraka ireo fotoam-pitsarana roa ireo amin'ny andro iray izy ireo. Ho fanesoana..

Nahagaga ny maro ny fanambaran'ilay mpanao gazety sady mpanao famakafakana ao Moskoa Yulia Latynina raha nilaza izy tamin'ny fandaharana iray fa araka ny heviny, nanana “porofo matotra tsara” amin'ny maha-meloka an'i Sentsov ny fanjakana Rosia ary rariny ny “manao herisetra” sy “managadra olona tsy noho ny nataony fa noho ny fandavany fa tsy nanao izany izy”. “Taorian'ny fahatalanjonan'ireo mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy sy ireo mpiara-miasa amin'ity mpanao gazety ity, nilefitra i Latynina ary niaiky fa “tsy misy fotony” ilay didim-pitsarana ary “menatra” izy satria “manasazy olona “20 taona an-tranomaizina noho ilay olona  “tia tanindrazana ao Okraina” ny fireneny .

Mpiserasera RuNet sasany kosa nahita ny fitsarana an'i Sentsov sy Kolchenko ho maodely amin'ny tolona rehetra ho amin'ny rariny ao Rosia, izay mampiseho ny zavamisy fa ny satan'ny Themis, andriamanibavin'ny Fitsarana ao Moskoa dia tsy mitondra ny fehimasony.

Mitovy tanteraka amin'ny fitsarana Rosiana ny fampihorohoroan'ny Okraniana.

Mahazo mampahatsiahy anao ve aho fa tsy tampina ny mason'ireo Andriamanibavin'ny Fitsarana Rosiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.