Niteraka fihetseham-bahoaka nanerana ny firenena ny finiavan'i Japana hanavao ny bemidina ara-miaramila

japan protests

Fihaonam-bahoaka manohitra ny famolavolana ny “Lalànan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana.” Soratra mivaky hoe “Tsy hamela anareo mandrakizay handefa anay an'ady izahay” sy ny “Sakano i Abe.” Pikantsary avy amin'ny Fantsona Youtube Ofisialin'ny FNN.

An'aliny indray ireo olona nivory tao afovoan-tanànan'i Tokyo tamin'ny 29 aogositra hanoherana ilay lalàna mampiady hevitra hamela an'i Japana handray anjara amin'ny bemidina ara-miaramila miaraka amin'ny firenena hafa tahaka an'i Etazonia.

Ny Lalàna vaovaon'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana, izay mety tsy hifanaraka amin'ny Lalampanorenana ara-teknika, dia manitsakitsaka ny hevitry ny andininy fahasivy amin'ny “lalampanorenan'ny Fandriampahalemana” Japoney taorian'ny ady [lehibe faharoa].

Nandany ny lalàna ny Lapan'ny Solontenam-Bahoakan'i Japana tamin'ny voalohandohan'ny volana aogositra, ary heveria fa hanasonia ny lalàna amin'ny fomba ofisialy ny Lapan'ny Fampihavanana amin'ny 27 septambra.

Fihaonam-bahoaka manohitra ny famolavolana ny “Lalànan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana.” Soratra mivaky hoe “Tsy hamela anareo mandrakizay handefa anay an'ady izahay” sy ny “Sakano i Abe.” Fantsona Youtube Ofisialin'ny FNN.

Nambaran'ny mpikarakara ho fihetsiketsehana lehibe indrindra hanoherana ny famolavaolan-dalàna, mpanao fihetsketsehana tombanana ho any amin'ny 120.000 any ho any no nameno ireo arabe manoloana ny Antenimiera [Rafitra] Nasionalin'i Japana ao afovoan-tanànan'i Tokyo.

Nisy sioka avy amin'ny mpanoratra Japoney Ryuji Morita nanapika sary ny sehatra :

Sary manokan'ny gazety Mainichi: Antenimieram-Pirenena nohodidinin'ny fihetsiketsehana manohitra ny volavolan-kevitra Fandriampahalemana sy Filaminana. [Nahazo olona tokoa ny fihetsiketsehana] nila angidimby ry zareo handrakitra ny habeny.

Nisy sampan'ny SEALDS ihany koa namoaka ny sarin'ny fihetsiketsehana, manombana fa manakaiky ny 350.000 ireo olona nanatrika ny fihetsiketsehana :

Tokotokony ho 350.000 ny olona nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana androany!

Ny SEALDS dia fikambanana tarihan'ny mpianatra izay nipongatra tamin'ny herintaona hanoherna izay heverina ho politika farany ankavanana ataon'ny vondron'antokon'ny governemanta tarihan'ny praiminisitra Shinzo Abe. Ireo milaza fa 350.000 no nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana hafa nanerana an'i Japana, ka ireo rehetra ireo dia narindra hotontosaina tamin'ny 29 aogositra.

Olona 30.000 manao fihetsiketsehana ao Osaka

Eny fa na dia amin'ny faritany sarodalana amin'ny tanànan'i Tokushima aza dia ahitana mpanao fihetsiketsehana midina an-dalambe :

manatevin-daharana ny fihetsiketsehana ao Tokushima aho! Mbola manampotoana alohan'ny iasako aho ka dia mandray anjara!

Raha sarotra ny mitsapa ny hamaroan'ny fihaonana manerana an'i Japana, ny fihetsiketseham-panoherana tamin'ny faran'ny herinandro dia tsy voafetra fotsiny tamin'ny diaben'ny tanora tany an-tanandehiben'i Japana :

Mandatsa-dranomaso ahy ity sary ity.

Amin'ny ankapobeny, milaza ny mpanao fihetsiketsehana fa manohitra izay fikasana mihaotraotra na mihodidina amin'ny andininy faha-9 amin'ny Lalampanorenan'i Japana ry zareo, izay manondro mazava tsara ny fandrarana an'i Japana tsy hanao ady.

Hialana amin'ny fombafombam-panitsiana lalampanorenana lava dia lava izay mety hisy fiantraikany amin'ny fifidianana ny Lapa Ambony amin'ny herintaona, dia miezaka ny “hamaritra indray” ny fandefasana miaramila amin'ny voambolana mifanaraka amin'ny Lalampanorenana Mandala ny Fandriampahaleman'i Japana ny antoko mitondra ao amin'izao fotoana.

Ny andininy faha-9 amin'ny Lalampanorenana Japoney dia mametraka ho tsy ara-dalàna ny ady ho endrika ananganana fifandirana iraisampirenena, na dia miteny aza ny governemanta japoney eo ambany fitarihan'i Shinzo Abe fa tsy maintsy mandray anjara amin'ny hetsika miaramila iarahana amin'ny mpiara-dia aminy, indrindra fa i Etazonia ny firenena.

Amin'ny voambolana pratika, ny fiarahana miaro tena dia hidika hoe afa-manao bemidina famafana maro dia maro i Japana, mametraka sehatra fiarovana amin'ny sambo haingam-pandeha Aegis, ary miambina manaramaso ny zotran'ireo sambo mpitondra solika. Mety azo atao ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin'i Etazonia sy i Japana hiarovana ny sisitany takian'i Japana ao amin'ny farany andrefana indrindra amin'ny vondronosy, indrindra fa ireo vondronosy Senaku izay takian'i Shina sy Taiwan ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.