Mpanakanto Okrainiana Manao Sariitatra Ny Fanagadrana Azy Tao Donetsk

One of the draft images from the comic book detailing Zakharov's kidnapping and imprisonment by "DNR" militants. Image from the artist on Facebook.

Iray amin'ireo andran-tsary tao amin'ny boky tantara an-tsary mitantara ny antsipirihan'ny fakàna an-keriny sy ny fanagadran'ireo milisy “DNR” an'i Zakharov. Sary tao amin'ny Facebook-n'ilay mpanakanto.

Manatontosa boky tantara an-tsary mitantara ny fakàna an-keriny azy sy manazava ny manjo ireo gadra politika ao atsinanan'i Okraina voabodo ilay Okrainiana mpanakanto nosamborin'ireo milisin'ny “Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk” mpomba ny Rosiana noho ny fanasongadinana kantom-piokoana miafina tsy manaja.

Nanomboka ny famoronana asa-kanto maneso ilay milaza-tena ho “Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk” i Sergey Zakharov tamin'ny volana Jolay 2014, miara-miasa amin'ireo mpanakanto namany mba hampiely ireo sarin'ireo mpisintaka miaraka amin'ny manja-mason'ny mpanao hatsikana sy amin'ny fandokolokoam-batana vita amin'ny hazo-fisaka naely manerana ny araben'ny tanàna. Naraikitra tamin'ny fefy sy ny tranobe, nahasarika ny saina avy hatrany ny bikabika mahatsikaikin'ireo sary ary nanomboka nipoipoitra tao amin'ny tambajotra sosialy ihany koa ireo sary ireo. Tsy maintsy nitarika fahatezerana teo amin'ireo milisin'ny “DNR” anefa izany.

Zakharov himself, attaching an artwork to a fence in Donetsk in 2014. Image from Facebook.

Zakharov tenany, mamatotra sangan'asa eo amin'ny fefy iray ao Donetsk tamin'ny 2014. Sary tao amin'ny Facebook.

Tsy ela taorian'ny niparitahan'ny asa-kanto, notsidihan'ireo lehilahy mitam-piadiana tao amin'ny trano fiasany i Zakharov, izay nanatitra azy tao amin'ny Sampan-draharaham-piarovana Donetsk  (iray amin'ireo toeram-pamaharan'ny “DNR” ), niaraka tamin'ny solosainy sy ny asa sary. Nigadra nandritra ny iray volana sy tapany mahery i Zakharov, ary nolazainy fa nampijaliana izy nandritra izany fotoana izany. Anisan'ny zavatra nitranga tamin'izany ny sarintsarim-pamonoana ho faty sy daroka, araka ny filazan'ilay mpanakanto.

В середині ночі, іноді охоронці напивалися, вони іноді хапали кого-небудь з ув'язнених і везли в іншу будівлю, де знову били.

Tamin'ny misasakalina, mamo ireo mpiambina, naka ny iray tamin'ireo gadra ary nitondra azy ireo tany amin'ny tranobe hafa mba hodarohan'izy ireo indray.

“Sarintsarim-pamonoana ho faty.” andran-tsary hafa avy amin'ny boky tantara an-tsary mitantara ny antsipirahan'ny fakàna an-keriny sy ny fanagadran'ireo milisin'ny “DNR” an'i Zakharov. Sary tao amin'ny Facebook.

Niverina teo anivon'ny tantara an-tsary indray ilay mpanakanto izay nifindra tao an-drenivohitra Okrainiana, Kiev rehefa niatrika fanenjehana tao Donetsk, mba hizara ny zavatra niainany tao an-tanànan'i Donetsk voabodo sy ny fikarakarana azy ireo teo am-pelantanan'ireo milisin'ny “DNR”.

“Raha mpanoratra aho, mety nanoratra boky, saingy mpanakanto aho, ka boky tantara an-tsary no ataoko,” hoy i Zakharov tamin'ny Hromadske TV tamin'ny tafatafa vao haingana.

Namoaka voalohany ny sasany tamin'ireo pejy andran'ny boky tantara an-tsary manaraka tao amin'ny Facebook i Zakharov, izay manana ny anarambositra hoe “Banksy an'i Donetsk” noho ny kantony tsy manaja eny an-dalambe. Rehefa navoakan'ireo haino aman-jery Okrainiana sasany ny tantara, nanatona an'ity mpanakanto ity ireo mpamoaka boky miaraka amin'ny soso-kevitra hanonta ny boky, ary mbola eo am-piasana hamita ny antsipirian'ny tetikasa izy ireo.

“Nentina niala tao amin'ny Sampam-piarovana Donetsk hankany amin'ny fonja iray hafa.” Andrana tamin'ny tantara an-tsarin'i Zakharov. Sary tao amin'ny Facebook.

Iray amin'ireo kanto manome aingam-panahy an'i Zakharov indrindra ny “Maus”n'i Art Spiegelman, iray amin'ireo boky tantara an-tsary malaza indrindra teo amin'ny tantara, izay nahazo ny loka Pulitzer noho ny fanehoana an-tsary ny fiainana ao amin'ny tobim-pamonjana nataon'ny Nazi. Manantena ity mpanakanto Okrainiana ity fa hanampy hisarika ny saina manoloana ny fahorian'ireo gadra sy babo hafa niaritra (ary mbola miaritra) eo am-pelantanan'ireo mpisintaka milaza tena fa manampahefana ao atsinanan'i Okraina ny boky tantara an-tsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.