Ankizy vavikely Makedoniana Maty Teo Am-piandrasana Ny Fitokanana Ny Toeram-pitsaboana

Protesters in white mask demand justice for 9-year-old Tamara Dimovska's death in Macedonia on February 19, 2015. Photo by Vancho Dzhambaski. CC BY-NC-SA 2.0

Mitaky ny rariny tamin'ny nahafatesan'i Tamara Dimovska, 9 taona, ireo mpanao fihetsiketsehana manao sarontava fotsy tao Makedonia. 19 Febroary 2015. Sary avy tamin'i Vancho Dzhambaski. CC BY-NC-SA 2.0

Raha nila fitsaboana tamin'ny fikorontanana tsy dia fahita matetika sy fivilanan'ny hazon-damosiny i Tamara Dimovska, nolazaina ny fianakaviany fa tsy nanana manam-pahaizana manokana nilaina mba hanao ny fandidiana i Makedonia, firenena misy olona 2 tapitrisa monja. Nitady hevitra ny hitondra azy any ivelany izy ireo noho ilay fandidiana sarotra, kanefa nandà imbetsaka ilay fangatahana fanampiana ara-bola ny tahirim-bola miaro ny fahasalamam-bahoaka ao amin'ny firenena.

Nampiasa Facebook ilay fianakaviana ary nanao hetsika mba hangatahana fanampiana, amin'izay izy ireo mba ho afaka handoa ireo vola aloa amin'ny fitsaboana any ivelany. Nanantona ny fianakavina avy eo ireo manampahefana ary nangataka azy ireo hanajanona io ezaka ataony io, nampanantena fa handray an-tànana an'io ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fitsaboana — hisy toeram-pitsaboana vaovao hisokatra akaiky eo, ary ho afaka hodidiana ao an-toerana i Tamara, 9 taona.

Fa betsaka loatra ny fahataràna ary avy eo tara loatra izany. Maty ny 9 Febroary 2015 i Tamara.

Tao anatin'ireo karazana hetsi-panoherana ny fandaniam-bola-panjakana sy ny kolikoly, nisy fahatezerana lehibe nipoaka tao an-tanànan'i Skopje renivohitra, raha nilaza ireo loharanon'ny media tsy miankina fa niditra tamin'ny trangan'ilay ankizy vavikely ireo manampahefana satria te-hampiseho ilay ankizy ho fahombiazana voalohan'ilay Toeram-pitaboana izy ireo. “Noho izany maty teo am-piandrasana izy, maty noho ny PR-ndry zareo,” hoy i Filip Stojanovski, mpanoratra ho an'i Global Voices.

Nataon'ny kaomity ary nosoniavin'ny lefitry ny filohan'ny kaomity, Aspazija Sofijanova, izay niaiky tamin'ny fijoroana vavolombelona vao haingana, fa nanao izany mifanohitra amin'ny fanapahan-keviny amin'ny maha-matihanina azy izy, satria nobaikoin'ny “avy any ambony“. Olona ampiasaina be amin'ny politka i Sofijanova, izay lazain'ny media mifandray amin'ny fanjakana matetika ho toy ny mpiaro ny maha-olona manohana hatrany ireo mpanao politika eo amin'ny fitondràna raha mbola azo atao.

Andro vitsivitsy taorian'ny nahafatesan'i Tamara, naneho hevitra tao amin'ny Facebook-ny momba ireo zavatra rehetra tsikariny i Biljana Nikolovska, mpanao gazety izay nitatitra hatrany am-boalohany ilay raharaha :

Истражувам, разговарам со лекари и доаѓам до информација дека се подготвува спинален центар за сколиози кој треба да биде отворен за два месеци. Си велам можно ли е ова да е причината за одлагањето на операцијата на Тамара. Ја чуваат ли за да се сликаат покрај неа. Доктори ме убедуваат дека имаат стручни колеги во земјава, за кои ова би било „боза“ операција. Повторно контрадикторност. Зошто тогаш во конзилијарното мислење го напишале спротивното? Се што дознавам објавувам, но официјална изјава нема од никој.

Nikaroka aho, niresaka tamin'ireo fizisiana ary nahazo loharanombaovao fa efa ao anatin'ny asa ny fanamboarana ny Toeram-pitsaboana Hazondamosina tratry ny Scoliosis ary tokony hisokatra ato anatin'ny roa volana. Niteny ho an'ny tenako aho hoe dia ho izany ve no antony nanemorana ny fandidiana an'i Tamara. Notànan-dry zareo ve izy mba hahazoana sary “op” hafa? Nilaza ahy ireo mpitsabo fa manana manampahaizana mpiara-miasa ao amin'ny firenena, izay mahavita mora ny fandidiana toy io, ohatra ny “singanà mofomamy.” Nahoana ary, ny hevitry ny Mpanolo-kevitra [kaomity] no milaza ny mifanohitra amin'izany? Nandefa ny zavatra rehetra aho, fa tsy mety mahazo fanambaràna ofisialy na avy amin'iza na avy amin'iza.

Talohakelin'ny nahafatesan'ny zanany vavy, nolazaina fa nanatona mivantana ny Praiminisitra Nikola Gruevski i Zhaklina Dimovska, ary niangavy fatratra ny fiantràny mba hahazo ny fanekena ny fandidiana. Nisy taratasy avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana, nitondra ny datin'ny 6 Febroary, nanaiky ny fandidiana, tsy mbola nalefa hatramin'ny ny 11 Febroary, roa andro taorian'ny nahafatesan'i Tamara. Tsy ahitana fanehoana fiaraha-miory mihitsy ilay taratasy, aseho an-tsary eto ambany.

First page of the administrative letter regarding Tamara Dimovska's treatment.  Image courtesy Novatv.mk

Pejy voalohan'ny taratasin'ny sampan-draharaham-panjakana mikasika ny fitsaboana an'i Tamara Dimovska. Sary nomen'i Novatv.mk maimaimpoana

Tao anatin'izay roa herinandro lasa izay, nandray ny media sosialy ireo Makedoniana, tamin'ny fampiasaina ireo tenifototra #ОставкаЗаТодоров (fametraham-pialan'i Todorov) sy ny #ТодорOFF (Todorov-MIALA), miantso ny fametraham-pialan'ny Minisitry ny Fahasalamana Nikola Todorov, izay nampanantena ny fianakavian'i Tamara, tamin'ny Novambra 2014 fa ny governemanta no handoa ny lany amin'ny fandidiana azy. Olona maherin'ny 18.000 no nitondra ny fanohanany tamin'ilay hetsika izay nataon'ny fianakaviana sy ny media Ognen Janeski.

Ny 19 Febroary, nisy vondron'olona vitsy nanao sarontava fotsy, ho endriky ny faharatsian-toetra tsy misy endriny an'ireo andrim-panjakana, nanao hetsi-panoherana nanoloana ny Ministeran'ny Fahasalamana. Hetsika nokarakarain'ny sehatra olom-pirenena AJDE!, nitaky ny fametraham-pialan'ny minisitry ny fahasalamana, ireo mpikambana amin'ny kaomity, ny mpitantana ny tahirimbola ho an'ny fiarovana ny fahasalamana ary ny mpikambana amin'ny filankevitra.

Andro vitsy taorian'izay, olona an'arivony notarihan'i Janevski sy ny renin'i Tamara, no nifamory nanoloana ny tahirimbola ho fiarovana ny fahasalamana ary nanao diabe tamin'ny lalamben'i Skopje nankany amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana.

Tsy nisy mpiasan'ny fahasalamana voarohirohy tamin'ilay raharaha aloha niatrika fitoriana hatreto. Noho ireo hetsi-panoheran'ny vahoaka, mpiasam-panjakana roa misahana ny tahirimbola fiarovana ny fahasalamam-bahoaka no nametra-pialana.

Nitory an'i Torodov ny Kaomity Helsinki ho an'ny Zon'olombelona, noho ny fanararaotam-pahefana tamin'ilay raharaha, fa tsy mazava tsara raha handray fepetra amin'izany ny mpampanoa lalànam-panjakana.

Niaro ny tenany samirery i Todorov, nilaza fa efa nanao ny zavatra rehetra azony natao izy “na mihoatra noho izany mihitsy aza” mba hanekena ny fanampiana ara-bola ho an'ny fandidiana an'i Tamara. Taminà tafatafa tao amin'ny TV an'ny fanjakana, nilaza ny fahafatesan'ilay zazavavy ho zava-nitranga mampalahelo izay manakona ny fanovàna entiny ho amin'ny fomba fitantanana ny fahasalamana eo amin'ny firenena izy.

Ny 21 Febroary, nanambara izy fa hampiditra mpiasan'ny fahasalamana vaovao miisa 2.000 ny governemanta — mpitsabo sy mpitsabo mpanampy miisa 700, ary mpiambina toerana fialàna sasatra sy mpikirakira ny lafiny ara-teknika.

Nanome porofo ampy tsara ny amin'ny tokony hampandraisana andraikitra misimisy kokoa ireo mpiasam-panjakana ankehitriny ireo resadresaka tao amin'ny tambazotra sosialy sy ny tatitra ao amin'ny media tsy miankina izay kely fa tena matanjaka tokoa. Tao anatin'ny kiakiakin'ny vahoaka amin'ny fanovàna ara-toekarena sy ny tsy fananana asa — izay ambony indrindra any Eorôpa, amin'ny tahany 30% — ary ny raharaha Tamara Dimovska, toa hita ho tratran'i Makedonia ato ho ato ny maripàna ambony indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.