Heverin'ny Malezia Ny Hanerena ireo Vohikalam-baovao Hisoratra Amin'ny Governemanta, Satria Mitatra Ny Tantara Ratsy Ara-politika

Some of the participants during the #AtTheEdge campaign calling for a free and independent media in Malaysia. Photo from the Facebook page of Malaysians stand in solidarity with The Edge

Ny sasany tamin'ireo mpandray anjara nandritra ny hetsika #AtTheEdge, miantso ho an'ny media malalaka sy mahaleo tena any Malezia. Sary avy tamin'ny pejy Facebook-ny “Maleziana mitsangana miaraka miray hina amin'ny The Edge.”

Nanoso-kevitra ny hanovàna ny lalànan'ny Aterineton'ny firenena, mba hanerena ireo vohikalam-baovao hisoratra anarana ao amin'ny governemanta, ny Minisitra vaovao misahana ny Serasera sy ny Fampitam-baovao ao Malezia. Haingana be ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona nitory ilay soso-kevitra ho rahona ho an'ny fahalalahana miteny.

Te-hanome alàlana ho an'ny Kaomisionan'ny Serasera sy Fampitam-baovao Maleziana (MCMC) ho afaka mampiato ireo vohikala voasokajy ho “rahona ho an'ny fiarovana sy fitoniam-pirenena” ihany koa ny Minisitra Datuk Seri Dr Salleh Said Keruak. Nilaza tamin'ny vahoaka anefa izy fa mbola hijery tsara ireo maodely efa ampiharina any amin'ireo firenena hafa aloha ny governemanta, alohan'ny hanovàna ny lalànan'i Malezia, izay eritreretiny hatao ny volana Oktobra. Nanoratra izao tao amin'ny bilaoginy ny Minisitra:

Hoezahintsika hanaraka ireo fenitra iraisampirenena i Malezia. Kanefa, na any amin'ny tany tandrefana ‘malalaka’ sy ‘afaka manao izay tiany’ aza, misy ihany ireo famerana ny zavatra azo teneninao sy avoakanao. Ary izany no mila takarin'ny Maleziana tsara.

Ny 17 Aogositra 2015, nanoratra tao amin'ny bilaoginy momba ny fihaonan'ny goveremanta sy ny Facebook, Google, ary Twitter izy, izay niresahan'ireo mpisolo tena ny fomba hiadiana tsara amin'ny fandefasana loharanom-baovao diso amin'ny media sosialy. Nanainga ireo mpisera amin'ny Aterineto izy mba ho tompon'andraikitra kokoa. Nampahatsiahy ireo tsikera ihany koa izy fa tsy amin'ny zavatra rehetra atao akory no hisian'ny fahalalahan'ny media:

Tsy toerana tsy misy lalàna akory ny tontolon'ny Aterineto, ary azo raisina tsara ny  fepetra ho an'izay olona tratra mandika ny lalàna, tafiditra amin'izany ny ao amin'ny Aterineto.

Ataovy an-tsaina foana hoe mety hahatonga toe-javatra mahatsiravina mety hanimba ny fandriampahaleman'ny vahoaka ny fandefasana na fametrahana loharanom-baovao mafanafana na tsy voamarina.

Mety te-hiresaka ilay fampiatoana vao haingana ilay gazety an-tsoratra (The Edge) sy ny fibahanana ilay vohikalam-baovao (Sarawak Report) nataon'ny governemanta noho ny filazàna fa nandefa loharanom-baovao tsy voamarina, angamba ilay minisitra. Niampanga ireo filazam-baovao ireo ny tomponandraiki-panjakana, nampangainy ho nandefa antotan-taratasy tsy marina momba ny tantara ratsy miresaka kolikoly izay mampifandray ny Praiminisitra amin'ny 1MDB, orinasa mpandraharaha ara-bola tantanan'ny fanjakàna izay notaterina fa nanary an-davitrisany tamin'ny volan'ny mpandoa hetra.

Nisy nanao tsikera maro tokoa anefa ny governemanta, noho ny fanaovany sotasota amin'ny mpanao gazety ary ny fiezahany mampangina ny tsikera momba ny raharaha 1MDB.

Hitan'ny olona sasany ho anisan'ny valin-kafatry ny governemanta tamin'ny fahafaham-baraka lehibe noho ilay resaka kolikoly ilay fanolorana soso-kevitra mangataka ireo vohikalam-baovao mba hisoratra anarana.

Media freedom advocates are urging the prime minister to remember his commitment to keep Internet free from censorship. Photo from the Facebook page of Malaysians stand in solidarity with The Edge

Nanainga ny praiminisitra hahatsiaro ny fanapahan-keviny hamela ny aterineto tsy hisy fanivanana ireo mpiaro ny fahalalahan'ny media. Sary avy tamin'ny pejy Facebook -ny “Maleziana mitsangana miray hina amin'ny The Edge.”

Teo am-panoratana ho an'ny Malay Mail Online, nanipika i Khairie Hisyam fa efa misy ireo lalàna izay afaka mamaly ny ahiahin'ny Minisitra momba ny resaka fanalàm-baràka sy fitaterana vaovao diso:

Manana lalàna mifanaraka tsara amin'izany isika, afaka ampiasaina amin'ny fitaterana tsy mitombina sy ireo zavatra hafa tsy mety rehetra azo eritreretina, rehefa ny  varavaran'ny fampahalalam-baovao amin'ny Aterineto no resaka. Koa nahoana no asiana resaka manokana mihitsy ilay hoe tokony hisoratra anarana ny fampahalalam-baovao amin'ny Aterineto? Tsy misy dikany mihitsy izany.

Nampitandrina izy fa mety manohintohina ny fahalalahana miteny ny fandraketana amin'ny Aterineto, amin'ny fanitarana ireo vesatra atrehan'ireo gazety an-tsoratra (sahala amin'ny fangatahana fahazoan-dàlana avy amin'ny governemanta) amin'ireo vondrona tsy dia manana fahafahana ara-pitaovana loatra.

Tady manakenda ny mpanonta gazety neken'ny fanjakana ny fahafahan'ny ministera mandà io fanomezan-dàlana io amin'ny fotoana rehetra. Tsapan'izy ireo foana fa mety ho lasa fitaovana politika io fahefana io, izay tsy mila fampilazàna, mba hampanginana ireo tsy mitovy hvitra aminy na tatitra tsy tiana ho hita.

Raha toa ka ho tratran'io famerana io ihany koa ireo fampahalalam-baovao amin'ny Aterineto, hanaparitaka ny fanivanan-tena io, avy amin'ny media an-tsoratra ka hatrany amin'ny Aterineto, ary hanempotra ny fampitàna vaovao.

Nilaza ilay mpikatroka mafana fo, Anil Netto, fa tsy ilaina ny fandraketana an'ireo vohikalam-baovao:

Efa manana orinasa misahana ny sehatra iasàny ireo fampahalalam-baovao amin'ny Aterineto, ary efa nanao fandraketana ireo mpanao gazetiny hahazoana ireo karatra ofisialy famantarana fa mpanao gazety.

Fanampin'izay, efa manana karazana lalàna henjana afaka ampiasainy – ary efa nampiasainy – tamin'ireo mpanao gazety – ireo tomponandraiki-panjakana.

Taminà tafatafa iray, nanazava ny Minisitra fa mifandray amin'ny filàna ny fisahànana ny resaka toy ny vetaveta, filokàna anaty Aterineto, ary ireo fandrahonan'ny ISIS, ny sosokeviny. Fa nanamafy kosa ireo vondrona mpiaro, toy ny Fikambanana ho an'ny Fivoaran'ny Serasera sy ny Persatuan Kesedaran Komuniti Selangor, fa natao tamin'ny fotoana nanandraman'ny governemanta nametra ny fitateram-baovaon'ny media ilay sosokevitra fanovàna ny lalàna:

…tokony hojerena miaraka amin'ny fiarahamonina ara-politika ankehitriny ao Malezia izy ireo, firenena izay mbola misy fanenjehana ny fahalalahana miteny sy ny fikambanana ary fifamoriana amim-pilaminana. Tsy azo inoana mihitsy hoe tsy natao ho amin'ny zavatra hafa ankoatry ny fandraràna ny tsikera sy ny famerana ny hany sisa tafajanona amin'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ao anaty aterineto io fanovàna io.

Ny 8 Aogositra lasa teo, nifamory teo an-drenivohitra ireo mpanao gazety an-jatony, mba hampiseho ny firaisankina miaraka amin'ireo vondrona media manana olana. Hisy fifamoriana lehibe karakaraina ho amin'ny 29 Aogositra, nataon'ireo vondrona isankarazany mba hitakiana ny kaonty avy amin'ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.