Singapore : Latabatra Ping-Pong iray Mametraka Ny Fitsipiky Ny Fizakàmanana Ara-Tsaina Ho Ambany Maso

Photo by Singapore-based Jason Goh. CC0 Public Domain

Sary avy amin'ilay Singaporeana Jason Goh. Sehatra CC0 ho an'ny daholobe

Niteraka adihevitra noho ny fitoviany amin'ilay asa-tànana noforonin'i Lee Wen, ilay nahazo ny Medaly ara-kolontsaina, ilay latabatra ping-pong boribory nampiavaka ny lalaon'i Azia Atsimo Atsinanana natao tany Singapore tamin'ny volana Jona. Nangataka fifanakalozan-kevitra matotra momba ny fampiharana ny fizakàmanana ara-tsaina ao amin'io firenena io ny vondron'ny mpanakanto Singaporeana taorian'io zava-nitranga io.

Namolavola fanambarana am-pahibemaso ry zareo izay milaza fa  ilàna asa bebe kokoa ny hiantohana fahafahan'ny fitsipika mifehy ny fizakàmanana ara-tsaina amin'izao fotoana izao hiaro ny zon'ny mpanakanto.

Manasongadina ny tsy fahampian'ny fepetra izay manaja sy miaro ny famoronana zavakanto any Singapore ity zava-mitranga ity.  Nahoana no ao amin'ny firenena izay efa voasokajin'ny fanadihadiana iraisam-pirenena fa manana ny lalàna fiarovana ny IP tsara indrindra maneran-tany no isehoan'izany ? Rariny ve izany, na dia ara-dalàna aza ?

[…]

Na dia fantatra aza ny maha-zava-dehibe izany dia tsapanay fa maro ny zavatra azo atao mba handrisihina, hanajàna ary hiarovana votoatinà famoronana. Nanao ezaka azo tsapain-tànana ny governemanta amin'ny fampiroboroboana sy fanaovana ny kanto ho asa matihanina. Indrisy anefa, fa mbola mitoetra ihany ny tsy fahafantaran'ny  mpanakanto ny zony sy ny fanao mahazatra ny indostria.

Ping-Pong Go Round by artist Lee Wen. Photo by Flickr user Pascal Vuylsteker. CC BY-SA 2.0

Latabatra Ping-Pong boribory afaka mivezivezy nataon'ny mpanakanto Lee Wen. Sary avy amin'i Pascal Vuylsteker,  Mpampiasa Flickr . CC BY-SA 2.0

Olon'ny teatra niisa 229, mpanoratra, mpanoratra tononkalo, mpamokatra sarimihetsika, mpanao gazety, mpilalao sarimihetsika lahy sy vavy, mpianatra amin'ny oniversite, mpandihy, mpandrindra ny kanto, ny mpanakanto mpiantsehatra, ary ny mpanakanto mamorona zavatra hita maso avy any Singapore no nanao sonia ilay fanambaràna am-pahibemaso.

Ho setrin'izany hetsiky ry zareo izany dia nanapa-kevitra ny hanao ” fandoavana vola an-tsitrapo” ho an'ilay mpamorona ny latabatra kitron-tsoavaly ny Fanatanjahantena any Singapore ( SportSG), etsy andanin'izany dia nomarihan'ny Komity mpikarakara ny lalaon'i Azia Atsimo Atsinanana fa tsy nisy fiheverana hanitsakitsaka ny zon'ny mpamorona izany. Na dia porofoin'ity dingana ity aza ny fahatsiarovan-tenan'ny fikambanana momba ny zon'ny mpanakanto, dia sarotra ny hanome toky fa tsy hisy tahaka izany intsony hiseho any aoriana.

Lalàna hentitry ny IP. Mbola voahitsaka. Tratra am-bodiomby tamin'ilay latabatra ping-pong boribory tao amin'ny #SEAGames2015

Fa ilay zava-misy vao haingana kokoa no mety hitarika ireo manampahefana hiatrika amin'ny antsipirihany kokoa ny olana ary hamaha ireo olan'ny fizakàmanana ara-tsaina.

Nandritra ny fitsidihany farany tany Singapore tamin'ny diany ho any Azia Atsimo Atsinanana, nohamafisin'ny Praiminisitra Britanika David Cameron ny ilàna ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'i Singapore amin'ny famahana io olana io.  Na dia tena tsotra aza ny fomba fangatahana firaketana marika manokana, dia manasarotra izany kokoa ny isa tsy mitsaha-mitombon'ireo mpametraka fangatahana.

Izany hoe, fantatra fa sokajian'ny fikambanana toy ny World Economic Forum ( Vovonana Momba ny Toekarena Maneran-tany ) sy ny Political Economic Risk Consultancy ( Fitsirihana ny loza ara-toekarena ateraky ny politika ) ho ny lalàna tsara indrindra miaro ny ara-tsaina any Azia ny any Singapore, dia tsy mahagaga raha toa ka orinasa iraisam-pirenena maro no manapa-kevitra hanomboka tetikasa vaovao any amin'io firenena io. Vokany, miatrika fangatahana fiarovana fizakàmanana ara-tsaina be dia be i  Singapore indindra eo amin'ny sehatry ny teknolojia.

Etsy andanin'izany, tsy tsapan'ny mpanakanto ny ezaka rehetra ataon'ny fitondrana mba hisorohana ny tsy hisin'ny tranga tahaka ity latabatr'i Lee Wen ity intsony. Raha ny marina, mampitaintaina azy ireo ny “fiheveran'ireo mpiaro ny IP sasany fa tsy voahitsakitsaka ny fizakàmanana” na dia efa an-taonany maro aza no nisy ilay tetikasa.

Noho izany, mety hanasongadina ny ilàna ny fandinihina indray ireo mety ho fahabangana amin'ny lalàna ny fanehoankevitr'i Cameron. Na dia mifantoka amin'izay tombontsoa ho an'ny raharaham-barotra britanika aza ny fanapahan-keviny, dia mety ho dingana lehibe amin'ny fanatsarana ny fitsipiky ny fizakàmanana ara-tsaina any Singapore izany.

Toa nahafaly ireo Singaporeana sasany ny namoahana izany olana izany ho fantatry ny olona.

Raha MATOTRA amin'ny maha-foiben'ny fizakàmanana ara-tsaina azy i Singapore, dia tsy maintsy any amin'ny …….no apetrany ny volan-dry zareo.

Amin'ny fiarahana miasa amin'ny raharaha goavana tahaka itony, mety hataon'ny governemanta roa tonta izay hisian'ny fahamarinan-toeran'ny fitsipika mifehy ny fizakàmanana ara-tsaina sahazo ho fiarovana ny zon'ny tsirairay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.