Ny “Alice Any An-tanin'ny Fahagagana” Araka Ny isainan'ilay Libaney-Frantsay Mpitsoka Trompetra Azy Rehefa Atao Gadona Hip-Hop Opera

Ny 24 Aogositra 2015, nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org ity lahatsoratra sy tatitra amin'ny onjampeo nataon'i Betto Arcos ho an'nyThe World ity, ary naverina navoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Milaza i Ibrahim Maalouf fa tiany hatrany ny tantara “Alice any an-tànin'ny fahagagàna” satria miresaka fahalalahana manonofinofy.

“Toy ny fanomezam-boninahitra ny fahaiza-mamorona ny Alice any an-tànin'ny Fahagagàna,” hoy izy. “Tsy misy zavatra tsy lojika noho ny tantara “Alice any an-tànin'ny Fahagagàna.” Nanoratra zavatra tena mivaona tanteraka amin'ity tontolo ity i Lewis Carroll. Namorona tantara iray izy izay tsy manana ny dikany mihitsy raha toa ka mamaky fotsiny an'ilay tantara amin'ny maha-tantara azy ianao, saingy rehefa avy eo mila alalinina ny zavatra rehetra mba hahatakaranao ny antony iresahany momba azy ity ary toy ny tsy mandràra na inona na inona ho azy tenany izy, rehefa manoratra.”

Araka izany, rehefa nomena vintana i Maalouf ho afaka mandrafitra/mamorona sombiny ho atao mandritry ny Festival d'ile de France taona 2011, nanapaka hevitra izy ny hamerina haka sary an-tsaina ny Alice.

Manasongadina ny tarika mpiangaly jazz Maalouf, andiam-pitendry zavamaneno klasika, ary antoko mpihiran'ankizy ny fandraketana an-tsary ny “Any amin'ny Tanin'i Alice”. Manaraka ny fitsipika mitovy amin'ny ao anatin'ilay tantara “Alice any an-tànin'ny Fahagagàna” ahitàna ireo mpisehatra mitovy ihany. Saingy ny tontolon'ny nofinofin'i Carroll dia navaozina hifanaraka amin'ny vaninandro maoderina ao Frantsa tamin'ny alàalan'ny tononkiran'ilay Oxmo Puccino, artista Maliana-Frantsay mpiangaly hip-hop.

Lazain'i Ibrahim Maalouf fa na efa 150 taona tany aloha aza no nosoratana ny tantaran'i Alice dia mbola reny manakoako ao anatiny hatrany. “Heveriko fa anaty fiarahamonina iray feno zavatra maro voaràra isika no miaina ary mampahatahotra ahy izany,” hoy izy.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, lazain'i Maalouf fa nihevitra be momba ny rivotry ny tsy fifandeferana ao Eoropa izy, ary ny fitomboan'ny toe-po feno fankahalàna mpifindra monina. Indrindra fa ao Frantsa. “Tsy afaka mitafy an'ity ianao, tsy afaka mitafy an'itsy, tsy afaka ny hihevitra tahàka ity ianao, tsy anananao ny zo hiteny an'io. Ezahan-dry zareo ny hitady vahaolana amin'ireo olana sy fahasahiranana, amin'ny alàlan'ny zavatra izay mampizarazara ny vahoaka, fa tsy izay vahaolana misy zavatra mampiray ny vahoaka no katsahana.”

Farany indrindra, lazain'i Maalouf fa niriany ny hampiasa ny tantara “Alice any an-tànin'ny Fahagagàna” mba hametrahana teboka momba ny zonao hilaza ny hevitrao manokana. Ary ao anatin'ny tontolo iray taorian'ny vono olona tao amin'ny Charlie Hebdo, dia zava-dehibe tokoa izany, hoy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.