Ankizivavy vs. Andriambavilanitra: Voaisa Ny Andron'ny Jadona Mavokely

Captura de pantalla del juego Niñas vs Princesas creado en Bolivia con la idea de combatir los estereotipos femeninos desde la infancia.

Dikasary avy amin'ny lalao an-tsary Boliviana “Girls vs. Princesses” izay mikendry ny hiady amin'ireo fomba fitsaràna an-tendrony ny vehivavy novolavolaina hatry ny fahazazàna

Ity lahatsoratr'i Mabel Franco ity dia navoaka voalohany tao amin'ny La Publica ary novokarina indray eto eo ambany fifanarahana fizaràna votoaty.

Milaza ireo mpanohana azy fa mihoatra noho ny lalao io, satria viriosy mikatsaka ny hampiseho masoandro ireo fitsaràna an-tendrony, hanaisotra ireo tsy fifandanjàna, ary hanapaka ny tontolo ny jadona ampiasain'ireo Andriambavilanitry ny Disney manoloana ireo ankizivavy.

Ny lalao virtoaly “Girls vs. Princesses” dia noketrehan'ny masoivohon-tserasera Nicobis mitoetra any La Paz, izay “mamokatra fandaharana amin'ny sarimihetsika, lahatsary sy media isan-karazany, ary mifantoka amin'ny famoahana boky ho an'ireo ankizy”. Anatin'ilay lalao, mitsambikina sy mihazakazaka ireo mpandray anjara mba hialàny amin'ny fiantsoana azy ho andriambavilanitra araka ilay “metatra mamaritra ny maha-andriambavilanitra”.

Avy amin'ny alalan'ny sampany PICA (Fandaharana Manita-tsaina ho An'ny Tanora), mikatsaka ny hanamaro karazana ny tsenany any Bolivia ny Nicobis, ka hamorona fampiharana sy lalao virtoaly izay mitrandraka amin'ny fomba maharitra ireo sampan-tsena vaovao sy tsy mbola nisy mpanao. Ny fikambanana Holandey misahana ny fampandrosoana, Hivos*, no namatsy vola ny lalao “Girls vs Princesses”, izay hivoaka maimaimpoana rehefa tanteraka soa aman-tsara ao anatin'ny roa volana.

Aorian'ireo andrana atao miaraka amin'ireo vondrona fiadian-kevitra sy ireo fanovàna hatao any aoriana, haseho ao amin'ny Foaram-boky Iraisam-pirenena any La Paz  ny “Girls vs. Princesses” amin'ny faramparan'ity volana ity (5-16 Aogositra), izay holalaovina aminà solosaina sahala amin'ny Wi, izay mamaky ireo hetsika ataon'ny vatan'olombelona.

Any, aminà fàfana iray ngeza be anaty trano vy nohaingoina hifanaraka amin'ny efitrano ho an'ny tanora dia ho afaka hilalao ilay lalao famotehana ny fitsarana an-tendrony ireo zazavavy anatin'ny sokajin-taona rehetra, izay mikatsaka ny hitsoaka ny endrika voizin'ny fahazarana momba ny hoe lavorary mifandray amin'ireo tovovavy tanora, fotsy fihodirana/”blonde”, manifinify, miakanjo mavokely ny ankamaroany ary manonofy mitia andriandahy iray tsara tarehy.

Raim-pianakaviana koa i Emiliano Longo, tale mpanorina ny Nicobis. Manan-janaka vavikely 3 taona izy “izay antsoiko tsindraindray hoe ‘andriambavilanitra’ ka mahatonga ahy avy eo te-hanaiki-dela”.

Ny tena mampanahy an'i Longo indrindra, anefa, dia ny fanirian'ny zanany vavikely ho andriambavilanitra, na inona na inona tenenin'ireo ray aman-dreniny azy, sady nandova sahady ny fotokevitry ny andriambavilanitra: tsy tia manao akanjo miloko afa-tsy mavokely izy, ary tia manao ireo kiraro avo voditongotra an-dreniny.

“Moa ve fantatrao?” Voarafitra/voavolavola isika,” hoy ny famintinan'i Longo, izay namorona ny lalao “Girls vs. Princess” miaraka amin'ilay mpanao sary fanaingo, Mónica Carreño, sy Enrique Oropeza, ilay mpamorona lalao sy fampiharana ary ny tale mpamorona miaraka aminy, Carlos Mercado.

Tairo ary

Ahitana dingana roa ny lalao: ny dingana fototra iray, natao hifototra amin'ny hazakazaka sy tsambikina ho an'ireo ankizivavy kely, ary ny dingana mandrosondroso kokoa miaraka amin'ireo sakana, ireo tsambikina avo sy ireo hasarotana hafa ho an'ireo tanora.

Afaka mifidy izay endrika isehoan'ireo hisolotena azy ny mpilalao. Afaka mamorona ny mpandray anjara hampiasainao eo amin'ny fafana ianao ary mifidy ny lokon-kodiny (avy amin'ny fotsy mankany amin'ny volomparasy na loko hafa), ny lokom-bolo sy ny endriny (na “blonde” sy tsotra na manga sy olioly) ary mampiakanjo azy amin'izay hitanao fa miady tsara aminy.

Ahitana ankizivavy mpanao karate, mpikorisa an-dranomandry, mpanao sarisary amin'ny rindrina sy ireo mpikaroka ara-tsiansa, ankoatr'ireo hafa koa, ireo modely malaza. Ny endrika ‘andriambavilanitra’ irery ihany no tsy eo amin'ny tolotra.

Rehefa manomboka ny lalao, mandroso mankany anaty ala, efitra filanonana sy lapa ireo mpandray anjara, ary mikendry ny hiezaka hiala ka tsy ho tratry ny ankosotra tadiavin'ny olona fohy kely iray mahasorena hahosotra ilay mpilalao.

Loza hafa tsy maintsy resen'ireo mpilalao ihany koa ireo atin'akanjo manara-batana sy misy tadiny ary be filirony– sarotra ny mitsambikina miaraka amin'ny akanjo tahaka izany — misy fitoeran'akanjo mavokely izay manafika amin'ny alàlan'ny fitorahana kiraro avo voditongotra any amin'ny mpilalao, ary, farany, ny oroky ny andriandahy iray tsy maha-te ho tia.

Miaraka aminà ekipa namana iray ahitana boky, borosy fandokoana, baolina sy zavatra hafa azo ampiasaina izay manavotra ireo ankizivavy tsy hatao tsinontsinona, mikendry ny hampijanona ny isany amin'ny “metatra mamaritra ny maha-andriambavilanitra” amin'izay farany ambany vitany ireo mpilalao.

Raha tsy vitan'izy ireo izany, dia hanjary lasa izy ireo ilay andriambavilanitra be mpankahala. Midika ho fiafaran'ny lalao ny fiantorahana eo an-tsandrin'ilay andriandahy.

Andriambavy mampalahelo?

Saingy koa satria ny tsy fanavakavahana no fotokevitra niandohan'ilay lalao, dia mipetraka ny fanontaniana: Iza no hiaro ny zon'ilay andriambavilanitra?

Tsy misy indrafo ny valintenin'ilay ekipa: nandritra ny zato taona, miaro ny zon'ny andriambavilanitra avokoa ny Disney, ireo sarimihetsika sy ny orinasa misahana ny fialamboly, ankehitriny dia tonga kosa ny androny.

Mino i Longo fa ireo fotokevitry ny andriambavilanitra najoron'ireo ankizivavy “sy ireo reniny” — raha tsy hotononina ireo soatoavina mifandray amin'izay– dia tsy inona fa paikadim-barotra entina hampiroboroboana ny fanjifàna.

Ilay marika ‘andriambavilanitra’, hoy izy, dia tombony ho an'ireo mpamokatra kilalao, sy ireo mpamokatra akanjo misy loko sy endrika iray miavaka, ankosotra ho an-“jazavavy” ary ireo haingo hafa manaitaitra.

Mandray anjara anatin'ny fampivoarana ireo singa manaitra filàna alohan'ny fotoana any amin'ireo ankizivavy ihany koa izany, sady manosika azy ireo mba hihetsika amina fomba iray miavaka mba hahafalifaly ny lehilahy.

Nazava tao anatin'ireo vondrona fiadian-kevitra nosahanin'ny Nicobis fa nanintona mafy ireo ankizivavy ny lalao, izay nahatsapan'izy ireo fa mampalahelo ilay hevitra momba ny andriambavilanitra, ka nanana faniriana ho lasa mpanao fanatanjahantena na mpikaroka ara-tsiansa ary nihevitra ireo ankizivavy mitondra tena sahala amin'ny andriambavilanitra ho mampihomehy.

Mandresy lahatra ireo mpamorona ny lalao ireo valiny ireo fa nahita fitaovana mahomby iray mba hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony izy ireo.

Ireo ankizilahy kosa, tsy tia ny fanaovana ny mpandray anjara an'ilay lalao ho vehivavy, izay midika fa vitsy no hilalao ilay izy, hoy i Enrique Oropeza.

Manamarika i Monica Carreño fa tena vitsy sady mahàlana ireo lalao izay vehivavy no mpitarika, raha toa ka matetika natao indrindra hisarihana lehilahy ireo vehivavy mpandray anjara anaty lalao an-tsolosaina :

“Nanontany tena foana aho hoe nahoana ireo vehivavy mpiady no saika miboridandridana avokoa sy mitafy bikini eny am-pitolomana, raha ireo lehilahy namany kosa miseho miaraka aminà fiadiana mavesatra dia mavesatra”, hoy izy mihomehy.

Efa naharitra maherin'ny enim-bolana ny fanamboarana ilay lalao “Girls vs. Princesses” ary noeritreretina ho vonona amin'ny voalohan'ny volana Oktobra.

Na iza na iza te-hilalao dia afaka misintona izany ao anatin'ireo  vohikala any Bolivia sy any amin'ireo firenena hafa, na mitady izany ao amin'ny Playstore sy AppStore. Ho zaraina miaraka amin'ireo fitaovam-pianarana sy fialamboly omen'ny PICA any an-tsekoly ihany koa izany .

Mandritra ilay Foaram-boky ho avy, tena hitsambikina tokoa ireo tanora Boliviana mba hanampy ireo mpandray anjara nofinidin'izy ireo hiala ilay jadona mavokely, eo aminà fàfana goavana. Hita fa voaisa ny andron'ny andriambavilanitra.

*Fandavana: mpanohana sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices ihany koa ny Hivos

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.