Mpiasan'ny Fahasalamàna Mandihy Ho Fankalazàna Ny Famoahana Ilay Marary Farany Tratry Ny Ebola Tao Sierra Leone

Ny 25 Aogositra 2015, taorian'ny namoahana hivoaka ny toeram-pitsaboana an'i Adama Sankoh, fantatra ho ny marary farany voan'ny Ebola tao amin'ny firenena, dia niditra tamin'ny fanisàna miverina ireo andro 42 sisa hilazàny fa afaka tamin'ny Ebola i Sierra Leone.

Hatramin'io andro io, nahafaty olona 3.952 tao amin'ity firenena ao Andrefan'i Afrika ity ny valanaretina Ebola raha ny filazàn'ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Fahasalamàna.

Ho fanamarihana ilay vaninvandro dia nandihy sy nihira ireo mpiasan'ny fahasalamàna tao amin'ny foibe fitsaboan'ny Iraka iraisampirenena momba ny Fahasalamàna tao Makeni, tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Sierra Leone.Jereo ao amin'ny Youtube ny lahatsary etsyambony nalefan'ny Iraka iraisampirenena momba ny Fahasalamàna mampiseho ny fankalazàna natan'ireo mpiasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.