Any Malezia, Mandeha An-Tsekoly Ao Anatin'ny Tahotra Ireo Ankizy Mpitsoa-ponenana Myanmar

In Search of Shelter

Fianaran'ireo ankizy mpitsoa-ponenana avy any Myanmar any Malezia. Loharano: EngageMedia

Mitsoaka ny fifandirana lavareny sy ny fanenjehana any Myanmar, lasa miaina toy ny mpitsoa-ponenana any amin'ireo firenena mpifanila aminy ao Atsimo atsinanan'i Azia ireo Silamo Rohingya na Chin Kristianina an'arivony maro.

Ao Malezia fotsiny izao, vinavinaina ho eo amin'ny 150.000 isa eo ireo mpangataka fialokalofana na mpitsoa-ponenana, avy any Myanmar ny ankamaroany. Tsy misoratra amin'ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana miahy ny Mpitsoa-ponenana  (UNHCR) ny ampahatelon'ireo.

Ao anatin'izy ireo, misy ireo mpitsoa-ponenana an'arivony maro mbola tokony hianatra kanefa tsy voasoratra anarana, izay tsy mahazo alàlana ho any amin'ny sekolim-panjakana any Malezia. Maro amin'izy ireo no lasa mandeha any amin'ireo sekoly tsy ara-dalàna na tantanan'ny vondrom-piarahamonina, ka lasa miaina ao anatin'ny tahotra lava ny ho samborina na hisotasotàna.

Araka ilay lahatsary antsoina hoe Eo am-Pitadiavana Fonenana nataon'ireo mpitsoa-ponenana Myanmar any Malezia, tao amin'ny fisakafoanana an-tsekoly ho an'ireo Chin mpitsoa-ponenana  miisa 360, 40%-n'ireo mpianatra fotsiny no voasoratra ao amin'ny UNHCR. Araka ny voalazan'ny lehiben'ny vondrom-piarahamonina Chin ao amin'ny lahatsary:

Tsy afaka manala fanadianana eken'ny fanjakana na miditra any amin'ny anjerimanontolo ireo mpianatra tsy voarakitra ao amin'ny UNHCR. Miatrika olan'ny fandriampahalemana ihany koa izy ireo rehefa andeha ho any an-tsekoly ary (eny am-pandehanana) eo anelanelan'ny trano sy ny fianarana. Efa imbetsaka voasambotra ireo 13, 14, 16 taona.

Manana tanjona ny hanasongadina ny mahazo ireo mpiasa mifindra monina sy ireo vondrom-piarahamonina mitsoa-ponenana any Malezia ny Eo Am-pitadiavana Fonenana, izay misy andianà lahatsary 13. Mikendry ny hampianatra ireo mpiaro ny zon'ny mpifindra monina ny famokarana sy fanaparitahana lahatsary ny Crossroad – (Sampanan-dàlana), ary notontosaina niaraka tamin'ny EngageMedia sy ny Olon-tsotra Mpanao Gazety any Malezia..

Ao anatin'ireo andianà lahatsary ireo, mizara ny fomba nanambàrany sy nampifangaroany ireo zavatra nanànany ireo mpila ravinahitra, mba hahazoana mahazo ireo tolotra fototra toy ny toeram-pitsaboana sy sekoly ambaratonga voalohany ho an'ireo zanany. Zarain'izy ireo ihany koa ireo sakana maro atrehan'izy ireo amin'ny fanoratana ny anaran'izy ireo ho toy ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny UNHCR ao Malezia.

Ao amin'ny “Eo am-Pitadiavana Fonenana, manazava ireo lehiben'ny vondrom-piarahamonina fa maro amin'ireo mpampianatra ao amin'reo sekoly misy azy no voasambotry ny polisy noho ny tsy fahampian'ny sàta maha-ara-dalàna azy.

Malezia, izay nanambara fa tsy hanao sonia ny fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny mpitsoa-ponenana, dia tsy manana lalàna ihany koa ho an'ny mpila ravinahitra nasionaly, ary tsy manisy fanavahana eo amin'ireo mpitsoa-ponenana sy ireo mpila ravinahitra tsy manana taratasy, mahatonga hatrany ireo mpitsoa-ponenana ho mety tratry ny fisamborana, famerenana any an-taniny sy fanararaotana.

 

Myanmar migrants in Malaysia

Vinavinaina ho miisa 150.000 ireo mpitsoa-ponenana avy any Myanmar any Malezia. Loharano: EngageMedia

Tamin'ny iray amin'ireo fijerena niarahan'ny vondrom-piarahamonina ny lahatsary Sampanan-dàlana natao tao Malezia, nahita ireo mpikarakara fa 80 ka hatramin'ny 90% -n'ireo olona teo no efa niaina manokana ny sotasotan'ny polisy na niatrika olana tamin'ny taratasy fahazoan-dàlana sy ireo mpampiasa. Nisy mpikambana iray teo amin'ireo mpanatrika no nanamarika fa efa nisy zava-nitranga hoe na nampiseho ny karatra maha-mpitsoa-ponenana azy aza izy ireo, na mampiseho taratasy fanamarinana, rovitin'ireo manampahefana manatona azy fotsiny ilay taratasy.

Ny fanadihadiana an-tsokosoko iray nataon'i Al-Jazeera ny taona 2014, namboraka fa misy ireo mpitsoa-ponenana sasany mandoa hatramin'ny 1.000 dolara mba ahazoana sata maha-mpitsoa-ponenana ofisialy any Malezia, ao anatin'ny varotra tsy ara-dalàna nolazaina ho nahavoarohirohy ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana miahy ny Mpitsoa-ponenana.

Migrant children from Myanmar

Ankizy mpifindra monina avy any Myanmar, tamin'ny hetsika fisoloana vava nataon'ny Firenena Mikambana tao Malezia. Loharano: EngageMedia

Miaraka amin'ireo tatitra mitohy foana momba ireo fanao tsy ara-drariny sy ny fanararaotana atao amin'ireo mpitsoa-ponenana any Malezia, mbola ho hita eo ny fomba mahomby hiatrehan'ny governemantany sy ny UNCHR io fisehoan-javatra feno olana sy mitombo hatrany io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.