Polisy Manamboninahitra Goianey Nosaziana Fa Bevohoka

"Marching Police"; photo by Amanda Richards, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

“Matson'ny polisy”; sary avy amin'i Amanda Richards, lisansa CC BY-NC-ND 2.0.

Raha noroahina ireo vehivavy telo mpikambana ao amin'ny vondron'ny Polisy ao Georgetown tamin'ny fiandohan'ity volana ity noho izy ireo bevohoka kanefa mbola tao anatin'ny fisedrana, dia niaka-peo tamin'ity fanapahan-kevitra mampiadi-hevitra ity ireo mpiserasera Goyaney, ary nampitodika ny sain'ny Amnesty International Karaiba ihany koa. Tafaverina tamin'ny asany ihany ireo vehivavy tamin'ny farany saingy mbola tavela ny lalana nahatongavana tamin'ny fanapahan-kevitra sy ny resabe naterany ao Goyana.

Tsy mazava amin'ilay mpisera Twitter, Mark Jacobs ny anton'ny niheveran'ny olona fa tsy misaina ny polisy raha nandroaka ireo vehivavy telo:

Tsy hitako izay fanavakavahana amin'ny iangaviana ny vehivavy tsy hanao bevohoka mandritra ny fisedrana ao amin'ny tobin'ny polisy/miaramila

Nilaza ireo vehivavy maro ao amin'ny aterineto fa ny politikan'ny sevisin'ny polisy no efa tsy misy dikany ankehitriny:

TSY MAINTSY ovain'i Goiana ireo lalànany taloha. Tsy misy dikany mihitsy amin'izao tontolo ankehitriny izao, azo roahina ny vehivavy raha

Ny tena marina, amin'izao taona 2015 izao, nahatonga ny sasany ho talanjona ny mbola fanavakavahana ny vehivavy eo amin'ny resaka vohoka, saingy mbola mety ho sarotra kokoa tsy araka ny fiheveran'ny sasany ny toe-javatra. Tamin'ny fifanakalozankevitra misokatra ho an'ny rehetra momba ny raharaha tao amin'ny pejy Facebook-n'ny gazety Stabroek, ohatra, nizara ny zavatra niainany manokana i Yonnette Kennedy:

The law was there all the time people […] they told you that when you go for the job if you get pregnant before a year you [are] on duty you have to leave, you have one year probation before you get pregnant, it happened to me 23 year[s] ago, and I leave because I know that was [sic] the rules, I know it [is] not right to dismiss someone because they are pregnant, but they knew that before they take the job.

Teo mandrakariva ny lalàna  […] milaza aminao fa raha mahazo asa ianao ka bevohoka alohan'ny herintaona niasanao, dia tsy maintsy miala, mahavita fisedrana asa herintaona ianao alohan'ny mahabevohoka anao, nitranga tamiko izany 23 taona lasa izay, niala aho satria fantatro fa izany ny fitsipika, fantatro fa tsy rariny ny fandroahana olona satria bevohoka izy, saingy fantatr'izy ireo [ny fitsipika] talohan'ny nanekeny ny asa

Niombon-kevitra i Lorette Watson fa fantatr'ireo vehivavy hoe amin'inona no idirany :

For whatever reason, I think young people don't take rules and regulations seriously and this is a example for them sorry it had to happen while they are pregnant but the rule is the rule.

Na inona na inona antony, mino aho fa sy nandray ny lalàna sy ny fitsipika ho zava-dehibe ireo tanora ary ohatra ho azy ireo izany , miala tsiny fa tsy maintsy nitranga izany raha bevohoka izy ireo, rehefa lalàna dia lalàna.

Naneho ny hatezerany tamin'ireo “mpiasa birao tsy misaina” mbola mampiverin-dalana ny zon'ny vehivavy i Rawle Chalmers mpisera Facebook,” raha nisy mpaneho hevitra iray hafa kosa nanontany momba ny fialan-tsasatra azo amin'ny fiterahana, ary hoy i Donnella Collison:

Facebook user Rawle Chalmers expressed his irritation at the “bureaucratic assholes who keep turning back the clock on women issues,” while another commenter wondered about maternity leave, and Donnella Collison said:

I hope more women that lost their jobs under these circumstances come forward so that this archaic can finally be changed.

Manantena aho fa hiroso hatrany [hitory?] ireo vehivavy maromaro very asa noho izany toe-javatra izany ka mba mety hiova ity fitsipika tranainy ity.

Na dia mandràra izany fandroahana izany aza ny lalàmpanorenana sy ny Lalànan'ny Fisorohana ny Fanavakavahana ao Goiana, nanitsakitsaka ny politikan'ny departemanta izay mandràra ny polisy manampahefana vehivavy tsy hanao bevohoka ao anatin'ny roa taona voalohan'ny fisedrana ireo vehivavy telo ireo (araka ny taratasy fandroahana).

The development (pregnancy) constitutes a clear violation of the City Constabulary Standing Order section 4:11(Para) J11.

Fanitsakitsahana ny Fehezan-dalàna 4:11 (Para) J11 ao amin'ny Tobin'ny Polisy ny mitondra vohoka).

Raha tsy ampy ireo fandroahana ireo, nilaza tamin'ny gazety Goaianey ny vehivavy polisy, 19-taona Abassie Bobb fa noroahina izy tamin'ny volana Jolay tamin'ity taona ity noho ny lalàna mitovitovy amin'ny fitondrana vohoka. Nilaza i Bobb fa voaroaka izy rehefa nitsotra tamin'ny lehibeny fa mananjanaka. Nilaza ny taratasy fandroahana fa nofaranana ny asany araka ny Lalàna Mifehy ny Polisy ao Goiana.

Araka ny filazan'ny Lehiben'ny Polisy, Andrew Foo, efa “fanao taloha” ny fametrahan-dalàna mandroaka ny vehivavy ary jerena toa manavakavaka, fa tsy tokony ahitsy, hoy izy. Ny mampatahotra azy dia “mety ho bevohoka avokoa ny ankamaroan'ireo vehivavy [ao amin'ny pollisy] .”Na dia tranainy noho ny Lalàmpanorenana 1980 ao Goiana sy ny Lalàna Fisorohana ny Fanavakavahana 1997 ao amin'ny firenena aza ireo fehezan-dalànan'ny fandaminana [rafitra], toa mihevitra i Foo fa maharaka andro ny fandaminana satria nanampy tamin'ny fanitsiana azy izy tamin'ny 2013.

Niaro ny politikam-pandaminana ny vehivavy polisy iray, Laurel Gittens, vao haingana, nilaza fa mety ho enta-mavesatra eo amin'ny asan'ny polisy ny tsy fanaovana hentitra manoloana an'izany.

It would put a burden on the organization if we allow women to become impregnated during probation…the pregnancy constitutes a clear violation of the City Constabulary Standing Order Section 4:11 (Para) J11

Mety hametraka enta-mavesatra eo amin'ny fandaminana izany raha avelantsika ho bevohoka mandritra ny fisedrana izy ireo … fanitsakitsahana mazava ny Fehezan-dalàna 4:11 (Para) J11 ao amin'ny Tobin'ny Polisy ny mitondra vohoka

Tamin'izany fotoana izany, nanipika i Gittens fa tokony ho ny Parlemanta no manatontosa ny fanovana rehetra ao amin'ny politikam-pandaminana. Nilaza ihany koa izy fa mahalefitra ny mpanapa-kevitry ny polisy, satria afaka maka fialan-tsasatra ireo vehivavy ary miverina amim-pilaminana miasa rehefa avy miteraka.

Nanaitra ireo manampahefana ny fihetsiketsehana notontosaina tao ivelan'ny Lapan'ny Tanàna: Noraisina hiasa indray avy eo ireo polisy voaroaka nanomboka teo.

Angamba mety hiankina amin'ny vahoaka Goianey ny manapa-kevitra raha mila fanovana na tsia ao amin'ny Fanavaozana ny Lalàmpanorenana efa miandry ity politikam-pandaminana efa tranainy ity izay mbola mijoro anilan'ireo lalàna hafa efa maoderina kokoa ao amin'ny firenena. Maro no mihevitra fa tokony tsy havela hahazo laka intsony ny politika manavakavaka ny vehivavy, indrindra ny vehivavy miezaka hanompo ny fireneny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.