Nampitandrina ny fikasan'ny antoko politika hanararaotra ny hetsika ataon-dry zareo ny Libaney mpikatroka

Lebanese protesters at Riad Solh, in downtown Beirut earlier today. Photograph shared by @_Richardhall on Twitter

Libaney mpanao fihetsiketsehana tao Riad Solh, ao afovoan-tanànan'i Beirota ny alahady maraina. Saripika avy amin'i @_Richardhall ao amin'ny Twitter

Nandritra ny sit-in manoloana ny parlemantera nataon-dry zareo ny 23 aogositra 2015 ny hetsika libaney iray avy eny ifotony antsoina hoe, ‘Tol3et Re7etkom’ (‘Masiso ianareo’), izay natsangana tamin'ny voalohany hiadiana amin'ny krizim-pako nasionaly, no nivoaka tamin'ny fitakiana napetraka voalohany nandritra ny fihetsiketseham-panoheram-bahoaka ary nampitandrina izay mety ho fikasan'ny antoko politika hanararaotra ny hetsika ataon-dry zareo mba hahazoan'ny antoko tombondahiny.

Tao amin'ny lahatsary iray nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny hetsika ry zareo no manameloka ny famoretana mahery vaika sy ny “fampihorohoroana” izay natrehan'ny mpikatroka raha nanao fihetsiketsehana milamina tsy nampiasa herisetra ry zareo ny asabotsy lasa teo. Nitaky ny tamberin'andraikitra avy amin'ireo tompon'andraikitry ny herisetra ry zareo, tamin'ny fifikirana fa mikendry ny sokajim-politika rehetra ity fihetsiketsehana milamina tsy mampiasa herisetra ity, ary tokony hizaka ny andraikiny tsirairay ny rehetra, ka tafiditra amin'izany ny Praiminisitra Tammam Salam. Niantso ny fialana avy hatrany ry zareo sy androm-pihetsiketseham-bahoaka faharoa “hanoherana ny fampihorohoroan'ny manampahefana mpanao kolikoly” ny alahady.

Vakio ihany koa: “Masiso ianareo” Miantso ny ialan'ny governemanta libaney ny mpanao fihetsiketsehana

Tao amin'ny fanambarana iray hafa efa nivezivezy talohaloha kokoa nandritra ny andro, nitaky ny hialan'ny minisitry ny atitany  Nouhad Machnouk mbamin'ny fialan'ny governemanta iray manontolo ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana ary nampivoitra ny filàna hanatontosa fifidianana parlemantera. Tao amin'ny tahirin-kevitra ihany, nampitandrina ny amin'izay fikasan'ny antoko politika isan-karazany mitady hanararaotra ny hetsika ihany koa ry zareo, tamin'ny nanamarihana fa tsy navela hiditra tao amin'ny faritra nanaovana fihetsiketsehana ny minisitra roa tao amin'ny governemanta saingy tongava soa kosa ireo izay nametra-pialana.

Ho avy tsy ho ela ny fanambarana amin'ny teny anglisy.

Ao amin'ny haba-tranonkalany ny vondrona no mizara ihany koa ny tatitra ara-toebola mikaonty ny fandaniana hatramin'izao ary fenoin'ny scan ny rosia rehetra. Efa-mitondra ny anjara birikiny ny mpanohana amin'ny alalan'ny fanentanana fanangonam-bola Indiegogo.

Vakio ihany koa ny tati-baovaonay ao amin'ny Global Voices Checkdesk

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.