Any Venezoala, Na Ireo Polisy Aza Manao Diabe Manohitra Ny Tsy Fandriampahalemana

Police - Venezuela

Polisy An-drenivohitra teo Aloha, Mpiambina Nasionaly ary Mpanaraka an'i Chavez, nanao akanjo mena nitazona takelaka nandritra ny diabe. Sary nalaina tamin'ny kaonty Flickr an'i Rodríguez Suárez, nampiasaina ambany fahazoan-dàlana Creative Commons.

Ny taona lasa, lasa lohateny malaza maneran-tany ireo fihetsiketsehana sy famoretana izay nahatonga olona an-jatony ho voatazona tany Venezoela. Fa lasa zavatra iainana andavanandro ny karazana herisetra izay nisintona ny firenena hidina ambany foana nandritra ny taona maro, ka lasa tsy dia zavatra mahataitra intsony efa ela izay.

Tantara iray izay adino ao anatin'ireo safodranonà famonoana sy herisetra maro hafa izao ny loza lehibe atrehan'ireo polisy ankehitriny amin'ny fanaovana ny asany.

Araka ny Mpanaramaso ny Herisetra Venezoelana (OVV), nahitàna fahafatesana tamin'kerisetra mafy niisa 24.980 tao Venezoela ny taona 2014, na famonoana miisa 82 isaky ny mponina 100.000. Izay mahatonga an'i Venezoela ho faharoa amin'ny tahan'ny vono olona manerantany, nihoaran'i Hondoras fotsiny, ary ambony lavitra raha oharina amin'ireo firenena misy ady amin'izao fotoana izao.

Tahan'ny famonoana isaky ny mponina 100.000 isa: Meksika 17. Colombia: 28. Brezila 29. Venezoela: 82. Loharano OVV

Misafosafo fotsiny ilay olana ny mediam-panjakana ao Venezoela. Tsy misy manana toerana natokana ho an'ny fahafatesana na famonoana olona amin'ny herisetra ireo gazety an-tsoratra fototra izay manohana ny fanjakana, zavatra iray mahagaga satria ahitàna fahafatesana avy amin'ny herisetra am-polony isaky ny faran'ny herinandro i Caracas renivohitry ny tanàna.

Felaka tehamaina eo an-takolaka io ho an'ireo polisy izay namoy ireo mpiara miasa aminy teo amperinasa sy tany amin'ny fotoana tsy fiasany.

Lasibatra mandehandeha

Ny enimbolana voalohan'ny taona 2015, polisy miisa 120 no nisy namono araka ny angondrakitra isaky ny faritra avy amin'ny media tsy miankina. Tsy manao tatitra momba ireo olony maty ny governemanta, na hoe maty tamin'ny grenady sy basy mahery vaika aza izy ireny, sahala ny niseho ny Martsa 2015 tany amin'ny faritr'i Caracas antsoina hoe El Cementerio.

Medaly ho an'ireo vondrona mpamono olona ny polisy  iray maty. Manome sata ambony ho an'ireo mpamono olona ny famonoana azy ireo, na amin'ny fanafihana na amin'ny endriny valifaty. Ary vao mainka hamafisin'ny tahan'ny tsy fizakan'ny mpamono olona ny valin'ny ratsy vitany izany rehetra izany: tsy voasazy ny 98% -n'ny famonoana olona natao tao amin'ny firenena.

César Marín, mpikambana ao amin'ny Amnesty International ary ny solontenan'ny Tambajotran'ny Hetsika Iraisam-pirenena amin'ny Fiadiana Maivana (IANSA), milaza fa mitovy amin'ny isan'ireo tanora lehilahy any amin'ireo ambany tanàna an-drenivohitra ny isan'ireo polisy maty, na koa ireo mpitondra fiara karetsaka voatafika na ireo olona amin'ny ady an-dàlambe.

Tsy afa-miala amin'ny herisetra andavanandro izy ireo. Mahatonga azy ireo ho marefo kokoa ny loza mety miandry azy ireo mifanaraka amin'ny asany.

Fandàvana ofisialy, fahatezeran'ny vahoaka

Nisy loharano ofisialy niezaka nandà ireo antotanisan'ny OVV. Tsy nandefa antotanisa ofisialy na namela niditra tao amin'io angon-drakitra io, hatrmin'ny taona 2008, ny Ministeran'ny Atitany an'ny Fitsaràna sy ny Fandriampahalemana, raha toa ka nanararaotra ny nanondraka rano mangatsiaka ireo tarehimarika ny mpitondra tenin'ny governemanta.

Ohatra, nilaza tao amin'ny Firenena Mikambana ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalànan'ny Repoblika, Luisa Ortega Díaz, ny volana Jona 2014, fa tsy 82 ny tahan'ny famonoana olona fa fahafatesana avy amin'ny herisetra mafy miisa 62 isaky ny mponina 100.000 no nisy. Na amin'izany isa izany aza, mbola amin'ny laharana ambony ihany i Venezoela raha eo amin'ny firenena feno herisetra indrindra manerantany.

Fa tsy nanena ny zava-dratsy miseho anefa ny tsy filazàna ny angon-drakitra amin'ny herisetra sy ny fanivànana ny loharanom-baovao misy ifandraisany amin'ny herisetra.

Fianakaviana maro no nanana namana na havana voaongotra taminy, ary matetika eny amin'ny tranom-paty no ahitàna filaharana olona miandry mba hijery sao misy olona fantany ao. Tsy misy zava-baovao izany rehetra izany. Na ny famonoana ireo polisy ihany koa.

Nanoratra izao tao amin'ny kaonty Twitter-ny ilay mpanao gazety, Altagracia Anzola:

Polisy Nasionaly Bolivariana (PNB) roa maty, ary polisy dimy naratra, ireo no fiafaràna mahatsiravin'ny zava-nitranga omaly tao amin'ny Cota 905 sy El Cementerio. Grenady, poleta, basy.

Diabe ho an'ny Venezoela mandry fahalemana kokoa

Tamin'ny tafatafa niaraka tamin'ny Global Voices ny volana febroary, nampitandrina i Pablo Fernandez, Sekretera Mpanatanteraky ny Filankevitra Ambonin'ny Polisy, fa narefo ny ankamaroan'ireo polisy, noho ” ny fanenàna ireo taom-piofanana, tsy fahamatorana, ny tsy fahampian'ny fahatokisana amin'ny fahavitàn'izy ireo miatrika ny fikorontanan-tsaina, fahakelezan'ny fanazarantena miandàlana sy fandanjalanjana ny fampiasana hery isankarazany, [ary] fahakelezan'ny fifehezan-tena na fiarovan-tena.”

Miaraka amin'ny teny tahaka izany avy amin'ny mpiasam-panjakana misahana ny fanofanana ny polisy, mora azo kokoa ny anton'ireo taha ambony amin'ny loza atrehan'ireo polisy Venezoelana.

Sarotra ihany koa anefa ny hanajanona ireo fitaovam-piadiany any amin'ny toby sy mandeha mody any an-trano. Miaina any amin'ireo faritra mahantra sy mora ahitàn-doza mitovy amin'ireo olo-meloka ny ankamaroan'ireo polisy. Indraindray, ahitan-doza be ihany koa ny famborahana ny asan'izy ireo.

Tsy hiaro ireo polisy tsy eo am-perinasa amin'ny bala ihany koa anefa ny filazàny ny tenany ho “mpiaro ny fiarahamonina, Chavista (mpanaraka an'i Chavez) ary mpanohitra ny mpanjakazaka”.

Nampitandrina ny Mpiaro ny Zon'olombelona ao amin'ny Fikambanana Tsy Miankina amin'ny Fanjakana, Cofavic, fa nalaky nihena be ihany koa ny fangatahana hiditra ho mpitandro ny filaminana, noho ny fitomboan'ny isan'ireo polisy nisy namono. Toa tsy mahasarika intsony ny karama. Voatery manao mpamily fiara karetsaka na mpiambina manokana ireo polisy sasany, amin'ny fotoanany malalaka mba hahavitàna ny volana.

Nahatonga hetsika tsy dia fahita loatra nefa tena manaraka lojika tokoa, niseho ny volana Aprily lasa teo, io zava-misy io: diabe manohitra ny tsy fandriampahalemana nokarakarain'ireo polisin'i Caracas, izay nahitàna mpikambana avy amin'ireo hery enina ao amin'ny polisy nifanaiky ny hanao hetsi-panoherana noho ny fahafatesana tamin-kerisetra nahazo ireo mpiara miasa tamin'izy ireo.

Noraràna tsy nahazo nandray anjara ny Policaracas, hery fototra ao an-drenivohitra, sy ny Polisy Nasionaly Bolivariana — fehezin'ireo manampahefam-panjakana. Noho izany, nandeha tamin'ny fanamiana sivily ny sasany tamin'izy ireo, niaraka tamin'ireo sasany izay nangatahaka ny fianakaviany hisolo tena azy hanao ny fihetsiketsehana amin'ny anaran'izy ireo.

Tsy nasian'ny mediam-panjakana resaka ilay diabe:

Diabe any Cota Mil (faritra malaza ao Caracas), mba hanoherana ny famonoana ireo polisy

Nifarana androany ny diaben'ireo polisy, niaraka tamin'ny fifohazana mba hanome voninahitra ireo polisy nampihatra ny lalàna, novonoina teo am-panaovana ny asany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.